Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Valisoa Ankehitriny

    Hasambarana — Ireo izay manolotra ny fiainany amin’ny fanompoana an’i Kristy dia mahafantatra ny dikan’ny tena fahasambarana. Mahatakatra lavitra ny tanjona kendreny sy ny vavaka ataony. Mihamitombo hatrany izy rehefa manampy ny hafa. Lasa mifankahazatra amin’ilay drafitra lehibe indrindra izy, ilay asa lehibe indrindra, ary fomba ahoana no hahafahany mitombo rehefa mametraka ny tenany ho fantsona avy amin’Andriamanitra hahazoana hazavana sy fitahiana? Ny sasany mahazo fahendrena avy amin’ny lanitra. Lasa miray hevitra amin’i Kristy hatrany hatrany izy amin’ny drafitr’asany rehetra. Ary tsy misy ny fotoana hisian’ny torimaso arapanahy. — TFC, b 9, t. 42.FK 376.1

    Fiangonana sambatra izay fiangonana mirotsaka amimpahombiazana amin’izany asa izany. Nametrahana izany asa masina izany ny lehilahy na ny vehivavy manana saina hangoraka sy ho tia ny mpanota, sy miasa mba hitondra azy ho eo amin’ny valan’Ilay Mpiandry ondry lehibe. Ary maharavoravo saina manao ahoana re izany mieritreritra hoe misy fifaliana lehibe lavitra any an-danitra satria voaavotra ny mpanota iray noho ny olo-marina sivy amby sivy folo! — TFC, b. 2, t. 22.FK 376.2

    Tsy misy asa mampijaly izany ho an’izay manolo-tena amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. “Ny fanaovana izany amin’Andriamanitra’’ no fiheverana fa fanekena amimpitsikiana izay asa rehetra omen’Andriamanitra atao. — TFC, b. 9, t. 150.FK 376.3

    Mahafantatra ny Kristianina mpiasa fa tsy misy asa mampijaly amin’ny asa anirahan’ny lanitra. Miditra amin’ny fifaliann’ny Tompony izy rehefa mahita fanahy afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana; ary izany fifaliana izany no mahatohitra azy amin’ny fikomiana amin’ny tena rehetra. - SW, 02 Apr. 1903.FK 377.1

    Asa be voninahitra, mahafaly ny Lanitra ny hoe ho tonga mpiasa hiasa mafy, ka hanohy tsara hatrany amim-paharetana ny asa izay mitaky fikelezana aina. — TFC, b. 2, t. 24.FK 377.2

    Mahafaly an’i Kristy ny mandray an-tanana ireo fitaovany izay tsy misy fanantenana intsony, dia ireo izay nivaivain’i Satana sy niasany tamin’ny alalany, ka nahatonga azy hamabo ny voninahiny (...) Izy no manao ny zanany ho tonga iraka ho amin’ny fahavitan’ny asany, sy ny fahombiazan’izany, na eo amin’izao fiainana izao aza, dia mahita valisoa sarobidy izy. — TFC, b. 6, tt. 308, 309 .FK 377.3

    Fitahiana — Ny fiezahana atao ho an’i Kristy dia hiverina ho fitahiana ho antsika (...) — HF, t. 309 .FK 377.4

    Ny adidy rehetra natao, ny fahafoizan-tena rehetra atao amin’ny anaran’i Kristy, no mitondra valisoa lehibe tsy hay lazaina. Eo am-panaovana ny asa iny indrindra no itenenan’Andriamanitra, sy hanomezany fitahiana. — TFC, b. 4, t. 145.FK 377.5

    Tokony hiaina amin’ity tontolo ity mba hahataona fanahy ho an’ny Mpamonjy isika. Raha mandratra ny hafa isika, dia mandratra ny tenantsika ihany koa. Raha mitahy ny hafa isika, dia mitahy ny tenantsika ihany koa; fa ny hery mangina an’ny fihetsika tsara rehetra dia misy fiantraikany amin’ny fontsika. - TFC, b. 4, t. 72.FK 377.6

    Hisy fiantrakany amin’ny fontsika ny tara-pahazavana rehetra miposaka amin’ny hafa. Ny teny rehetra maneho fangorahana sy hatsaram-panahy atao amin’ny malahelo, ny fihetsika rehetra manampy ny ory, ary ny fanomezana rehetra mitondra fanampiana ny namantsika, omena na atao ho voninahitr’Andriamanitra, dia hitondra fitahiana ho an’izay manao izany. Mankatò ny lalàn’ny lanitra, noho izany, ireo izay miasa, ka hahazo fankasitrahana avy amin’Andriamanitra. — TFC, b. 4, t. 56.FK 378.1

    Raha omena mandritra ny fiavian’i Kristy ny valisoa lehibe farany, dia mitondra valisoa ny fanompana an’Andriamanitra amin’ny fo madio, eny, fa na dia amin’izao fiainana izao aza. Tsy maintsy hisedra sakantsakana sy fanoherana ary fahakiviana mangidy manindrona fo ny mpiasa. Mety tsy ho hitany ny vokatry ny asany. Nefa eo am-piatrehana izany rehetra izany, dia ho hitany fa hisy valisoa feno fitahiana ny fikelezany aina. Miara-miasa amin’ny Tompon’ny voninahitra ireo izay manolotra ny tenany amin’ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena maha-olombelona. Ny fiheverana izany no manome mamy ny asany rehetra, mampahatanjaka sy manome herin-tsaina azy amin’izay rehetra mety hitranga. - TFC, b. 6, tt. 305, 306 .FK 378.2

    Fahasalamana — Fanafody tsara amin’ny aretina ny fanaovana soa. Izay mirotsaka ho amin’izany asa izany dia asaina hitsidika an’Andriamanitra, fa Izy efa nampanantena fa hamaly azy. Ho afa-po amin’ny vokatra ny fanahiny, ary izy ho toy ny saha voatondraka rano, izay misy rano mandrakariva. — TFC, b. 2, t. 29.FK 378.3

    Amin’ny firaisana amin’Andriamanitra sy i Kristy ary ny anjely masina, dia hodidinin’ny rivotry ny lanitra izy, rivotra izay mitondra fahasalamana ho an’ny vatana, hery ho an’ny saina, ary fifaliana ho an’ny fanahy. — TFC, b. 6. t. 306.FK 378.4

    Mampita fahazavana mitondra fahatsapana izay mandalo any amin’ny hozatra sy manafaingana ny fikorian’ny ra ary mitondra fahasalamana ho an’ny saina sy ny vatana, ny fahafinaretana avy amin’ny fanaovana soa amin’ny hafa. — TFC, b. 4, t. 56.FK 379.1

    Tanjaka — Avelao ho lavitra ny asa ny lehilahy matanjaka iray, fa ho tonga malemy izy. Tsy ho ela ny fiainan’olona iray na antokon’ olona no hiaritra fahalemena ara-panahy raha miala lavitra ny fitondrana ny enta-masatry ny hafa ka manalavitra azy. Ny asa no mihazona ilay lehilahy matanjaka mbola hatanjaka. Ary ny fikelezana aina, ny asa, ny fitondrana ny vesatra ara-panahy no hanome antsika tanjaka amin’ny Fiangonan’i Kristy. - TFC, b. 2, t. 22.FK 379.2

    Fiadanana — Amin’ny fanaovana izany amin’ny hafa no ahitana fahafaham-po mamy izay fiadanana ao anaty ho tonga valisoa manana amby ampy. Hahita fahasambarana noho ny fahafahana mahatoky amin’ireo adidy maro samy hafa eo amin’ny fiainana izy rehefa atosiky ny faniriana lalina hanao soa amin’ny hafa. Mitondra valisoa mihoatra lavitra noho ny an’ny tany izany; fa ny ady rehetra natao tamim-pahatokiana tsy misy fitiavan-tena dia ho voamariky ny anjely, ka hamirapiratra eo amin’ny bokin’ny fiainana.— TFC, b.2,t.132FK 379.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents