Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Iraka Avy Amin’Andriamanitra

    Ny asa izay nataon’mpianatra no tokony hataontsika koa. Tokony ho misiônera ny Kristianina tsirairay. Tokony hanompo ireo izay mila fanampiana amim-pitiavana sy amim-pangorahana isika, ka hitady amin-kafanam-po tsy miaro fitiavan-tena izay hahamaivana ny fijalian’olombelona. - TMF, t. 60.FK 29.4

    Talohan’niakarany tany an-danitra dia napetrak’i Kristy tamin’mpianany ny asa nanirahany azy. Nolazainy taminy fa ho mpanatanteraka ny didim-pananany izay namelany ny haren-tsarobidin’fiainana mandrakizay ka ho lova ho an’izao tontolo izao izy ireo. - VM, t. 27.FK 30.1

    Samy manana anjara amin’andraikitra napetraka tamin’mpianatra ny mpino amin’fotoan’andro rehetra. Izay nandray ny Filazantsara dia nomena fahamarinana masina hozaraina amin’izao tontolo izao. Misionera manafika hatrany ny vahoakan’Andriamanitra, mahatoky ka manokana ny fananany ho voninahitr’Andriamanitra ary mampiasa amim-pahendrena ny talentany ho amin’fanompoana Azy - VM, t. 98.FK 30.2

    Ny iraka momba ny filazantsara no dinam-pitoriana lehibe eo amin’fanjakan’i Kristy. Natao hiasa amin-kafanampo ho an’fanahy ny mpianatra, ka hanolotra ny antson’famindrampo ho an’rehetra. Tsy tokony hiandry ny olona hanatona azy izy; tokony ho any amin’olona izy miaraka amin’hafatra nampitondraina azy. - VM, t. 27.FK 30.3

    Natao hanohy ny tena asa izay nataon’i Kristy, fony tety an-tany Izy, ny mpitondra hafatr’Andriamanitra. Tokony hanolotra ny tenany izy ireo amin’sehatr’asa rehetra izay notanterahiny. Amin-kafanam-po sy fahitsiam-po no ilazany amin’olona ny harena tsy hita lany sy ny haren-tsarobidin’lanitra tsy mety maty. - TFC, b. 9, t. 130.FK 30.4

    Nomena antsika ihany koa ny iraka nomena ny mpianatra. Ankehitriny, tahaka ny tamin’izany, dia natao hasandratra eo anoloan’ireo izay manana an‘Andriamanitra sy tsy manana fanantenana eo amin’izao tontolo izao ny Mpamonjy nohomboana tamin’hazo fijaliana sy nitsangana tamin’maty. Miantso (olona) ho Pasitora sy Mpampianatra ary mpitory ny filazantsara ny Tompo. Natao hitory isambaravarana ny hafa-pamonjena ny mpanompony. Amin’firenena rehetra sy ny fokom-pirenena rehetra ny samy hafa fiteny sy ny olombelona no itondrana ny vaovao mahafalin’famelan-keloka amin’ny alalan’i Kristy. Tsy fomba fiteny malemilemy, tsy misy aina no anomezana ny hafatra, fa amin’fomba fiteny mazava sy hentitra, ary manetsiketsika. An-jatony no miandry ny fampitandremana mba handosirany hamonjy ny ainy. Mila ny hahita eo amin’Kristianina ny porofo mibaribarin’herin’fivavahana kristianina izao tontolo izao. Tsy any amin’toerana vitsivitsy fotsiny fa manerana izao tontolo izao no ilàna ny hafa-mpamindrampo. - GW, t. 29 .FK 30.5

    Rehefa niakatra ho any an-danitra i Jesôsy, dia nanankina ny asany teto an-tany tamin’ireo izay nandray ny fahazavan’filazantsara. Natao hampandroso ny asa mandra-pahavitany izy ireo. Tsy nanome solotena hafa izy hitory ny Fahamarinany. «Koa mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’olombelona rehetra”. «Ary indro Izaho momba anareo ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao”. Mahatratra antsika amin’vanim-potoana rehetra izany iraka miezinezina izany. Navelan’Andriamanitra amin’fiangonany ny andraikitra handray na handà izany. - HS, t. 288 .FK 31.1

    Eo amintsika ny andraikitra masina. Nomena antsika ny iraka: — Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao - Mat 28:19, 20. Natokana ho amin’asa fampahafantarana ny filazantsaran’famonjena ianareo. Ny fahatanterahan’lanitra no ho herinareo. - TFC, b. 9, tt. 20,21 .FK 31.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents