Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Adidin’ny Mpitandrina

    Ny fanampiana tsara indrindra azon’mpitandrina omena ny mambran’fiangonantsika dia tsy ny fitorian-teny, fa ny famolavolana asa ho azy ireo. Omeo zavatra hatao ho an’hafa ny tsirairay. Ampio ny rehetra hahita fa amin’mahampandray ny fahasoavan’i Kristy azy ireo dia tsy maintsy miasa ho Azy izy ireo. Ary aoka ny rehetra hampianarina ny fomba hiasana. Indrindra, ireo vaovao vao tonga ao amin’finoana dia tokony hotezaina ho tonga mpiara-miasa amin’ Andriamanitra. - TFC, b.9, t. 82 .FK 97.4

    Ry mpitandrina, torio ny fahamarinana izay hitarika ho amin‘ny asa ataon‘ny tena manokana ho an‘ireo izay tsy ao amin‘i Kristy. Ampirisiho amin‘ny fomba azo atao rehetra ny ezaka ataon‘ny isam-batan‘olona. - TFC, b. 9, t. 124.FK 98.1

    Aoka ny mpitandrina hampianatra ny mambran’fiangonana fa mba hitomboany ara-panahy dia tsy maintsy mitondra ny enta-mavesatra izay napetraky ny Tompo aminy izy ireo, ny enta-mavesatry ny fitarihana fanahy ho amin‘ny fahamarinana. Tokony hovangiana, hoentina amim-bavaka sy hiasana ireo izay tsy manatanteraka ny andraikiny. Aoka tsy hotarihina hiankina aminao amin‘ny maha-mpitandrina anao ny olona, fa aoka hampianarina izy ireo fa tsy maintsy mampiasa ny talentany amin‘ny fanomezana ny fahamarinana an’ireo manodidina azy. Ny fanaovana izany no hananany ny fiarahamiasan‘ny anjelin’lanitra, ary hahazoany fanandramana izay hampitombo ny finoany sy hanome azy ireo fifikirana matanjaka amin’Andriamanitra. - GW, t. 200.FK 98.2

    Rehefa miasa eny amin’toerana izay efa misy olona ao amin‘ny finoana ny mpitandrina, dia tokony hikatsaka voalohany tsy ny hanova fo ny tsy mpino fa ny hanofana ny mambran’fiangonana ho amin’fiaraha-miasa tokony hatao. Aoka hiasa ho azy ireo isam-batan‘olona izy, hiezaka ny hamoha azy ireo hikatsaka fanandramana lalindalina kokoa ho an’tenany, ary hiasa ho an‘ny hafa. Rehefa vonona ny hanohana ny mpitandrina amin‘ny alalan’vavaka sy asa izy ireo dia ho bebe kokoa ny fahombiazana miandry ny ezaka ataony. - GW, t. 196 .FK 98.3

    Amin’lafiny sasantsasany, ny Pasitora dia mitana toerana toy ny lehiben’antokona mpiasa na kapitenin-tsambo. Andrasana amin’izy ireo ny hanatanterahan’olona eo ambany fifehezany ny asa nasaina hataony araka ny tokony ho izy sy haingana, ary rehefa misy hamehana ihany vao miditra an-tsehatra amin‘ny tsipiriany izy. Nahita ny lehiben‘ny mpiasany nanamboatra kodiarana ny tompon’orinasa anankiray, fanamboarana tsotra izany, kanefa mpiasa ampolony no mijoro eo anilany mipetra-potsiny mijery azy. Ny tompon‘ilay orinasa, rehefa nanadihady ny toe-javatra mba hahazo antoka fa tsy hisy tsy rariny hatao dia niantso ilay lehibe ary nandroaka azy rehefa avy nanome ny karamany feno. Taitra ilay lehibe ary nangataka fanazavana. Dia nomena azy izao teny izao: «Nanakarama anao aho mba hanara-maso ny asan’olona enina. Hitako fa mipetra-potsiny ireo olona enina ireo ary ianao irery no manao ny asa. Ny asanao dia mety ho vitan‘ny iray amin’iretsy olona enina iretsy. Tsy afaka ny handoa ny karaman‘olona fito aho kanefa ianao mampianatra ny enina hitsilamodamoka». Azo ampiharina amin‘ny lafinjavatra sasany, fa tsy amin‘ny hafa io toe-javatra io. Kanefa Pasitora maro no tsy mahomby noho izy tsy mahafantatra na tsy manandrana mampiasa ny mambran’fiangonana manontolo hirotsaka an-tsehatra amim-pahavitrihana amin‘ireo sampan‘asa samy hafa amin’asan‘ny fiangonana. Raha ny Pasitora no hanome fahalianana misimisy kokoa amin‘ny fahazoana sy fihazonana ny andian’ondriny hirotsaka an-tsehatra hiasa amim-pahavitrihana, dia hanatanteraka soa bebe kokoa izy ireo, ary hanana fotoana bebe kokoa hianarana sy hamangiana ary koa hisorohana ireo zavatra maro miteraka olana. - GW, tt. 197,198.FK 98.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents