Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanehoana Mahomby Ny Fomba Fiasa Misiônera

    Amin’ny firotsahana amin’ny asa mandritra ny fivoriambe, dia azon’ny rehetra atao ny hianatra hiasa amin’ny fomba mahomby eo anivon’ny fiangonana misy azy. - TFC, b. 6, t. 49.FK 275.2

    Vondrona mpiasa matanjaka no efa natsangana nandritra ny sasantsasany tamin’ireo fivoriambe nataontsika, mba handeha ho any amin’ny vohitra sy ny manodidina azy hizara asasoratra sy hanasa ny olona hanatrika ny fivoriana. Olona an-jatony maro no azo lazaina ho mpanatrika tsy tapaka nandritra ny tapany faran’ny fivoriana, izay raha tsy tamin’izany fomba izany, dia tsy nihevitra firy ny hoavy akory - TFC, b. 6, t. 36.FK 275.3

    Tsy handray fotsiny ihany no azontsika atao mandritra ny fivoriambe fa ny mizara ihany koa. Izay rehetra mpiombona amin’ny fitiavan’i Kristy mamela heloka, izay rehetra efa nohazavain’ny Fanahin’Andriamanitra sy niova fo ho amin’ny fahamarinana, dia hahatsapa fa manan-trosa amin’ireo fanahy rehetra mifanena aminy, noho ireo fitahiana sarobidy ireo. Hampiasain’ny Tompo ny manetry tena hahatratra ireo fanahy tsy hain’ny mpitandrina voatendry hotratrarina. Ho voahetsika hilaza teny izay manambara ny fahasoavan’i Kristy mahavonjy izy ireo. - TFC, b. 6, t. 43.FK 275.4

    Mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika, rehefa manaraka ny drafitra efa napetrak’Andriamanitra. Na inona toerana tanantsika na inona, - na mpitarika fivoriana izany, na mpitandrina, na mpampianatra, na mpianatra, na mambra laika, - dia tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika ny amin’ny fampiasana ny tombontsoa rehetra ananantsika hitondrana fahazavana ho an’ireo mila ny fahamarinana ankehitriny Anisan’ireo fomba fiasa lehibe efa notendreny hampiasaintsika ny pejy voasoratra. Ilaintsika ny mianatra mampiasa amim-pahendrena io fomba fiasa sarobidy io any amin’ireo sekolintsika, toeram-pitsaboana, fiangonana ary indrindra indrindra mandritra fivoriambe fanaontsika isan-taona. Amin’ny fahamalinana feno faharetana no tsy maintsy hampianaran’ny mpiasa voafidy ny vahoakantsika ny fomba fanatonana ny tsy mpino, amin’ny fomba feno halemem-panahy sy maharesy lahatra, ary ny hahatonga azy ireo handray ny asasoratra izay mampiseho amin’ny fomba mazava sy amin-kery ny fahamarinana mikasika izao andro izao - TFC, b. 9, tt. 86, 87.FK 276.1

    Amin’ny fomba fiasan’i Kristy fa tsy araka ny drafitr’olombelona no tokony hitarihana ny asa mandritra ny fivoriambentsika. Tokony ho voataona hiasa mafy ny mambran’ny fiangonana. - TFC, b. 9, t. 120.FK 276.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents