Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Tsiambaratelon’ny Fahombiazana

    Aoka hisy fahavitrihana sy hafanam-po ny vavaka sy ny fianarana Baiboly ataonareo ary ny toriteninareo mba hanomezanareo ny hafa fahatsapana fa ny fahamarinana masina izay entinareo dia zava-misy miaina. Na inona na inona ataonareo ho an’i Jesôsy dia katsaho amin’herinareo rehetra izay hanaovana izany amim-pahavitrihana. Aza mihevitra na oviana na oviana fa efa tratranareo ny haavo fara tampony ka tsy ho afa-miakatra ambony kokoa ianareo (...) Ampiasao ny sainareo mba hahafahanareo hizara ny fahamarinana amin‘ny fomba mahaliana ny olona. Fanteno ireo ampahany mahaliana indrindra ao amin‘ny Soratra Masina izay azonareo zaraina amin’izy ireo, ataovy mahitsy ny resaka, katsaho izay hihazonana ny fifantohany ary ampianaro izy ireo hanaraka ny lalan‘ny Tompo. - RH, 26 Jol. 1887.FK 202.2

    Asa lehibe no ho tanteraka amin‘ny alalan‘ny fanolorana araka ny maha-izy azy ny Baiboly amin‘ny olona. Ento isam-baravarana ny Tenin’Andriamanitra, hizingizino amin‘ny feon‘ny fieritreretana rehetra ny fanambarany feno, averimbereno amin’rehetra ny baikon‘ny Mpamonjy hoe: — Dinihonareo ny Soratra Masina. Anaro izy ireo mba handray ny Baiboly amin‘ny maha-izy azy, mba hangataka ny fanazavan’Andriamanitra, ary avy eo, rehefa mamiratra ny fahazavana, dia mba handray amim-pifaliana ny taratra sarobidy rehetra ary hizaka tsy amin-tahotra ny vokatr‘izany. - TFC, b. 5, t. 388.FK 202.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents