Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 24 - Fahaizana Manokana Ho Amin’ Ny Fanompoana Kristianina Mahomby

    Hery

    Tsy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny tsy fananana herim-po sy tanjaka. Rehefa tsapantsika fa miasa ho an’Andriamanitra isika, dia hanana fahatsapana ambony kokoa mihoatra noho izay nananantsika taloha ny amin’ny fahamasinan’ny fanompoam-panahy. Hitondra fiainana sy fahamalinana ary hery maharitra eo amin’ny fanamaivanana ny andraikitra tsirairay izany fahatsapana izany. - TFC, b. 9, t. 150.FK 313.1

    Mitaky hery lehibe kokoa sy fahamasinana lalindalina kokoa ny fotoana. Manahirana ny tenako izany lafin-javatra izany ka mitaraina amin’Andriamanitra aho hoe: “mitsangàna ka mandefasa iraka feno fahatsapana ny andraikiny, iraka izay efa nanombo ny fanompoana ny tenany, izay fototry ny ota rehetra.” - TFC, b. 9, t. 27.FK 313.2

    (...) Mila hery ny asa nankinina tamin’ny mpianatra; lalina sy nahery vaika mantsy ny fisamontan’ny ratsy nanohitra azy. - VM, t. 29.FK 313.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents