Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 19 - Sahan’Asa Eo An-Toerana

    Asa Mitovy Lenta Amin’ny Saha Any Ivelany

    Mifohaza, mifohaza, ry rahalahy sy anabavy, ary midira ao amin’ny saha eto Amerika izay mbola tsy niasana mihitsy. Aza mihevitra fa vita ny asanao rehefa nanome zavatra ho an’ny saha any ivelany Misy asa tokony hatao any ivelany, kanefa dia misy asa tokony hatao koa eto Amerika izay mitovy lenta amin’izany. Saika ahitana ny karazam-pitenenana avokoa ny tanàn-dehibe eto Amerika. Mila ny fahazavana nomen’Andriamanitra ny fiangonana izany - TFC, b. 8, t. 36.FK 280.1

    Raha natao ny drafitra hampitandremana ny mponina any amin’ny firenena samihafa any an-tany lavitra, dia mbola betsaka ny tokony hatao amin’ireo vahiny tonga manodidina eto amin’ny tany misy antsika. Tsy sarobidy kokoa noho ny sinoa tsy akory ny fanahy mialoka ao ambadiky ny varavarantsika. Tokony hiasa amim-pahatokiana any antany lavitra ny vahoakan’Andriamanitra, dia araka ny hanokafany lalana; ary tokony hamita ny adidiny amin’ny vahiny avy amin’ny firenen-tsamihafa ao an-tanán-dehibe sy ambanivohitra ary boriborin-tany manodidina akaiky azy izy ireo. - RH, 25 Jol. 1918.FK 280.2

    Ao an-tanánan’i New York, any Chicago, sy any amin’ny tanàn-dehibe feno olona, dia misy olona marobe samihafa, — avy amin’ny fienen-tsamihafa, ary saika tsy misy nahazo fampitandremana. Misy zotom-po lehibe ao amin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito — tsy milaza aho hoe be loatra — hiasa any amin’ny saha ivelan’ny tany misy azy; kanefa dia hahafinaritra an’Andriamanitra kokoa raha misy zotom-po mifanahantsahana amin’izany aseho amin’ny asa atao amin’ny tanàn-dehibe akaiky azy ireo. Ilain’ny vahoakany ny hiova. Ilain’izy ireo ny hiasa haingana dia haingana any amin’ny tanàn-dehibe. Tokony halefa any an-tanàn-dehibe ka hiasa ao ny olona manan-talenta sy feno fanolorantena. Tokony hivondrona hampitambatra ny ezaka ataony hampitandrina ny olona ny mpiasa avy amin’ny saranga samihafa. - RH, 25 Jol. 1918.FK 280.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents