Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 14 - Fahafahana Ara-Pivavahana

    Vavaka Araka Ny Tokony Ho Izy

    Nivavaka toy izao i Davida: “ Izao no ora tokony hidiranao an-tsehatra Andriamanitra o, satria efa nataon’izy ireo tsinontsinona ny lalànao.” Izany no vavaka tokony ho re amin’izao andro izao. Efa nanalavitra an’Andriamanitra izao tontolo izao, ka tokony hampangorohoro ny fo ny fandikan-dalàny ary hitarika izay rehetra mahatoky amin’ilay Mpanjaka lehibe hiasa ho amin’ny fanavaozana. Efa nikasa ny hanova ny lalàn’Andriamanitra ny fahefana papaly tamin’ny nanovana ny Sabatan’i Jehôvah ho amin’ny Sabata sandoka; noho izany dia ilay Sabata sandoka no niankohofana manerana ny tontolo ara-pivavahana rehetra, ary ilay tena izy kosa voahitsakitsaky ny tongotra tsy masina (...)FK 217.1

    Eo amin’ny lalàn’Andriamanitra no hiantefan’ny ady lehibe farany eo amin’ny fifanandrinan’i Kristy mbamin’ny anjeliny sy i Satana mbamin’ny azy, ary hisy fiantraikany lehibe eo amin’izao tontolo rehetra izao tokoa izany (...) Ireo tompon’andraikitra lehibe eo amin’ny ara-pivavahana dia tsy vitan’ny hoe minia tsy mahalala na manao tsinontsinona ny Sabata fotsiny ihany, fa mampirisika ny olona mihitsy aza, avy eo amin’ny polopitra masina mba hitandrina ny andro voalohany amin’ny herinandro. Ny fomba nentimpaharazana sy ny fanao mahazatra no ambarany ho manohana io lalàn’ olombelona io. Holazain’izy ireo fa fitsaran’Andriamanitra noho ny fahatezerany vokatry ny tsy fanamasinana ny Alahady ireo loza ateraky ny voary eny an-tanety sy eny an-dranomasina, toy ny tafio-drivotra, ny tondra-drano, ny horohoron-tany, ary ny fandravan’ny afo vokatry ny hafanana be loatra. Hitombo isa hatrany ireo antambo ireo, ary ho totoafo; koa ireo vitsy an’isa mitandrina ny Sabatan’ny didy fahefatra indray no hampangain’ireo mpanao tsinontsinona ny lalàn’Andriamanitra ho mpitondra fahatezerana eo amin’izao tontolo izao. Fitak’i Satana izany hevi-diso izany ka mety hahafandrika izay tsy mitandrina. - SW, 28 Jona 1904.FK 217.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents