Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Solontena Eny Amin’ny Fifamoivoizana

    Ireo izay mamaly ny antso atao ankehitriny ka miditra ao amin‘ny fanompoana ilay Tompon‘ny asa dia tokony hianatra tsara ny fomba fiasany. Nandritra ny asany teto an-tany dia hain‘ny Mpamonjy ny nanararaotra ireo hirika izay niseho teny amin‘ireo lalam-pifamoivoizana lehibe. Tao Kapernaomy no fijanonan‘i Jesôsy nanelanelana ireo dia nifamezivezy nataony, hany ka nanjary nantsoina hoe «tanànany” io tanàna io. Tena toerana afovoany tokoa ho an‘ny asan’Mpamonjy io tanàna io. Mandalo eo ny lalambe avy any Damaskôsy mankany Jerosalema sy Egipta ary ny ranomasina Mediteranea, tena lalam-pifamoivozana lehibe no teo. Vahoaka avy amin’tany samihafa no nandalo teo amin’io tanàna io na nitoetra tao hiala sasatra an’elanelan’ny fotoana fandehanany. Teo dia azon’i Jesôsy natao ny nihaona tamin’olona samy hafa fiteny sy sokajy, ireo manan-karena sy manam-pahefana, toy izany koa ireo mahantra sy tsotra; ary ny lesona nomeny dia tokony hoentina any amin’firenenkafa maro sy any amin’ireo tokantrano maro. Amin’ izany dia ho voahetsiketsika ny fanadihadiana ireo faminaniana; tokony hampitodiantsika amin’ Mpamonjy ny fifantohan’ olona, ary tokony hoentina any amin’izao tontolo izao ny iraka nomeny - TFC, b. 9, t. 121.FK 178.2

    Any amin’ireo foto-drafitr’asa ara-pahasalamana sy ireo ivontoerana ho an’fizahan-tany, izay ifamezivezen’ireo olona an’arivony mikatsaka fahasalamana sy fahafinaretana, dia tokony hisy mpitandrina sy mpampiely boky manana fahaiza-manao hisarihana ny fahalianan’ireo marobe. Aoka ireo mpiasa ireo hitady izay fomba hahazoany manambara ny hafatra amin’ fotoany sy hitarika kaonferansa araka izay hirika ananany. Aoka ho mailaka izy ireo amin’ fihazonana ireo hinka hiresahana amin’ olona. Miaraka amin’ herin’ Fanahy Masina dia aoka izy ireo hitondra amin’ olona ilay hafatra nentin’i Jaona Mpanao Batisa hoe: “ Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan’lanitra. ” - Mat. 3:2. Tokony hozaraina amin’ fomba mazava sy manan-kery ny Tenin’ Andriamanitra mba handrenesan’ ireo manan-tsofina ny fahamarinana. Amin’ izany dia ho voapetraka eo an-dalan’ izay tsy mbola mahalala azy ny Filazantsaran’ fahamarianana, ary tsy vitsy no hanaiky azy sy hitondra azy any amin’ misy azy manerana izao tontolo izao - TFC, b. 9, t. 122.FK 179.1

    Ny boky «Tanamasoandron’Fahasalamana» sy «Henoinareo ny Fanoharana» dia mifanaraka manokana amin’ireo ivon-toerana ho an’fizahan-tany koa tokony hatao izay azo atao rehetra mba hametrahana ireo asasoratra ireo eny an-tanan’ireo tia miala voly amin’alalan’famakiam-boky na manana fironana ho amin’izany - TFC, b. 9, t. 85.FK 179.2

    Tokony hajoro ireo trano fisakafoana ara-pahasalamana sy efitranao fitsaboana. Ny ezaka ataontsika eo amin‘izany sehatra izany dia tokony hahasahana koa ireo ivon-toerana amoron‘ny ranomasina. Tahaka ny nandrenesana ny feon‘i Jaona Mpanao Batisa tany an‘efitra hoe: «Amboary ny lalan’Tompo” no tsy maintsy handrenesana ny feon‘ireo mpitondra hafatry ny Tompo ao amin‘ireo ivontoerana momba ny fizahan-tany sy ny ranomasina. - TFC, b. 7, tt. 55,56.FK 180.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents