Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanavahana Ny Vary Amin’ny Tsimparifary

    Ny fotoanan’fitsaran‘Andriamanitra handrava no fotoanan’famindrampo ho an’ireo izay tsy nanana tombontsoa ny hianatra ny atao hoe fahamarinana. Hijery azy ireo amim-pitiavana ny Tompo. Voakasika ny fon’famindrampony, ary mbola mitsotra hamonjy ny tanany, raha mikatona ho an’ireo izay tsy te hiditra ny varavarana. - TFC, b. 9, t. 97.FK 78.2

    Tsy ho ela ny ady mangotraka hifanaovan’ireo izay manompo sy ireo izay tsy manompo Azy. Tsy ho ela dia hihozongozona ny zavatra rehetra azo hozongozonina, ka ireo zavatra tsy azo hozongozonina no afaka hitoetra. - TFC, b 9, tt. 15, 16.FK 78.3

    Hisy maro amin’ireo izay tsy nanolo-tena tanteraka tamin’ ny hery miasa mangina manimban’izao tontolo izao, sy ny fanompoana an’i Satana amin’andro fahoriana sy fahaverezan-tsain’firenena, no hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra, ary hiverina Aminy amin’fony manontolo ka hahita ny fanekena sy ny famelan-keloka. - TFC, b. 1, t. 269 .FK 78.4

    Misy olona maro mamaky ny Soratra Masina izay tsy mahazo ny tena maha-zava-dehibe azy Manerana an’izao tontolo izao dia misy lehilahy sy vehivavy manopy maso mitsiriritra ny lanitra. Tonom-bavaka sy ranomaso ary fanontaniana no miakatra avy amin’fanahy feno fahoriana mitady fahazavana, fahasoavan’Fanahy Masina. Maro no eo an-tokonam-baravaran’fanjakana miandry fotsiny ny hangonina ho ao. - VM, tt. 97, 98 .FK 79.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents