Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Vavolombelona

    Vavolombelon’i Kristy isika, ary tsy tokony havelantsika haka ny fotoanantsika sy ny fahalianantsika ny tombontsoan’izao tontolo izao sy ny drafitr’asany. - TFC, b. 9, tt. 53,54.FK 19.4

    «Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, (...) Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa taminareo; dia hianareo no vavolombeloko”. «Izaho Jehovah efa niantso anao tamin’fahamarinana sy nitantana ny tanànao, ary hiaro Ahao Aho ka hanome anao ho fanekena ho an’olona, ho fanazavana ny Jentilisa, hampahiratra ny mason’jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala ao an-trano famatorana» - Isa. 43:10-12; 42:6,7. - VM, t. 12.FK 19.5

    Manompo an’Andriamanitra sandoka ny vahoaka erantany. Tsy maintsy hatodika hiala amin’fanompoana sandoka ataony izy, tsy amin’fihenoany ny fanomezantsiny momba ny sampiny, fa amin’fitarihana azy hibanjina zavatra tsara kokoa. Tokony hampahafantarina ny fahatsaran‘Andriamanitra. “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra” - Isa. 43:12. - HF, t. 259.FK 20.1

    Ireo rehetra izay miditra ao amin‘ny tanànan’Andriamanitra dia tsy maintsy naneho an’i Kristy teo amin’asany nandritra ny fiainany teto an-tany. Izany no mahatonga azy ho mpitondra hafatr‘i Kristy, Vavolombelony. Natao hitondra fanambaràna mazava sy hentitra hanohitra ny fomba fanao ratsy rehetra izy, ary hanoro ireo mpanota ny Zanak‘ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. - TFC, b.9, t. 23.FK 20.2

    Tokony handeha ho vavolombelon‘i Kristy ny mpianatra, hanambara amin‘izao tontolo izao izay efa hitany sy reny taminy. Asa lehibe izay tsy mbola nampiandraiketina olombelona, ary ambanimbany kokoa noho ny an‘i Kristy, no napetraka taminy. Natao ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra ho amin‘ny famonjena ny olona izy. - VM, tt. 18,19.FK 20.3

    Hoy ilay Mpampianatra avy any an-danitra: Ny Fanahiko irery ihany no afaka hampianatra sy handresy lahatra ny amin’fahotana. Fahatsapana mandalo eo amin’saina fotsiny ihany ny zavatra ivelambelany. Izaho no hampiditra lalina ny fahamarinana ao amin‘ny feon’fieritreretana, ary ireo olona ireo dia ho Vavolombeloko manerana an’izao tontolo izao hanambara ny Fitakiako amin’fotoanan’olona sy ny volany ary ny fahaizany. - TFC, b. 7, t. 159.FK 20.4

    Ny fanambarantsika ny toetrany mahatoky no fitaovana nofidin’lanitra mba hanehoana an’i Kristy amin’izao tontolo izao. Tokony hoekentsika ny fahasoavany araka izay nampahafantarany izany tamin’alalan’olona masina fahiny; fa izay hisy vokany be indrindra dia ny fanambaràna ny fanandramana nataon’tenantsika manokana.FK 21.1

    Vavolombelona ho an’Andriamanitra isika rehefa maneho eo amin’tenantsika ny asan’hery avy amin’Andriamanitra. Samy manana fiainana miavaka amin’hafa rehetra sy fanandramana samihafa indrindra ny tsirairay. Tian’ Andriamanitra hiakatra ho any Aminy ny fiderantsika, araka izay maha-izy antsika avy. Ireny filazana sy fanekena sarobidy ireny dia ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, ary rehefa tohanan’fiainana manam-pitoviana amin’i Kristy, dia manana hery tsy hay tohaina hiasa famonjena ho an’fanahy. - IFM, tt. 364, 365.FK 21.2

    Tsy afaka haneho ny fahalalana ny Sitrapony sy ny fahatsaran’Fahasoavany eo amin’izao tontolo izao tsy mino Andriamanitra, raha tsy manana vavolombelona miparitaka manerana ny tany manontolo. Ny drafitr’asany dia ny hahatonga ireo mpiara-manana io famonjena lehibe amin’alalan’i Jesôsy io, ho Misiônerany, tenan’fahazavana manerana izao tontolo izao; ho famantarana ho an’vahoaka, epistily velona; fantatra sy vakin’olona rehetra, ny finoany sy ny asany no hanamarina ny fahantomoran’fiavian’Mpamonjy, ary haneho fa tsy zava-poana ny nandraisan’izy ireo ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy maintsy omena fampitandremana ny olona hiomana ho amin’fitsarana ho avy. - TFC, b 2, tt. 631,632.FK 21.3

    Raha nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo [ny mpianatra], dia tsapany fa tsy misy asa ho mafy loatra, raha mba azony atao ny ho vavolombelon’toetra amam-panahy mahate ho tia an’i Kristy eo amin’fiainany. Raha mba afaka hiverina hivelomany indray mantsy ireo telo taona lasa, dia tsy hitovy tamin’lasa ny fihetsiny! Raha mba afaka mahita fotsiny ny Tompo izy, amin-kafanam-po manao ahoana no iezahany haneho Aminy ny halalin’fitiavany Azy, sy ny alahelony amin’fony manontolo noho izy nandratra Azy mandrakariva tamin’teny na fihetsika mitory tsy finoana! Nampahery azy anefa ny fiheverana fa voavela heloka izy. Ary nanapa-kevitra izy, fa hatramin’izao, raha mbola azo atao, dia hanonitra ny tsy finoany amin’fanekeny Azy amin-kerimpo eo anatrehan’izao tontolo izao. - VM, t. 34.FK 22.1

    Ireo demoniaka sitrana ireo no misionera voalohany nirahin’i Kristy hitory ny Filazantsara tao amin’faritanin’Dekapolisy. Fotoana fohy fotsiny ihany no nananan’ireo olona ireo tombontsoa hihainoana ny fampianaran’i Kristy. Tsy nisy akory toriteny iray avy amin’vavany ren’sofiny. Tsy afaka nampianatra ny vahoaka tahaka ny azon’mpianatra natao, izay niaraka tamin’i Kristy isan’andro izy ireo. Teo amin’tenany mihitsy anefa no nitondrany ny porofo mazava fa Jesôsy no Mesia. Afaka nilaza izay fantany izy, izay efa hitany sy reny, ary tsapany ny amin’herin’i Kristy. Izany no asan’izay rehetra manana fo voatohin’fahasoavan’Andriamanitra.FK 22.2

    Izao no nosoratan’i Jaona ilay mpianatra malala: “ Izay hatramin’voalohany dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay, efa notsapin’ny tànanay, dia ny amin’Tenin’Fiainana; (...) Izay efa hitanay sy renay no hambaranay aminareo.” - 1 Jao. 1:1-3 Amin’maha-vavolombelona ho an’i Kristy antsika dia tokony hilaza izay fantatsika isika, izay efa hitan’tenantsika sy re ary tsapa. Raha nanaraka an’i Jesosy isaky ny indray mandingana isika dia hanana zavatra masaka tsara holazaina momba ny lalana izay nitarihany antsika. Azontsika lazaina ny fomba nahatanterahan’teny fikasany teo amintsika, ka nahitantsika fa marina izany. Azontsika atao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’izay fantatsika momba ny fahasoavan’i Kristy. Hampiseho izany no iantsoan’Tompo antsika, fa raha tsy misy izany dia ho very izao tontolo izao. - IFM, tt. 358, 359.FK 22.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents