Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahaizana Mifandray Aman’Olona

    Ireo izay manolo-tena tanteraka amin’Andriamanitra dia hieritreritra sy hivavaka ary hifandray akaiky sy manokana amin’ny asany - ST, 29 May 1893.FK 323.4

    Raha mahay mifandray aman’olona sy mazoto ary mafana fo ny lehilahy iray dia hahomby amin’ny fandraharahana eo amin’ny ara-nofo. Ary raha entina eo amin’ny asan’Andriamanitra ny toetra toy izany dia hahitana fahombiazana, eny, ho roa avo heny mihitsy, satria hikambana amin’ny ezaka ataon’ny olombelona ny herin’Andriamanitra. - TFC, b. 5, t. 276.FK 324.1

    Mila fahaizana mifandray aman’olona sy fahendrena be ny asa fahazoam-panahy. Tsy mba nanafina velively ny fahamarinana ny Mpamonjy, fa notononiny tamim-pitiavana mandrakariva izany. Tamin’ny fifandraisany tamin’ny hafa dia nampihatra ny tena fahaizana nifandray taman’olona Izy, ary nalemy fanahy sy nandinika mandrakariva. Tsy mba nanao teny kivalavala Izy ary tsy nilaza teny henjana tsy amin’antony, tsy mba nanome alahelo ny fanahy mora taitra. Tsy mba notsininy ny fahalemen’ny olombelona. Nomelohiny tsy tamin-tahotra ny fihatsaram-belatsihy, ny tsy finoana, ny tsy fahatokiana, fa ranomaso no namaranany ny teniny raha teo am-panononana ny fananarana nanindrona nataony. Tsy mba nampandefitra ny fahamarinana velively izy, kanefa naneho fitiavana lalina mandrakariva ny olombelona. Sarobidy teo imasony ny fanahy tsirairay. Nitondra tena mandrakariva tamin’ny fahamendrehan’Andriamanitra Izy, nefa koa niondrika mba hijery amim-pitiavana lehibe indrindra ny mambra tsirairay ao amin’ny fiankavian’Andriamanitra. Fanahy izay nanirahana Azy hovonjena no hitany teo amin’ny olona rehetra. - GW, t. 117.FK 324.2

    Ny sasany izay tsy malina sy natosiky ny fihetseham-po kanefa fanahy mahatoky, aorian’ny lahateny voakendry iray natao, dia hanatona tampoka ireo tsy miaraka amintsika, sy hahatonga ny fahamarinana irintsika ho maharikoriko azy. “Ny zanak’izao tontolo izao dia ao amin’ny taranaka hendry noho ny zanaky ny mazava.” Mianatra fanajana ny lehilahy mpandraharaha sy ny mpanao pôlitika. Foto-kevitra ijoroany ny hahatonga azy hahasarika araka izay tratra. Ianarany ny hahatonga ny fiteniny sy ny fihetsiny ho toy izany mba hananany hery lehibe mahataona eo amin’ny sain’ireo mpomba azy. Ampiasainy amin’ny fomba kinga indrindra ny fahaizany amam-pahalalany hahatrarany io tanjona io. - TFC, b. 4, t. 68.FK 324.3

    Tsy maintsy omena ity hafatra ity, kanefa raha toa tsy maintsy omena izany dia tokony hitandrina isika mba tsy hampihemotra sy hampiasa saina na hanameloka ireo tsy manana ny fahazavana ananantsika. Tsy tokony hivaona amin’ny lalantsika isika ka handeha hanakiana ny Katôlika. Maro amin’ireo Katôlika no tena Kristianina marina, ka mandeha araka ny fahazavana eo aminy, fa Andriamanitra no hiasa ao aminy - TFC, b. 9, t. 243.FK 325.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents