Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Vokatra Azo Antenaina

    Raha ny mambra laika ao amin’ny fiangonana no hitsangana hanao ny asa azony atao, hianto-tena any an’ady ary hahafantatra fa be tokoa no azony tanterahina eo amin’ny fahazoana fanahy ho an’i Jesôsy, dia maro no ho hitantsika hiala amin’ny laharan’i Satana ka hijoro eo ambanin’ny fanevan’i Kristy. Azo antoka fa ho hitantsika ny famonjen’Andriamanitra raha hiasa araka ny fahazavana nomena azy avy amin’ireo teny fampianarana vitsivitsy ireo ny vahoakantsika. Hanaraka izany ny fifohazana mahagaga. Hiova fo ny mpanota, ary fanahy maro no hanampy isa ny fiangonana. - TFC, b. 8, t. 246.FK 260.1

    Tokony hahaliana fatratra ny mambran’ny fiangonantsika ny asa eo an-toerana sy ny asa any ivelany Fitahiana lehibe no ho tonga amin’izy ireo raha manao ezaka feno fahafoizantena izy amin’ny fametrahana ny fanevan’ny fahamarinana any amin’ny faritra vaovao. Hitondra tombontsoa sarobidy betsaka ho azy ny vola natokana ho amin’izany asa izany. Ireo vao niova fo kosa etsy an-danin’izay, vokatry ny hafaliany nandray ny fahazavana avy amin’ny Teny, dia hanome ny fahafaha-manaony amin’ny fitondrana ny fahazavan’ny fahamarinana any amin’ny hafa. - TFC, b. 9, t. 49.FK 260.2

    Fiovana mahatalanjona indrindra ho amin’ny tsaratsara kokoa no hoentin’ny ezaka feno fahafoizan-tena ataon’ny mambra laika, any amin’ireo saha tsy maha-te honina sy mahaketraka ny saina ary mampandositra ny mpiasa maro. Hahavita be tokoa ireo mpiasa feno fanetrentena ireo, satria feno faharetana sy fitozoana ny ezaka ataony, ary tsy mba miankina amin’ny herin’olombelona fa amin’Andriamanitra kosa, izay manohana azy ireo. Tsy ho fantatr’izao tontolo izao velively ny fatran’ny soa ataon’ireo mpiasa ireo. - TFC, b. 7, tt. 22, 23FK 260.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents