Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso Ho An’ny Fiangonana Malaina

    Zava-miafina mihitsy ny tsy hisian‘ny olona an-jatony miasa any amin’toerana izay tsy misy afa-tsy anankiray ankehitriny. Gaga ny tontolon‘ny lanitra amin‘ny tsy firaihana, ny fangatsiahana sy ny fahalainan’ireo izay milaza ho zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra. Misy hery mamelombelona ao amin‘ny fahamarinana. - TFC, b. 9, t. 42.FK 125.1

    Tsy ho voavonjy na oviana na oviana ao amin’ fitsilamodamohana sy ny tsy fanaovana na inona na inona isika. Tsy mety hisy izany hoe olona tena voaova fo marina nefa mivelona amin’ fiainana tsy manampy ary tsy mahasoa ny hafa. Tsy azo sintonim-potsiny ho any an-danitra isika. Tsy misy olona kamo afaka hiditra ao (...). Ireo izay mandà ny hiaramiasa amin’ Andriamanitra eto an-tany dia tsy hiaramiasa aminy any an-danitra. Tsy ho tsara ny hitondrana azy any an-danitra. - HF, t. 240 .FK 125.2

    Mijery amim-pahalianana fatratra ny fiangonana ny lanitra manontolo, mba hahita izay ataon’mambra tsirairay avy raha manazava ireo izay ao amin‘ny fahamaizinana. - RH, 27 Feb. 1894.FK 125.3

    Tokony hoheverintsika amim-pahendrehana tsara fa mifandraharaha amin’ ilay Andriamanitra lehibe isika, ary tokony hotadidiantsika foana fa tsy zazakely Izy ka hovazivaziana. Tsy afaka ny hirotsaka an-tsehatra amin’fanompoana Azy araka izay tianao ianao, na hamela izany araka izay mahafinaritra anao fotsiny ihany. - TFC, b. 2, t. 221.FK 125.4

    Miandry ny fiaraha-miasa amin’masoivoho olombelona ny mponin’lanitra, kanefa tsy haintsika ny manavaka ny fanatrehany. - TFC, b. 6, t. 297 .FK 126.1

    Niandry ela ny masoivoho olombelona - ny mambran’ fiangonana - ny anjelin’lanitra hiara-miasa aminy amin’fanatanterahana ny asa lehibe. Miandry anao izy ireo. - TFC, b. 9, tt. 46, 47 .FK 126.2

    Maro, eny, maro ny manatona ny andron’Andriamanitra kanefa tsy manao na inona na inona, miala andraikitra, ary ny vokany dia mihabotry ara-panahy izy ireo. Raha vao ny momba ny asan’Andriamanitra no resahina dia fahabangana mampalahelo no hita eo amin’ireo pejin’tantarampiainany. Hazo (maniry) eo amin’sahan’Andriamanitra izy ireo kanefa mibahan-toerana fotsiny, manaloka ny tany izay tokony ho nitoeran’hazo mitondra voa ny sampany tsy mamokatra. - RH, 22 May 1888 .FK 126.3

    Misy loza mitatao amin’ireo izay tsy manao afa-tsy zavatra bitika na tsy manao na inona nainona ho an’i Kristy. Tsy hitoetra intsony ao amin’fanahin’izay nanana tombontsoa lehibe sy fotoana mety azo nohararaotina kanefa nangina ny Fahasoavan’Andriamanitra. - RH, 22 Aog. 1899.FK 126.4

    Tsy misy fotoana tokony hatoriana ankehitriny, tsy misy fotoana izay hampanaranam-po ny fanenenana tsy misy ilàna azy. Izay manao kitoatoa ka rendremana amin’izao fotoana izao dia tsy hanana ny fotoana sarobidy azo hararaotina hanaovan-tsoa. Nomena antsika ny tombontsoa feno fitahiana, dia ny hanangona ny amboara amin’fijinjana lehibe; ary ny fanahy voavonjy tsirairay avy dia ho kintana fanampiny eo amin’satro-boninahitr’i Jesôsy, ilay Mpanavotra mendrika ny hiankohofana. Iza no ho maika hametraka ny fiadiana raha mahafantatra fa amin‘ny fanohizana kely fotsiny ny ady dia hahazo fandresena vaovao izy ary hanangona amboara ho an‘ny mandrakizay? - RH, 25 Okt. 1881.FK 126.5

    Manao ny asany ireo mpitondra hafatra avy any an-danitra, fa mba inona no ataontsika. Ry ranadahy sy rahavavy, miantso anao Andriamanitra mba hanararaotra ny fotoana; manatòna an’Andriamanitra. Fohazy ireo fanomezana ao anatinao. Aoka ireo izay nanana tombontsoa nifankazatra tamin’anton‘ny finoantsika, hampiasa izany fahalalana izany ho amin-javakinendry ankehitriny. - HS, t. 288.FK 127.1

    Amin’fomba ahoana no hamerenanao ny vavaka nampianarin‘ny Tompo manao hoe: «ho tonga anie ny Fanjakanao, atao anie ny Sitraponao ety an-tany tabaka ny any an-danitra» kanefa ianao mipetraka maka aina ao an-tokantranonao, tsy manampy amin‘ny fitondràna ny fanilon’fahamarinana amin‘ny hafa? Amin‘ny fomba ahoana no hanandratanao ny tananao ary mangataka ny fitahiany ho an‘ny tenanao sy ny fianakavianao, kanefa bitika dia bitika ny zavatra ataonao hanampiana ny hafa? - HS, t. 288.FK 127.2

    Misy amintsika, raha manokana fotoana hieritreretana dia hahita fa ny toerany tsy manao na inona na inona dia ho toy ny fanaovana tsinontsinona feno fahotana ny talenta nomen’Andriamanitra azy ireo. Ry ranadahy sy rahavavy, malahelo noho ny fahamafisan’fonareo ny Mpanavotra anareo sy ny anjely masina rehetra. Nanolotra ny ain‘ny tenany i Kristy mba hamonjena fanahy, ary ianao izay efa nahafantatra ny fitiavany no tsy manao afa-tsy ezaka kely dia kely mba hizaràna ny fitahiam-pahasoavany amin‘ireo izay nahafatesany. Mahagaga ny anjely ny tsy firaihana sy fanaovana tsinontsinona toy izany amin’ireo adidy. Tsy maintsy hifanena amin‘ ireo fanahy nataonao tsinontsinona eo amin’ fitsarana ianao. Amin’ izany andro lehibe izany dia tsy hanan-kambara ianao ary hanameloka ny tenanao. Aoka hitarika anao ho amin‘ny fibebahana ny Tompo ankehitriny. Hamela ny heloky ny vahoakany noho ny fanaovana tsirambina ny asa nasainy natao tao amin’ tanimboalobony anie Izy. - TFC, b. 6, tt. 425, 426.FK 127.3

    Inona no azontsika lazaina amin‘ny mambran’fiangonana malaina mba hahatonga azy ireo hahatsapa ny ilàna ny hamongaran‘izy ireo ny talentany ka hampiasany an‘izany amin‘ny mpanakalo? Tsy misy na dia iray aza olona kamo sy malaina ho hita any amin’ fanjakan‘ny lanitra. Enga anie Andriamanitra haneho ny maha-zava-dehibe an‘izany eo anoloan’fiangonana matory! Enga anie mba hitsangana i Ziona ary hiakanjo ny fitafiany mahafinaritra! Enga anie mba hamirapiratra izy! - TFC, b. 6, t. 434 .FK 128.1

    Misy asa atao ho an‘ireo izay tsy mahalala ny fahamarinana, tahaka ny nanaovana izany asa izany ho anao raha mbola tao amin‘ny fahamaizinana ianao. Tara loatra izao raha mbola hatory, tara loatra raha mbola hihamalaina tsy hanao na inona na inona. Nomen‘ny tompon-trano asa ny tsirairay Andeha isika handroso fa tsy hihemotra. Ilaintsika ny miova fo isan‘andro isan’andro. Tiantsika raha ny fitiavan’i Jesôsy no hanetsiketsika ny fontsika, mba hahatonga antsika ho fitaovam-pamonjena fanahy maro. - RH, 10 Jona 1880.FK 128.2

    Takin‘i Jesôsy Tompo raha ny fanahy tsirairay avy izay milaza ho zanany lahy sy zanany vavin’Andriamanitra no tsy hiala amin’fahotana rehetra fotsiny, fa hitombo amin’asa soa sy fandavan-tena ary fanetren-tena. Nasehon’ Tompo ny fiasan‘ny lalàn‘ny saina sy ny asa izay tokony hampitandrina antsika mikasika ny asantsika. Hoy Izy: “Izay tsy manana na dia ny kely ananany aza dia halaina aminy». Ireo izay tsy mampiasa ho amin’tsara ireo tombontsoa fanararaotra nomena azy, izay tsy mampiasa ny fahasoavana nomena azy, ka mihamihena hatrany ny fironany hanao izany, dia hatory tsy hanao na inona na inona amin’farany ary ho very izay nananany teo aloha. Tsy mitsinjo ny vodiandro ho merika izy, dia amin’fotoana izay ilàna fanandramana mivelatra kokoa, sy ny fahazoana fahalalana ny zavatra momba an’Andriamanitra misimisy kokoa, mba ho afaka hijoro izy ireo rehefa tonga ny fitsapana sy ny fakam-panahy. Rehefa tonga ny fanenjehana sy ny fakam-panahy, dia ho very ny fahasahiana sy finoana nananan’ireo antokon’olona ireo, ary hikoro ny fototra niorenan’izy ireo, satria tsy nahita ny ilàna ny fanaovana fototra azo antoka izy ireo. Tsy nafantsiny tamin’ilay Vatolampy mandrakizay ny fanahiny. - RH, 27 Mar. 1894.FK 128.3

    Hahatsiravina manao ahoana re amin’andro farany lehibe raha hahita fa ireo izay nikambana nifankazatra no ho tafasaraka amintsika ho mandrakizay; hijery ireo mambran’fianakaviantsika, mety ho ny zanantsika, tsy voavonjy; hahita ireo izay nitsidika ny tokantranontsika, ary nihinana teo amin’latabatsika, anisan’ireo izay very. Izay isika vao hanontany ny tenantsika: moa ve noho ny tsy faharetako, na noho ny toetrako tsy manahaka an’i Kristy; moa ve noho izaho tsy nahafehy ny tenako no nahatonga ny fivavahan’i Kristy hanjary harikoriko azy ireo?FK 129.1

    Tsy maintsy hampitandremina ny amin’fiavian’Tompo tsy ho ela intsony izao tontolo izao. Tsy manana afa-tsy fotoana kely hiasana isika. Taona maro no nivalona ho any amin’mandrakizay izay tokony ho nampiasaina ho amin’tsara, dia ny fikatsahana aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny fanaparitahana ny fahazavana amin’hafa. Miantso ny vahoakany ankehitriny izay manana fahazavana lehibe sy miorina tsara amin’fahamarinana Andriamanitra, nanana asa betsaka napetraka tamin‘izy ireo, mba hiasa ho an‘ny tenany sy ho an‘ny hafa tahaka izay tsy mbola nataony mihitsy tamin‘ny lasa. Aoka hampiasaina ireo fahafaha-manao rehetra; hampiasaina ireo hery rehetra, ireo talenta nankinina tamin‘ny tsirairay; ampiasao ny fahazavana izay nomen’Andriamanitra anao mba hanaovan-tsoa ho an‘ny hafa. Aza miezaka ny ho tonga mpitoriteny, fa aoka ho tonga mpanao asa fanompoana ho an’ Andriamanitra. - SW, 20 Jona 1905.FK 129.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents