Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Torimasom-Pahafatesana Avy Amin’i Satana

    Tokony horaisin’vahoakan’Andriamanitra ny fampitandremana ary ho hainy ny hanavaka ireo famantarana ny fotoana. Mazava loatra tsy misy hisalasalana ny famantarana ny fiavian’i Kristy; ary eo am-pahitana ireny zavatra rehetra ireny ireo izay manaiky ny fahamarinana dia tokony ho mpitoriteny velona. Miantso antsika rehetra, na ny mpitoriteny na ny olon-tsotra, Andriamanitra mba hifoha. Dodona ny lanitra manontolo. Hifarana tsy ho ela ny tantaran’tany. Eo anivon’ ireo loza amin’andro farany isika. Eo anoloantsika ireo loza mitatao goavana kokoa, kanefa dia tsy mbola mifoha isika. Mampatahotra ny tsy fahampian’asa atao sy ny hafanampo amin’asan’Andriamanitra. Torimasom-pahafatesana avy amin’i Satana izany - TFC, b. 1,tt. 260,261 .FK 50.1

    Manodidina ireo fiangonana, tahaka ny lambam-paty, ny tsy finoana, satria tsy mampiasa ireo talenta nomen’Andriamanitra azy izy ireo, amin’alalan’fizaràna ny fahazavana amin’ireo izay tsy mahalala ny fahamarinana sarobidy. Miantso ireo fanahy voavela heloka ny Tompo, ireo mifaly ao amin’fahazavana, mba hampahafantatra ny fahamarinana amin’hafa. - GCB, 1893, t. 133 .FK 50.2

    Tadiavin’i Satana ankehitriny ny hihazona ny vahoakan’ Andriamanitra ao amin’toeran’tsy fanaovana na inona na inona, hihazona azy ireo tsy hanao ny anjarany amin’fanaparitahana ny fahamarinana, mba hahatonga azy ireo amin’farany holanjaina eo amin’mizana ka ho hita fa tsy ampy lanja. - TFC, b. 11. 260 .FK 50.3

    Tandindomin-doza ny olombelona. Vahoaka marobe no eo am-bavahoana. Nefa mba manao ahoana moa no fiandraiketan’izay milaza ho mpanaraka an’i Kristy ireo fanahy ireo. Efa mihantona eo amin’mizana ny anjaran’izao tontolo izao, nefa izany dia saiky tsy mampihetsi-bolo akory na dia ireo izay mihambo fa mino ity fahamarinana mahataka-davitra indrindra amin’izay efa nomena ny olona mety maty ity aza. Misy banga eto, dia ilay fitiavana nitarika an’i Kristy handao ny fonenany tany andanitra ka handray ny endrik’olombelona hanintona azy ho eo amin’Andriamanitra. Toy ny azon’ fahadontoana sy ny fahalemen’ozatra ara-panahy ny vahoakan’Andriamanitra, ka tsy mahatsapa intsony ny adidy izay mitambesatra aminy amin’izao ora izao. - HF, t. 263 .FK 51.1

    Satana dia mampiasa ny tsy firaihan’Kristiana tsy misy fitiavana, rendremana sy mitsilamodamoka, mba hampitombo ny tafiny ka hahazoany fanahy hiandany aminy. Betsaka ireo izay mihevitra fa na dia tsy manao asa mivantana ho an’i Kristy aza izy dia miandany Aminy; nefa ireo no manampy ny fahavalo hibahan-toerana sy hahazo tombontsoa. Ny tsy fahombiazany ho tonga mpiasa mazoto ho an’Tompo, ny famelany ireo adidy, ny teny soa tsy nataony, dia namelany an’i Satana ho afaka hambabo ny fanahy izay nety ho azo ho an’i Kristy. — HF, t. 240.FK 51.2

    Rehefa mianatra ny Soratra Masina aho, dia manahy ny amin’Isiraelin’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Ampirisihina mba handositra ny fanompoan-tsampy izy ireo. Matahotra aho fa matory izy ireo, ary tena manahaka an’izao tontolo izao ka ho sarotra ny hanavaka ireo izay manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy. Mihalehibe ny elanelana mampisaraka an’i Kristy sy ny vahoakany, ary mihakely ny mampisaraka azy amin’izao tontolo izao. Saika manjavona ny marika hanavahana ireo izay milaza ho vahoakan’i Kristy sy izao tontolo izao. Tahaka ny Isiraely fahiny, manaraka ireo fahavetavetan’firenena manodidina azy izy ireo. - TFC, b. 1, t. 277 .FK 51.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents