Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Maintsy Misy Asa

    Naseho ahy fa miandry fiovana hiseho ny vahoakan’ Andriamanitra, - hery manosika izay hameno azy ireo. Ho diso fanantenana anefa izy ireo satria diso izany hevitr‘izy ireo izany. Tsy maintsy miasa izy ireo; tsy maintsy mirotsaka amin‘ny asa izy ireo, ary mangataka amin-kafanam-po amin’ Andriamanitra, ny fahalalana marina ny asa miandry azy ireo. Tena ampy hampifoha antsika ny hatsaran‘ireo toe-javatra izay nandalo teo anoloako, ka hampirisika antsika hizara ny fahamarinana ho ao am-pon‘ireo rehetra izay te hihaino izany. Efa masaka tsy ho ela intsony ho amin‘ny fijinjana ny tany. - TFC, b. 1. t. 261.FK 116.1

    Ny zavatra rehetra eo amin‘ny tontolo dia miantso ireo izay mahalala ny fahamarinana hanolo-tena tanteraka ho amin’fitoriana ny fahamarinana tahaka izay nampifanarahana izany tamin‘izy ireo ao amin’hafatry ny anjely fahatelo. Izay rehetra hitantsika sy rentsika dia miantso antsika ho amin’adidintsika. Ny fiasan‘ny masoivohon’i Satana no miantso ny Kristianina tsirairay avy mba hijoro amin’anjarany. - TFC, b. 9, tt. 25, 26 .FK 116.2

    Ny hafatra momba ny fiavian’i Kristy tsy ho ela intsony no omena ny firenena rehetra eto an-tany. Fiambenana, fiezahanaFK 116.3

    tsy mety sasatra no takina mba handresena ny herin’fahavalo. Ny anjara asantsika dia tsy ny hipetraka intsony ka hitomany sy hanohon-tanana, fa hifoha sy hiasa ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’mandrakizay. - SW, 26 May 1902 .FK 117.1

    « Manaova zavatra, ataovy haingana izany, amin’herinao rehetra; Hiraviravy ny elatry ny anjely raha mbola mijanona tsy miasa mandritra ny fotoana ela; Ary hitsahatra tsy hitahy intsony Andriamanitra satria tsy manao na inona na inona.» - TFC, b. 5, t. 308. FK 117.2

    Aoka tsy hisy na dia iray aza hihevitra fa manana fahalalahana izy hanakombona ny tanany ka tsy hanao na inona na inona. Tsy azo tanterahina mihitsy ny hamonjy, na dia olona iray aza, izay ao amin’fitsilamodamohana sy ny tsy fanaovana na inona na inona. Hevero izay notanterahin’i Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany.FK 117.3

    Endrey nanao ahoana ny hafanam-pony sy ny fiezahany tsy mety sasatra! Tsy nisy na inona na inona navelany hampitodika Azy hiala amin’asa izay nomena azy. Moa manaraka ny dian-tongony va isika? — CEv, t. 38 .FK 117.4

    Ny masoivohon’ lanitra sy ny olombelona no mitambatra eo amin’ asa famonjena fanahy. Manao ny Anjarany Andriamanitra, koa ilaina ankehitriny ny fandraisan’ Kristianina anjara. Miantso ho amin’ izany Andriamanitra. Andrasany ny andraisan’ vahoakany anjara amin’ fanehoana ny fahazavan’ fahamarinana amin’ firenena rehetra. Iza no hirotsaka ho mpiara-miombona antoka amin’ i Jesôsy Kristy Tompo? - RH, 01 Mar 1887 .FK 117.5

    Tsy maintsy ho fiangonana miasa ny fiangonana raha te ho fiangonana velona. Tsy tokony hionona fotsiny amin’ fihazonana ny taniny tsy ho azon’ fahavalo dia ny fahotana sy ny fahadisoana, na hionona fotsiny amin’ fandrosoana mihisatra, fa tokony hitondra ny ziogan‘i Kristy, ary hitovy famindra amin’Ilay Mpitarika, mahazo mpirotsaka an-tsehatra vaovao eny an-dalana. - RH, 04 Aog. 1891.FK 117.6

    Fotoana kely fotsiny sisa no ananantsika mba hamitana ny ady; dia ho avy i Kristy, ary hifarana ity sehatry ny fikomiana ity. Noho izany, ny ezaka farany ataontsika dia tokony hiasana miaraka amin’i Kristy sy ho fampandrosoana ny fanjakany. Ny sasany nijoro teo an-doha laharana teo amin‘ny ady, nanohitra tamin-kafanam-po fatratra ny faharatsiana tamy nanatona, lavo teo an-tany fiadiana; ny hafa nibanjina tamin’alahelo ireo mahery fo lavo ireo, kanefa tsy nanana fotoana hitsaharana hiasa. Tsy maintsy nameno ny laharana izy ireo, nandray ny faneva teny an-tanan‘ireo tsy afa-nihetsika intsony noho ny fahafatesana, ary tamin-kery vaovao no nijoroany tamin‘ny fahamarinana sy ny voninahitr‘i Kristy. Fanoherana tahaka izay tsy mbola nisy mihitsy tamin’lasa no tsy maintsy atao hanoherana ny fahotana, hanoherana ny herin‘ny fahamaizinana. Mitaky fihetsehana feno hery sy fanapahankevitra hentitra avy amin‘ireo izay mino ny fahamarinana ankehitriny izao fotoana izao. Tokony hampianatra ny fahamarinana amin‘ny alalan‘ny fitsipika sy ny ohatra izy ireo. - RH, 25 Okt. 1881.FK 118.1

    Miantso ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito any amin’ toerana tsirairay avy ny Tompo ankehitriny mba hanolo-tena ho Azy, ary hanao ny tsara indrindra azony atao, arakaraka ny toe-javatra miseho eo aminy, mba hanampy amin’Asany. - TFC, b. 9, t. 132 .FK 118.2

    Tsy miara-dalana mifampitantana ny hakamoana sy ny fivavahana; ary ny tsy fanaovana na inona na inona eo amin’asan’Andriamanitra no anton’fahalemena lehibe eo amin’fiainana sy ny fanandramana kristianina. Hihamalemy sy tsy hisy ilàna azy ny hozatra eo amin‘ny vatanao raha tsy ampiasaina mandrakariva, ary tahaka izany koa eo amin‘ny toetra ara-panahy. Raha tianao ny hatanjaka dia tsy maintsy mampiasa ny herinao ianao. - RH, 13 Mar. 1888.FK 118.3

    Tokony ho mpiasa mafana fo sy malina isika; zava-manan‘aina mampahonena ny olona kamolahy. Kanefa inona no fialantsiny azo omena noho ny fitsilamodamohana amin’asa lehibe izay nanoloran‘i Kristy ny ainy ny fanantanterahana azy? Hitsahatra tsy hisy intsony ny fahalalana ara-panahy raha tsy ampiasaina, ary ny kendren’i Satana dia ny hahavery azy rehetra ireo. Ny lanitra manontolo dia mirotsaka an-tsehatra amim-pahavitrihana amin’asa fanomanana ny olona ho amin‘ny fiavian‘i Kristy fanindroany eto amin’ity izao tontolo izaontsika ity, ary «mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika!». Akaiky ny faran‘ny zavatra rehetra. Izao no fotoana mety azontsika hararaotina hiasana. - RH, 24 Jan 1893.FK 119.1

    Fo misiônera no ilaina. Voka-tsoa kely fotsiny no ho azo amin’ ireo ezaka mitsitapitapy. Tsy maintsy afantoka (amin‘ ny asa) ny saintsika. Tsy maintsy manana hafanam-po lalina isika. - T, b. 9, t. 45 .FK 119.2

    Misy eo anivontsika ireo izay raha mba manokana fotoana hieritreretana dia hahita ny toerana misy azy tsy manao na inona na inona, ho toy ny manao an-tsirambina feno fahotana ireo talenta nomen’ Andriamanitra azy ireo; - TFC, b. 6, t. 425.FK 119.3

    Inona no toerantsika eto amin‘ izao tontolo izao? Eo amin’ fotoana fiandrasana isika. Kanefa izany vanim-potoana izany dia tsy tokony holaniana amin‘ ny fanokanan-tena manjavozavo. Ny miandry sy ny miambina ary ny miasa amim-pahamalinana no tokony hampiarahina. Tsy tokony ho fihazakazahana sy fivezivezena ary fanaovana drafitra ny amin‘ny zavatr’izao tontolo izao avokoa ny fiainantsika, ka hanao tsinontsinona ny toe-panahy araka an‘ Andriamanitra ananan’ tena manokana sy ny asa fanompoana izay takin’ Andriamanitra. Raha tsy tokony ho kamo isika eo amin’ asa aman-draharaha dia tokony hanana fahazotoana ara-panahy koa isika amin’ fanompoana ny Tompo. Tsy maintsy ho voakarakara tsara mandrakariva ny fanilon’ fanahy, ary tsy maintsy manana ny soliky ny fahasoavana anaty tavoara miaraka amin’ fanilontsika isika. Tsy ampiasaina ny fitandremana rehetra mba hiarovana ny fitotonganana arapanahy, mba tsy hahatratra antsika tahaka ny mpangalatra ny Andron’ Tompo. - TFC, b. 5, t. 276.FK 119.4

    Miaina amin’vanim-potoana izay tsy tokony hisian’fitsilamodamohana ara-panahy isika. Tsy maintsy fahanana amin’rian’aina avy any an-danitra ny fanahy tsirairay avy. - TFC, b. 8, t. 169.FK 120.1

    Fenoy amin’ireo asa soa rehetra azonao atao ity fiainana ity. - TFC, b. 8, t. 488.FK 120.2

    Tian’i Jesôsy raha ho tonga mpiasa mafana fo ireo rehetra manaiky ny anarany. Tena ilaina ny hiorenan’ mambra tsirairay avy eo ambonin’i Jesôsy Kristy vatolampy. Hitranga ny tafiotra izay hanozongozona sy hizaha toetra hatramin’ farany ny fanorenana ara-panahin’ tsirairay. Noho izany fadio ny manorina eo ambony fasika; tadiavo ny vatolampy. Hadio lalina, aoka ho azo antoka ny fototra aorinao. Manorena, manorena ho amin’ mandrakizay! Manorena an-dranomaso, amim-po vontom-bavaka. Aoka ny tsirairay avy aminareo, manomboka izao, hanatsara ny fiainanareo amin’ alalan’asa soa. Kaleba no olona tena ilaina indrindra amin’izao andro farany izao. - TFC, b. 5, tt. 129, 130.FK 120.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents