Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mitantara Ny Fanandraman’ny Tena Manokana

    Ireo izay efa nitafy an‘i Kristy, dia hitantara ny fanandramana efa nataony, hanoritra ireo dingana nifandimbindimby vita tamin’nitarihan’Fanahy Masina azy. Hiresaka ny amin‘ny hanoanany sy ny hetahetany ny fahalalana an’Andriamanitra sy an‘i Jesosy Kristy Izay nirahiny izy, vokatry ny fikatsahany ny Soratra Masina, ireo fivavahany, ny fangirifirian’fanahiny, ary ny tenin‘i Kristy taminy hoe: «Voavela ny helokao” - Mat. 13:38. Tsy tokony ho fahita na eo amin’iza na eo amin’iza izany hoe: hitana ireo zavatra ireo ho tsiambaratelo, ary izay fenon’fitiavan‘i Kristy dia tsy hanao izany. Arakaraka ny hampahalalany ny haren-tsarobidin‘ny fahasoavan’Andriamanitra, dia hitombo hatrany arakaraka izany koa ny fahasoavan’i Kristy hozaraina aminy. - HF, tt 1013,102.FK 175.1

    Ampiasao ireo hery ara-panahy rehetra. Lazao amin’izay rehetra vanginao fa efa antomotra ny faran‘ny zavatra rehetra. Jesôsy Kristy tompo no hanokatra ny varavaran‘ny fon‘izy ireo ka hametraka vokatra maharitra ao an-tsain‘izy ireo. Ataovy ny ezaka rehetra hamohazana ireo lehilahy sy vehivavy amin‘ny tsy firaihany ara-panahy. Ambarao azy ireo ny fomba nahitanao an‘i Jesôsy sy hoe nanao ahoana ny fitahiana azonao hatramin’izay nitomboanao tamin’fanompoana Azy. Ambarao azy ireo izay fitahiana raisinao rehefa mipetraka eo an-tongotr’i Jesôsy ianao ka mianatra lesona sarobidy avy amin’Teniny. Ambarao azy ireo ny fifaliana sy firavoravoana misy eo amin’ fiainana kristianina. Ny teny mavitrika sy amin-kafanam-po ataonao dia handresy lahatra azy ireo fa nahita ilay perla lafo vidy ianao. Aoka ireo teny mampitraka sy mankahery ataonao haneho fa hitanao tokoa ilay lalana ambony indrindra. Izany dia tena asa fitoriana marina tokoa, ary raha tanteraka izany dia ho maro ireo hifoha toy ny avy nanonofy. - TFC, b. 9, t. 38.FK 175.2

    Ireo izay fitaovana ampiasain’ Andriamanitra dia mety hojeren’sasany ho toy ny tsy mahomby; nefa raha afaka mivavaka izy, raha toa ka afaka milaza ny fahamarinana amim-pahatsorana izy satria tia izany, dia hahatratra vahoaka amin’alalan’herin’Fanahy Masina. Rehefa mizara ny fahamarinana amim-pahatsorana izy ireo ka mamaky ny Teny na mampahatsiahy ireo zava-nitranga tamin’ fanandramana niainany, dia hamela ny diany ao amin’saina sy ny toetra ny Fanahy Masina. Manjary milefitra eo ambanin’sitrapon’Andriamanitra ny sitrapo; rehefa izany dia ho tonga ao am-po amim-paharesen-dahatra miaina ireo fahamarinana tsy azo teo aloha ka hanjary zava-misy arapanahy. - TFC, b. 6, t. 444.FK 176.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents