Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fantson’ny Fahazavana Sy Fitahiana

    Natao ho fantsona nohamasinina tamin’alalany isika hikorianan’fiainan’lanitra any amin’hafa. Ny Fanahy Masina no natao hamelombelona sy hanome hery ary hameno ny fiangonana manontolo ka hanadio sy hampifandraikitra ny fo toy ny simenitra. — TFC, b. 9, t. 20.FK 23.1

    Ny mpanaraka an’i Jesôsy rehetra dia manana asa hatao amin’maha-misiôneran’i Kristy azy, ao amin’fianakaviana, eo amin’mpifanolo-bodirindrina, eo amin’vohitra na tanàna izay itoerany. Ireo rehetra izay nanolontena ho an’Andriamanitra dia fantson’fahazavana. Nataon’ Andriamanitra ho fitaovan’fahamarinana izy ireo mba hampita amin’hafa ny fahazavan’fahamarinana. — TFC, b. 2, t. 632.FK 23.2

    Fitahiana niely ombieny ombieny ny vokatry ny asan’i Jesôsy, raha nipetraka, sasatra sy noana, teo amin’fantsakana Izy. Ny fanahy iray izay nezahiny hampiana dia tonga fitaovana hanatrarana ny hafa ary hitondra azy ireny ho eo amin’Mpamonjy. Izany foana no fomba androsoan’asan’Andriamanitra eto an-tany. Aoka hazava ny fahazavanareo, dia hirehitra ny fahazavana hafa. - GW, t. 195.FK 23.3

    Betsaka no mihevitra fa Kristy irery ihany no tokony hiankinany mikasika ny fahamarinana sy ny fanandramana ataony fa tsy ilainy akory ny manatona ireo nekena ho mpanaraka Azy eto an-tany. Marina fa Jesosy no sakaizan’Mpanota, ka manohina ny fony ny fahoriany. Manana ny hery rehetra any an-danitra sy ety an-tany Izy, nefa manaja izay nampiasainy sy nobaikony hitondra fahazavana sy famonjena ho an’olona; tarihiny ho eo amin’fiangonana izay nataony fantsona hitondra ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao ny mpanota. - VM, t. 109.FK 23.4

    Asa miha-mivelatra hatrany no nankinina tamin’fiangonana voalohany, dia ny hanangana foiben’fahazavana sy fitahiana, na taiza na taiza nisy fanahy naniry marina ny hanolotra ny tenany hanompo an’i Kristy. - VM, t. 81.FK 24.1

    Tahaka ny tanamasoandro izay miditra ao amin’zorony lavitra indrindra eo amin’bolan-tany, dia tahaka izany no fikendren’Andriamanitra mba hitaran’fahazavan’filazantsara any amin’fanahy rehetra eto ambonin’tany Raha manatanteraka ny fikasan’Tompontsika ny fiangonan’i Kristy, dia hiparasaka eo amin’ireo rehetra izay mitoetra eo amin’fahamaizinana sy eo amin’faritry ny fahafatesana sy ny alony ny fahazavana. - S, t. 69.FK 24.2

    Tombontsoa ho an’fanahy tsirairay ny ho tonga fantsona velona ahazoan’Andriamanitra mampita ho an’izao tontolo izao ny haren-tsarobidin’fahasoavany sy ny haren’i Kristy tsy hita lany. Tsy misy irin’i Kristy mihoatra noho ny manana mpanompo izay maneho ny toetrany sy vonton’Fanahiny. Tsy misy ilain’izao tontolo izao mihoatra noho ny fitiavan’Mpamonjy aseho amin’alalan’olombelona. Ny lanitra manontolo no miandry antsika ho fantsona izay ahazoany mampidina ny diloilo masina ho fifaliana sy fitahiana ho an’fon’olombelona. - HF, t. 367.FK 24.3

    Eo amin’toe-panahy araka an’Andriamanitra ananan’mambra ao aminy no voninahitry ny fiangonan’Andriamanitra; satria ao no fiafenan‘ny herin‘i Kristy. Ny hery miasa manginan‘ny zanak‘Andriamanitra mahitsy fo dia mety hotombanana ho tsy dia misy vidiny, kanefa dia ho tsapa mandritra ny fotoana rehetra izany, ary haseho araka ny rariny amin‘ny andro famalian-tsoa. Ny fahazavan‘ny tena Kristianina marina, mamirapiratra eo amin‘ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra mafy orina, finoana tsy mihozongozona, no hanaporofo amin‘izao tontolo izao ny herin‘ny Mpamonjy velona. Haseho ho loharano miboiboika ho fiainana mandrakizay eo amin‘ny mpanaraka azy i Kristy. Na dia zara aza raha fantatr‘izao tontolo izao, dia hoeken‘Andriamanitra ho toy ny vahoakany manokana izy ireo, fanaka voafidiny ho famonjena, Fantsona izay hikorianan‘ny fahazavana ho tonga amin‘izao tontolo izao. - RH, 24 Mar. 1891.FK 24.4

    Ry mambran‘ny fiangonana, aoka hazava ny fahazavanao. Aoka ho re ny feonao amin‘ny vavaka feno fanetren-tena, amin‘ny fijoroana ho vavolombelona hanohitra ny tsy fahalalana onony, ny fahadalana sy ny fanalana andron‘izao tontolo izao, ary amin‘ny fitoriana ny fahamarinana amin‘izao andro izao. Ny feonao, ny hery miasa mangina avy aminao, ny fotoananao, - fanomezana avy any amin‘Andriamanitra avokoa ireny rehetra ireny, ary natao hampiasaina ho amin‘ny fahazoana fanahy ho an‘i Kristy. - TFC, b. 9, t. 38.FK 25.1

    Naseho ahy fa ny mpianatr‘i Kristy no misolo tena azy eto an-tany; ary nataon’Andriamanitra ho fahazavana izy ireo eo amin‘ny haizina ara-pitondran-tena eto amin‘izao tontolo izao, miparitaka manerana ny tany rehetra, eny amin‘ny vohitra sy tanàna, ary tanàn-dehibe, «Ho fizahan’izao tontolo izao, ho an’anjely, sy ho an’olona” - TFC, b. 2, t. 631.FK 25.2

    Tokony ho fahazavan‘izao tontolo izao ny mpanaraka an‘i Kristy; nefa tsy nibaiko azy Andriamanitra hanao fiezahana hamirapiratany. Tsy ankasitrahany ny fiezahana rehetra asesiky ny fitiavan-kiseho ho tia vavaka mihoatra noho ny hafa. Iriny ny hahavonto ny fanahy amin’foto-kevitry ny lanitra; amin‘izay, rehefa mifampikasoka amin‘izao tontolo izao izy, dia hampiseho ny fahazavana izay ao aminy Ny toetra mahatoky tsy azo hozongozonina hita eo amin‘ny fihetsiny rehetra eo amin’fiainany dia ho fitaovana hanazavana ny hafa. - TMF, tt. 19, 20.FK 25.3

    Raha teo anatin‘ny fahajamban‘ny fahadisoan-kevitra izay nibahana tao am-pony i Saoly, dia nomena azy ny fanambaràna ny amin‘i Kristy izay nenjehiny; tamin‘izay dia napetraka mivantana hifandray amin‘ny fiangonana izay fahazavan‘izao tontolo izao izy. Tamin‘io toe-javatra io dia nampiseho an‘i Kristy i Ananiasy ary nampiseho koa ireo mpanompon‘i Kristy eto an-tany izay notendrena hiasa hisolo azy. Nisolo an‘i Kristy i Ananiasy nikasika ny mason‘i Saoly, mba hahiratany. Nisolo an‘i Kristy izy nametra-tanana taminy ary nivavaka tamin’anaran’i Kristy mba handraisan’i Saoly ny Fanahy Masina. Amin’anaran’i Kristy sy amin‘ny fahefany no anaovana ny zavatra rehetra. Kristy no loharano, ny fiangonana no fantsona ifandraisany Aminy. - VM, t. 109.FK 26.1

    Hita ombieny ombieny ny fahadisoana. Manambatra ny heriny ilay fahavalo lehiben’fanahy. Mampiasa ireo tetik’ady rehetra mba hanakorontanana ny sain’olona amin’fahadisoana feno fitaka, ary mamotika ny fanahy amin‘izany. Ireo izay nanankinan’Andriamanitra ny haren-tsarobidin‘ny fahamarinany dia tokony hamela ny fahazavana hamirapiratra eo anivon‘ny haizina ara-pitondran-tena. - HS, t. 290.FK 26.2

    Takin’Andriamanitra ny vahoakany hamirapiratra ho toy ny fanazavana eo amin‘izao tontolo izao. Tsy ny mpitandrina fotsiny ihany no takina ny hanaovana izany fa ny mpianatr’i Kristy rehetra. Tokony ho ny any an-danitra no antondresak‘izy ireo. Ary rehefa mankafy ny firaisana amin’ Andriamanitra izy ireo, dia haniry ny hifandray amin‘ny mpiara-belona aminy, mba hahafahany maneho amin’alalan‘ny teniny sy ny asany ny fitiavan‘Andriamanitra izay mamelombelona ny fon‘izy ireo. Amin‘izany fomba izany no hahatonga azy ireo ho fahazavana eto amin‘izao tontolo izao, ary ny fahazavana izay nampitaina tamin‘ny alalan‘izy ireo dia tsy ho faty na hoesorina. - TFC, b. 2, tt. 126,127.FK 26.3

    Tokony ho fitaovan‘ny fahamarinana ireo mpanaraka an‘i Kristy, mpiasa, vatovelona, fahazavana miparasaka, mba hampinsika ny fanatrehan‘ny anjelin’ ny lanitra. Takina amin‘izy ireo ny ho fantsona, araka ny tokony ho izy, izay hikorianan‘ny fanahin‘ny fahamarinana sy ny fahitsiana. - TFC, b. 2, tt. 126,127.FK 27.1

    Nataon‘ny Tompo ho mpitahiry ny hery miasa mangina avy amin‘Andriamanitra ny fiangonana. Miandry ny mambra ny izao rehetra izao manontolo any an-danitra mba ho tonga fantsona izay hikorianan‘ny onin‘ny fiainana amin‘izao tontolo izao, mba ho maro ny hiova fo, ary dia ho anjaran‘izy ireo indray ny ho tonga fantsona hikorianan‘ny fahasoavan‘Andriamanitra any amin‘ny ampahan-tany efitra ao amin‘ny tanimboaloboky ny Tompo. - BE, 21 Aog, 1901.FK 27.2

    Ny olona rehetra izay tafakambana amin‘Andriamanitra dia hizara ny fahazavana amin‘ny hafa. Raha toa ka misy anankiray izay tsy manana fahazavana homena, dia satria tsy mifandray amin‘ilay Loharanon‘ny Fahazavana izy. - HS, t. 291.FK 27.3

    Notendren‘Andriamanitra ny Zanany mba hanome ny fahazavana ho an‘ny hafa, ary raha tsy manao izany izy, dia ho tavela ao amin‘ny haizin‘ny fahadisoana ireo fanahy, noho ny tsy fanaovany izay tokony hataony, moa ve novelombelomin‘ny Fanahy izy ireo, hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Nantsoina hiala amin’maizina ho amin‘ny fahazavany mahagaga isika, mba hanehoantsika ireo fiderana an‘i Kristy. - RH, 12 Des. 1893.FK 27.4

    Izay rehetra manokan-tena ho an’Andriamanitra dia ho fantsona hitondra ny fahazavana. Ataon’Andriamanitra ho fiasana hitondra ny harem-pahasoavany amin’hafa izy (...). Tsy miankina firy amin‘izay lazaintsika, fa amin‘izay toetsika ny hery miasa mangina avy amintsika eo amin‘ny hafa. Mety hanohitra sy hiantsy ny fandaharana ataontsika ny olona, mety mandà ny antsontsika izy; fa ny fiainana feno fitiavana, tsy mihevitra ny tenany, dia fonjan-kevitra izay tsy azo toherina. Hery eo amin‘izao tontolo izao ny fiainana mijoro tsara ary hita ny mampiavaka an‘izany eo amin‘ny fahalemem-panahin‘i Kristy. - IFM, tt. 133,134.FK 28.1

    Tsy nanaparitaka afa-tsy tara-pahazavana malefaka sy matimaty ireo izay tokony ho fahazavan‘izao tontolo izao. Inona ny fahazavana? Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ny fahatsarana, ny fahamarinana, ny famindrampo, ny fitiavana; izany dia fanehoana ny fahamarinana eo amin‘ny toetra sy ny fiainana. Miankina amin‘ny toe-panahy araka an‘Andriamanitra ananan‘ireo mpino eo amin‘ny tena manokana ny filazantsara mba hananany hery mandresy lahatra, ary Andriamanitra dia nanome izay ilaina tamin‘ny alalan‘ny fahafatesan‘ny Zanany malalany, mba hahatonga ny fanahy rehetra ho vonona tanteraka ho amin‘ny asa tsara rehetra. Ny fanahy rehetra dia natao ho fahazavana mazava sy mamirapiratra, mba hanehoana ny hatsaran‘ilay niantso antsika hiala amin‘ny maizina ho amin‘ny fahazavany mahagaga. «Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay». Eny, mpiasa; izany hoe manao fanompoana ao amin‘ny tanimboaloboky ny Tompo. Misy fanahy hovonjena, - fanahy ao amin‘ny fiangonantsika, ao amin‘ny Sekoly Sabata, ary ao amin‘ny manodidina antsika. - RH, 24 Mar. 1891.FK 28.2

    Fanaovana asa ho an’hafa no hitehirizany ny fanahin’tenany ho velona. Raha ho tonga mpiara-miasa amin’i Jesôsy izy ireo, dia ho hitany ny fahazavana ao amin’fiangonantsika mirehitra fatratra mihamazava ary mihamazava hatrany, mandefa ny tara-pahazavany hiditra ao amin’haizina mihoatra ny morona. - HS, t. 291.FK 29.1

    «Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”. Ny Jiosy dia nihevitra ny hamihina ny tombontsoan’famonjena ho an’firencny irery ihany; nasehon’i Kristy azy anefa fa tahaka ny fahazavan’masoandro ny famonjena ka ho an’izao tontolo izao manontolo. - IFM, t. 319.FK 29.2

    Ny fo izay mamaly ny herin’Fanahy Masina miasa mangina aminy no fantsona ikorianan’fitahian’Andriamanitra. Raha miala amin’tany ireo izay manompo an’Andriamanitra, ka miala tsy ho eo amin’olona ny Fanahiny, dia ho voatarika ho amin’fahasimbana sy ny faharavana izay vokatry ny fanapahan’i Satana izao tontolo izao. Na dia tsy fantatry ny ratsy fanahy aza izany, dia ny fisian’vahoakan’Andriamanitra, izay hamavoiny sy ampahorina eo amin’izao tontolo izao, no ahazoany ny fitahiana amin’ity fiainana ity. Fa raha anarana fotsiny ny maha-kristiana ny Kristiana, dia tahaka ny fanasina tsy misy tsirony intsony izy, ary tsy manana hery miasa mangina ho amin’tsara eo amin’izao tontolo izao. Noho ny Kristiana diso fampiseho an’Andriamanitra, dia ratsy noho ny tsy mpino izy. - IFM, t. 319.FK 29.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents