Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 5 - Ny Fiangonana Foibe Fanofanana

    Ny Ilain’Izao Ora Izao

    Izay ilaina ankehitriny ho fanondrotana ny fiangonantsika dia ny asa tsara ataon‘ireo mpiasa hendry izay mahay manavaka sy mampivelatra ny talenta ao amin‘ny fiangonana, talenta izay tokony hobeazina hampiasaina ho an‘ny Tompo. Tokony hisy drafitra maty paika ho amin’fampiasana ireo mpiasa handeha any amin‘ireo fiangonantsika, na kely na lehibe, mba hampianatra ny mambra ny fomba hiasana hanondrotana ny fiangonana, ary koa ho an‘ny tsy mpino. Ny fanofanana, ny fanabeazana no ilaina. Ireo izay miasa amin‘ny fitsidihana fiangonana dia tokony hanome ireo anadahy sy anabavy ny toro lalana ny amin‘ny fomba fiasa azo ampiharina eo amin‘ny fanaovana asa misiônera. - TFC, b. 9, t. 117 .FK 81.1

    Manantena ny fiangonana (Andriamanitra) hifehy sy hanomana ny mambra ho amin’asa fanazavana an’izao tontolo izao. Tokony homena fanabeazana hiteraka olona an-jatony izay hampiasa ireo talenta sarobidy amin’asan‘ny tompony. Amin‘ny alalan‘ny fampiasana ireo talenta ireo, no tokony hampivelarana ny olona izay tokony homanina hitana toeram-pitokisana sy misy hery miasa mangina, ary hihazonana fitsipi-piainana madio sy tsy voaloto. Soa lehibe no hotanterahana ho an‘ny Tompo amin’izany. - TFC, b. 6, tt. 431, 432 .FK 81.2

    Tokony haranitra sy hahataka-javatra tsara ny mpiasa rehetra. Koa afaka ny haneho ny fahamarinana ao amin’i Jesôsy araka ny heviny lalina sy lehibe. - TFC, b. 7, t. 70 .FK 81.3

    Tsy tokony hangatahan‘andro izany ezaka maty paika amin’fanofanana ny mambran‘ny fiangonana izany. - TFC, b 9, t. 119.FK 81.4

    Ny fanampiana lehibe indrindra azontsika omena ny vahoakantsika dia ny hampianatra azy ireo hiasa ho an’Andriamanitra, sy hiankina Aminy fa tsy amin’mpitandrina. - TFC, b. 7, t. 19 .FK 82.1

    Mazava fa ny toriteny rehetra izay notorina dia tsy nampivelatra antokon‘olona mpiasa feno fandavan-tena betsaka. Tokony hoheverina tsara izany resaka izany mba hisian‘ny vokatra matomatotra kokoa. Iankinan’hoavintsika mandrakizay izany. Mihamalazo ny fiangonana satria tsy nahomby tamin’fampiasana ny talentany izy ireo tamin‘ny fanaparitahana ny fahazavana. Tokony hotandremana tsara ny lesona avy amin‘ny Mpampianatra, mba ho ny rehetra no hampiasa ny fahazavany. - TFC, b. 6, t. 431 .FK 82.2

    Be loatra ny toriteny natao tamin’vahoaka; kanefa ve mba nampianarina ny fomba hiasana ho an‘izay nahafatesan‘i Kristy izy ireo? Moa ve nisy sehatr‘asa izay novolavolaina sy napetraka teo anoloan‘izy ireo amin’fomba izay hahitan’ ny tsirairay fa ilaina ny fandraisana anjara amin‘ny asa? - TFC, b. 6, tt. 431 .FK 82.3

    Amin‘ny alalan’fanabeazana sy ny fampiharana no hahatonga ny olona ho afaka hiatrika ny hamehana mety hitranga; ary famolavolana amim-pahendrena no ilaina mba hametrahana ny tsirairay avy amin‘ny sehatra tokony hisy azy, mba hahazoany fanandramana izay hahamendrika azy hitondra andraikitra. - TFC, b. 9, tt. 221 .FK 82.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents