Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Valisoa Azo Antoka

    Tsy havelan’Ilay nanendry ny asany amin’ny olona tsirairay, araka ny fahafaha-manao ananany, tsy hisy valisoa ny asa mahatokin’ny fankatoavana. Ny fihetsika rehetra naneho fahatokiana sy finoana dia homena valisoa misy ny marika manokana noho ny fankasitrahana avy amin’Andriamanitra. Omena ny mpiasa tsirairay ny teny fikasana hoe: “ Mandeha mitomany mitondra voa afafy isy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’fihobiana kosa.” — TFC, b. 5, t. 395.FK 373.3

    Na fohy toy inona aza ny fanompoana nataontsika, na ambany toy inona aza ny asantsika, raha amin’ny finoana tsotra toy ny an’ny zaza no anarahantsika an’i Kristy, dia tsy ho diso fanantenana ny amin’ny valisoa isika. Izay tsy mety ho azon’ny lehibe indrindra sy ny hendry indrindra, dia mety horaisin’ny malemy indrindra sy ny ambany indrindra. Ny vavahady volamen’ny lanitra dia tsy hivoha ho an’ny mpiavonavona sy ny mpanandra-tena; kanefa hivoha midanadana kosa ireo vavahady mandrakizay rehefa kasihin’ny zazakely mangovingovitra. Kanto loatra ny valisoan’ny fahasoavana ho an’ireo izay niasa ho an’Andriamanitra tamin’ny fahatsoran’ny finoana sy ny fitiavana! — HF, t. 356.FK 374.1

    Hisikina ny satroboninahitry ny fahafoizan-tenany ireo izay manao izany asa izany Ary handray ny valisoany ihany koa izy. - TFC, b. 6, t. 348.FK 374.2

    Tokony ho fanairana sy fampirisihana ny mpiasa ho an’Andriamanitra tsirairay izany Amin’izao fiainana izao, dia ohatra ny tsy ahitam-bokany matetika ny ataontsika ho an’Andriamanitra. Mety ho matotra sy marisika ihany ny fiezahantsika hanao ny tsara, nefa tsy mbola afaka mijoro ho vavolombelona amin’ny vokany ihany isika. Amintsika dia mety ho very fotsiny ny ezaka ataontsika. Nefa manome toky Ilay Mpamonjy fa voarakitra an-tsoratra any an-danitra ireny asantsika ireny, ka noho izany dia misy valisoa tandrify azy. - TFC, b. 6, t. 305.FK 374.3

    Ny fihetsika rehetra, ny fihetsika maneho fahamarinana sy famindrampo ary halemem-panahy, mahatonga fiderana ankira any an-danitra. Ny Ray kosa mitazana avy eny amin’ny seza fiandrianany ka manisa izay manao ireo fihetsika ireo miaraka amin’ny fananany sarobidy indrindra. “ Ary ho Ahy izy, hoy ny Tompon’ny mpampiantrano, rehefa misikina ny firavako Aho” Ny fihetsika rehetra feno indrafo amin’ny mahantra sy ny ory dia toy ny natao tamin’i Jesôsy Fa na iza na iza mangoraka ny mahantra, na mamindra fo amin’ny ory sy ny osa, ka manampy ny kamboty, dia mitondra ny tenany ho amin’ny firaisana akaikaiky kokoa amin’i Jesôsy. — RH, 16 Aog. 1881.FK 374.4

    Raisin’i Kristy ho toy ny atao aminy ny fihetsika maneho famindrampo sy halemem-panahy ary fiheverana feno atao amin’ny ory, ny jamba, ny malemy, ny marary, ny mananontena, ary ny kamboty; ary ireo asa ireo dia voatahiry ao amin’ny firaketan’ny lanitra, ka homena valisoa. — TFC, b. 3, tt. 512, 513.FK 375.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents