Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Zotom-po

    Zotom-po kristianina matotra no katsahina, - dia zotom-po izay haseho amin’ny asa ... Tsy misy hahasakana ny fanahy manana an’i Kristy tsy hanaiky Azy, mihoatra ny ranon’i Niagara najanona tsy hikoriana teo ambonin’ny hantsana. - TFC, b. 2, t. 233.FK 322.2

    Izay rehetra manaiky an’i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia haniry indrindra ny tombontsoa hanompo an’Andriamanitra. Raha mijery izay nataon’ny lanitra ho azy izy, dia voahetsiketsika amin’ny fitiavana tsy misy fetrany sy amin’ny fankasitrahana feno fiderana ny fony. Mazoto izy haneho mazava ny fankasitrahany amin’ny fanokanany ny fahaizany ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Iriny indrindra ny haneho ny fitiavany an’i Kristy sy ireo fananana novidin’ny Tompony. Tsiriritiny ny asa mafy sy ny zavatsarotra ary ny fahafoizan-tena. - TMF, t. 424 .FK 322.3

    (...) Misy saha midadasika ho an’i Marta, ilàna ny hafanampony ny asa marisika eo amin’ny fivavahana. Nefa aoka izy aloha hiara-mipetraka amin’i Maria eo an-tongotr’i Jesosy. Aoka hohamasinina amin’ny fahasoavan’i Kristy ny fahakingana, ny fahamailahana sy ny fahavitrihana; amin’izay ny fiainana dia ho hery tsy hita horesena hanao ny tsara. - IFM, t. 561 .FK 322.4

    Tamin’ny alalan’ny anaran’ny Tompo, nomban’ny faharetana tsy mety sasatra sy zotom-po tsy mety ritra no nanaovan’i Kristy ny Asany, ary isika dia hampandroso ny asan’ny Tompo. - TFC, b. 9, t. 25.FK 322.5

    Mila miala amin’ny fanaovana asa ara-pivavahana amin’ny fomba tokana mahazatra isika. Miasa eto amin’izao tontolo isika, kanefa tsy maneho fahavitrihana sy zotom-po ampy. Raha nanao ezaka bebe kokoa isika, dia ho resy lahatry ny fahamarinan’ny hafatra entintsika ny olona. Mampihemotra fanahy maro avy amin’ny kilasy ambony, izay mila mahita zotom-po lalina sy miezaka fatratra ary nohamasinina ny tsy fisian’ny fiovaovana sy ny fahalianana eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra. - TFC, b. 6, t. 417.FK 323.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents