Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mpamaky Lay Eo Amin’ny Asa Sy Ny Fandavan-Tena

    Tsy maintsy maneho fitokisana amin’tanorantsika isika. Tokony ho mpamaky lay any amin’ireo asa izay ilàna fiezahana mafy sy fandavan-tena izy ireo, ka ireo mpanompon’i Kristy be andraikitra dia tokony horaisina amim-pitiavana ho mpanolotsaina, hampahery sy hitso-drano ireo izay mitondra kapoka mavesatra ho an’Andriamanitra. - CT, tt. 516,517 .FK 43.2

    Ilaina ny tanora. Miantso azy ireny any amin’saha misiônera ny Tompo. Saika malalaka izy ireo raha ampitahaina amin’hafa mikasika ireo adidy sy andraikitra, moramora kokoa ny hametraka eo amin’toerana andraisany anjara amin’asa noho ireo izay tsy maintsy manome fanabeazana sy fanohanana ireo fianakaviany marobe. Ankoatra izany, ny tanora dia afaka hampifandrindra ny fiainany mora foana amin’toetr’andro vaovao sy ny fiaraha-monina vaovao, ary afaka miaritra kokoa ireo zava-manahirana sy ny zava-tsarotra. Afaka hahatratra ny olona any amin’toerana izay misy azy ireo izy amin’alalan’fahaizana toetr’olona hahafahana manatona azy, sy ny fikirizana. - TC, t. 517.FK 43.3

    Maro amin’ireo tanora izay nahazo fanabeazana araka ny tokony ho izy tany an-tokantranony no tokony hofanina amin’asa fanompoana, ary hampirisihina ny hanandratra ny fanevan’fahamarinana eo amin’toerana vaovao amin’asa amim-pahatokiana sy nalamina tsara. Hahazo ny karazam-panofanana tsara indrindra izy ireo amin’alalan’fanakambanana azy amin’ireo mpitandrina sy ireo mpiasa efa manana fanandramana amin’asa eny an-tanàn-dehibe. Miasa eo ambany fitarihan’Andriamanitra, sy tohanan’vavak’ireo namana mpiara-miasa manana fanandramana kokoa, afaka manao asa tsara sy feno fitahiana. Raha manambatra ny asany amin’an’ireo mpiasa zokiny kokoa izy ireo, mampiasa ny herin’fahatanorany amin’zavatra mahasoa indrindra, dia hanana ny fisakaizan’anjelin’lanitra izy ireo; ary amin’maha-mpiaramiasa amin’Andriamanitra azy dia tombontsoan’izy ireo ny hihira sy ny hivavaka ary ny hino sy hiasa amim-pahasahiana sy amin-kalalahana. Ny fahatokiana sy fahatokisana izay hoentin’fanatrehan’solontenan’lanitra ho azy ireo sy ny mpiasa namany no hitarika amin’vavaka sy ny fiderana ary ny fahatsoran’finoana marina. - TFC, b. 9, t. 119 .FK 44.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents