Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fepetra Takina Hahazoana Izany

    Hirotsaka amin’izay rehetra mangataka ny mofon’aina hozarainy amin’ny namany ny Fanahy Masina. - TFC, b. 6, t. 90.FK 353.5

    Rehefa manolotra ny fontsika hiray amin’i Kristy isika, ka mahafoy ny fiainantsika hanaiky hanao ny asany, dia hirotsaka amintsika ny Fanahy Izay nirotsaka tamin’ny Apôstôly tamin’ny andron’ny Pentekôsta. — TFC, b. 8, t. 246.FK 354.1

    (...) Tsy noho ny fisakanana avy amin’Andriamanitra tsy akory no tsy hampikoriana ny haren’ny fahasoavany be dia be ho an’ny olona. - HF, t. 367.FK 354.2

    (...) Ary ny Fanahy dia miandry ny fangatahantsika sy ny fandraisantsika izany (...) - HF, t. 95.FK 354.3

    Koa satria io no fomba izay handraisantsika hery, nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezan’ny Fanahy isika? Nahoana no tsy ataontsika anton-dresaka, antom-bavaka sy toriteny izany? (...) - VM, t. 46.FK 354.4

    (...) Raha tsy hita araka izay tokony ho izy ny fahatanterahan’ny teny fikasana, dia satria tsy ankasitrahana araka izay tokony ho izy. Raha manam-paniriana an’izany ny rehetra, dia mety ho feno ny Fanahy (...)VM, t. 45.FK 354.5

    (...) Tokony handefa fangatahana isan’andro amin’Andriamanitra ny mpiasa tsirairay mba handraisany ny badsan’ny Fanahy isan’andro. Tokony hivory hangataka fanampiana manokana sy ny fahendrena avy any an-danitra ny fikambanan’ny Kristiana mba hahafantarany izay drafitra hatao sy hahatanterahan’izany amim-pahendrena. Tokony hivavaka amin’ny fomba manokana izy hanaovan’Andriamanitra batisa amin’ny fatra betsaka amin’ny Fanahiny ireo ambasadaoro nofidiny ho any amin’ny sahan’ny misiona (...) - VM, t. 46.FK 354.6

    Aoka ny Kristianina hahafoy ny ady rehetra, ka hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra ho famonjena ny very. Aoka izy ireo hangataka amim-pinoana ny fitahiana nampanantenaina, dia hirotsaka izany. — TFC, b. 8, t. 21.FK 354.7

    Tsy nangataka fitahiana ho an’ny tenany samirery ny mpianatra. Nitambesatra taminy ny lanjan’ny famonjena ny fanahy. Nanjary zava-nisy ho azy izany ny filazantsara hoentina amin’izao tontolo izao, ka notakiny ny hery izay nampanantenain’i Kristy. Avy eo dia nirotsaka ny Fanahy Masina, ary an’arivony no niova fo indray andro. — SW, 01 Aog. 1905.FK 355.1

    Nampanantena ny fanomezan’ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonany Kristy, ary ho antsika, tahaka ny an’ny mpianatra voalohany ny teny fikasana. Tahaka ny teny fikasana rehetra anefa, dia misy fepetra ny hanomezana izany. Betsaka ny mino sy milaza ho mitaky ny teny fikasan’i Jehovah; miresaka ny amin’i Kristy sy ny Fanahy Masina izy, nefa tsy mandray ny tombontsoa. Tsy mampilefitra ny fanahy hotarihin’ireo fiasan’Andriamanitra sy hofeheziny izy. Tsy azontsika ampiasaina ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no tokony hampiasa antsika. Miasa ao amin’ny vahoakany Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy na “ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”. Betsaka anefa no tsy hilefitra amin’izany. Maniry ny hitondra ny tenany izy Izany no antony tsy andraisany ny fanomezana avy any an-danitra. Izay miandry an’ Andriamanitra amim-panetrentena ihany, izay miambina mba handray ny fitarihany sy ny fahasoavany, no homena ny Fanahy. Miandry ny fangatahany sy ny fandraisan’izy ireo azy ny herin’Andriamanitra. Io fitahiana nampanantenaina io, rehefa takina amin’ny finoana, dia mitarika ny fitahiana hafa rehetra manaraka azy. Omena araka ny haren’ny fahasoavan’i Kristy izany, ary vonona Izy hanome izay ilain’ny fanahy rehetra araka ny fahazoan’izy ireo mandray. — IFM, tt. 725,726 .FK 355.2

    Tsy maharitra mandra-pahazavan’ny olona rehetra ny firotsahana lehibe ataon’ny Fanahin’Andriamanitra izay manazava ny tany manontolo amin’ny voninahiny, fa fantaro amin’ny alalan’ny fanandramana iainantsika kosa ny dikan’ny hoe “mpiara-miasa amin’Andriamanitra’’. Rehefa manana fanoloran-tena feno amin’ny fo manontolo ho amin’ny fanompoana an’i Kristy isika, dia hasian’Andriamanitra hasiny izany amin’ny alalan’ny fandrotsahany ny Fanahiny tsy misy fepetra; nefa tsy hisy kosa izany raha tsy mbola mpiaramiasa amin’Andriamanitra ny ampahany betsaka amin’ny fiangonana. — RH, 21 Jol. 1896.FK 355.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents