Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahazavana Ao Amin’ny Haizina

    Amin’ireo mponina eto an-tany miely patrana any amin’ny firenena rehetra any, dia misy olona tsy mampilefitra ny lohaliny tamin’i Bala. Tsy misy hafa amin’ireo kintana tsy mitranga raha tsy amin’ny alina no hampamirapiratra azy ireo, rehefa mandrakotra ny tany ny haizina ary mandrakotra ny vahoaka ny tsy fahalalana. Any Afrika manompo sampy, any amin’ny tany katolikan’i Eoropa sy Amerika Atsimo, any Sina, any India, any amin’ireo nosy lavitra any, ary any amin’ny toerana faran’izay mihataka indrindra eto amin’ny giloby, dia manana habakabaka iray misy ireo fanahy tsongoin’olombolo ny Tompo, izay hiseho amin’ny famirapiratany rehetra eo anivon’ny haizina, hanambara mazava amin’izao tontolo izao nihemotra ny hery mahaova amin’ny famirapiratany rehetra eo anivon’ny haizina, hanambara mazava amin’izao tontolo izao nihemotra ny hery mahaova amin’ny fankatoavany ny Lalàny. Hitantsika miseho dieny ankehitriny amin’ny firenena rehetra, amin’ny vahoaka rehetra, amin’ny fokom-pirenena sy amin’ny fiteny rehetra izy ireo. Amin’ ny fotoanan’ny fihemorana lehibe, rehefa manandrana manao fiezahana fara tampony i Satana mba hahatonga ny «olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo» - Apôk. 13:16 - handray ny tombokasen’ny fankatoavana ny andro fitsaharana sandoka raha tsy te ho faty, ireo olona mahatoky ireo izay «tsy misy pentina na fiketronana na izay toy izany>>, dia hamirapiratra «tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao» - Fil. 2:15. Arakaraka ny hampahamaizina ny alina no hampamirapiratra ny fahazavany. - MM, t. 154.2.FK 232.1

    Handre ny feon’ny tena Mpiandry ondry ny ondry tena izy, rehefa hisafoaka marina eto amintsika ny tafio-drivotry ny fanenjehana. Hisy ezaka lehibe tsy hijerena ny tena intsony hatao mba hamonjena ny very, ary ireo marobe izay efa niala tamin’ny andiany, dia hiverina indray hanaraka ilay Mpiandry ondry lehibe. - AST, Supplement, 26 Jan. 1903.FK 233.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents