Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Ho An’ireo Foto-Drafitr’asa

    Tokony hajoro ireo trano fisakafoana ara-pahasalamana sy efitranao fitsaboana. Ny ezaka ataontsika eo amin’izany sehatra izany dia tokony hahasahana koa ireo ivon-toerana momba ny ranomasina. Tahaka ny nandrenesana ny feon’i Jaona Mpanao Batisa hoe: «Amboary ny lalan’Tompo” no tsy maintsy handrenesana ny feon‘ireo mpitondra hafatry ny Tompo ao amin‘ireo ivon-toerana momba ny fizahan-tany sy ny ranomasina. - TFC, b. 7, tt. 55,56.FK 194.3

    Nomena fahazavana aho fa tsara raha ampifandraisina ny trano fisakafoana sy ny efitrano fitsaboana any amin’ireo tanàn-dehibe maro. Afaka miara-miasa izy roa ireo mba hanandratra foto-kevitra marina. Miaraka amin’izany dia tsara indraindray raha manana efitrano fandraisana marary. Ireny trano ireny dia hamatsy ireo foto-drafitr‘asa ara-pahasalamana any ambanivohira. - TFC, b. 7, t. 60.FK 194.4

    Manana hafatra ho an‘ireo tanàn-dehibentsika ny Tompo, ary izany hafatra izany dia natao hambara amin‘ireo fivoriambentsika sy amin‘ny ezaka mahafaobe hafa ary koa amin‘ny alalan‘ireo bokintsika. Ambonin’izany dia tokony hajoro an-tanàn-dehibe ireo trano fisakafoana madio ara-pahasalamana ary amin‘ny alalan‘izy ireo no tokony hambara ny hafatra momba ny fahalalana onony. Tokony hisy fandaminana hatao mba hanaovana fivoriana mikasika ireo toeram-pisakafoantsika. Rehefa azo atao dia aoka hisy efitrano voatokana izay hahafahan‘ny lehiben‘ny toerana manao fampianarana momba ny fahasalamana sy ny fahalalana onony kristianina sy hanomezana toro marika mikasika ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana ary lohahevitra manandanja hafa. - TFC, b. 7, t. 115.FK 195.1

    Ireo izay mamonjy ny toeram-pisakafoantsika dia tokony hotohanana amin‘ny famakiam-boky. Tokony hosarihina ny fifantohan‘izy ireo hankamin‘ireo bokintsika momba ny fahalalana onony sy ny fanavaozana ara-tsakafo ary tokony hisy lahatsoratra mikasika ny leson‘i Kristy hozaraina amin‘izy ireo. Ny enta-mavesatry ny fizaràna izany pejy voasoratra izany dia tokony hifampizaran’vahoakantsika. Izay rehetra tonga dia tokony homena zavatra hovakina. Mety hisy ireo izay hanary fotsiny ilay taratasy, fa misy amin‘ireo izay hametrahanao izany hitady fahazavana. Izy ireo dia hamaky sy handalina izay nomenao azy, avy eo dia hozarainy amin‘ny hafa izany. - TFC, b. 7, t. 116.FK 195.2

    Natoro ahy fa ny iray amin‘ireo antony lehibe tokony hanorenana toeram-pisakafoana sy efitrano fitsaboana an’ivon’ireo tanàn-dehibe dia amin’alalan’izany no ho voasarika amin‘ny hafatry ny anjely fahatelo ny sain‘ireo olona manam-pahefana. Rehefa ho tsikariny fa fomba hafa noho ny an‘ireo toeram-pisakafoana mahazatra no itondrana ireo toeram-pisakafoana ireo dia hanomboka hanontany ireo olona manan-tsaina ny amin‘ny anton‘ny fahasamihafana eo amin‘ny fomba fandraharahana ary hanadihady izy ireo ny amin‘ireo foto-kevitra mitarika antsika handroso sakafo avo karazana. Amin‘izany dia ho voatarika izy ireo ho amin‘ny fahalalana ny hafatra ho amin‘izao vaninandro izao. - TFC, b. 7, tt. 122,123.FK 195.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents