Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 3 - Ny Toetry Ny Vahoakan’Andriamanitra

    Tsy Ampy Ny Toe-Tsaina Misiônera

    Tsy misy afa-tsy kely ny toe-tsaina Misiônera eo anivon’Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Raha mifoha araka ny tokony ho izy ny mpitandrina sy ny olona, dia tsy hijanona tsy hiraika toy izao izy ireo, kanefa Andriamanitra nanome voninahitra azy ireo tamin’nanaovany azy ireo ho mpitahiry ny Lalàny, amin’fanoratana izany ao am-pon’izy ireo sy voasokitra ao an-tsainy. - TFC, b. 3, t. 202.FK 47.1

    Tsy hita ao amin’fiangonana intsony ny tena toe-tsaina Misiônera izay manao fanekem-pinoana mivaivay; tsy miredareda ao am-pon’izy ireo intsony ny fitiavana fanahy sy ny faniriana hitarika azy ireo ho ao am-balan’i Kristy. Ilaintsika ny mpiasa mafana fo. Moa ve tsy misy na dia iray aza hamaly ny antso izay avy any amin’faritra rehetra manao hoe: « Midina mankaty aminay ka vonjeo izahay”? - TFC, b. 4, t. 156.FK 47.2

    Naseho ahy fa misy lesoka ao amintsika amin’maha-vahoaka antsika. Tsy mifanaraka amin’finoantsika ny asantsika. Ny finoantsika dia manamafy fa miaina amin’vanim-potoana izay anambarana ny hafatra miezinezina sy manan-danja indrindra izay tsy mbola nomena mihitsy ny mety maty isika. Kanefa amin’fahitana amin’fahafenoany izany toejavatra izany, ny ezaka ataontsika sy ny hafanam-po ary ny toe-tsain’fandavan-tena dia tsy azo ampitahaina amin’toetran’ilay asa. Tokony hitsangana amin’fahafatesana isika, ary hanome fiainana antsika i Kristy. - TFC, b. 2, t. 114.FK 47.3

    Marary ny foko rehefa mieritreritra ny fahakelezan’fahatsapan’fiangonantsika ny maha-tompon’andraikitra lehibe antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy ireo mpitandrina irery ihany no miaramila, fa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay misoratra anarana ao amin’tafik’i Kristy; ary moa ve izy ireo maniry ny handray ny adidin’miaramila, araka izay ohatra nomen’i Kristy azy ireo teo amin’fiainam-pandavan-tena sy ny sorona nataony. Inona no fandavan-tena asehon’fiangonana amin’mahafiangonana azy? Mety ho nanome fanomezana ara-bola izy ireo kanefa nihazona ny tenany. - GCB, 1893, t. 131 .FK 47.4

    Maro amin’ireo izay milaza ho mpanaraka an’i Kristy no tsy mahatsapa intsony ny enta-mavesatra amin’fanahy noho ny ataon’izao tontolo izao. Ny fahafinaretan’maso sy ny rehaka momba izao fiainana izao, ny fitiavan-kiseho, ny fitiavana izay hampahametimety ny fiainana no mampisaraka ireo izay milaza azy ho Kristianina amin’Andriamanitra, ary raha ny tena marina dia tsy misy afa-tsy kely fotsiny ny toe-tsaina misiônera. Inona no azo atao mba hanokafana ny sain’ireo mpanota ao Ziona, ary hahatonga ny mpihatsarivelatsihy hangovitra? - GCB, 1893, t. 132 .FK 48.1

    Misy antokon’olona iray izay aseho amin’alalan’Meroza. Tsy nihazona ny fanahiny mihitsy ny toe-tsaina misiônera. Tsy nanetsika azy ireo hanao asa ny antso amin’asa misiônera any ivelany. Inona no fanazavana omen’ireo an’Andriamanitra, dia ireo izay tsy nanao na inona na inona tamin’asany, tsy nanao na inona na inona mba hahazoana fanahy ho an’i Kristy? Ny olona toy izany dia handray ny fiampangana hoe: «Mpanompo kamo sady ratsy fanahy» - HS, t. 290.FK 48.2

    Ho fanehoana an-tsary ny tsy fahombiazana avy aminao tsy hitranga hanao ny asan’Andriamanitra, araka ireo tombontsoa nomena anao, dia mindrana ireto teny ireto aho: « Ozòny Meroza, hoy Ilay Anjelin’i Jehovah, Ozòny dia ozòny ny mponina ao satria tsy mba tonga hanampy an’i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’i Jehovah hamely ny mahery.” - TFC, b. 2, t. 247.FK 48.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents