Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Ilàna Ny Fanenjehana

    Rehefa naparitaky ny fanenjehana izy dia nandroso ka feno hafanam-po misionera. Tsapany ny halehiben’ny andraikitra eo amin’ny asa nanirahana azy. Fantany fa teo am-pelatanany ny mofon’aina ho an’izao tontolo izao maty noana; koa noteren’ny fitiavan’i Kristy izy hizara io mofo io ho an’izay rehetra mila izany. Niasa tamin’ny alalan’ireo ny Tompo. Na taiza na taiza nalehany, dia sitrana ny marary ary notorina tamin’ny mahantra ny filazantsara hampanan-karena azy. - VM, t. 95FK 223.1

    Tian’Andriamanitra raha homen-danja lehibe ny fisedrana ny fahamarinana, ka hahatonga izany ho lohahevitra iompanan’ny fandinihana sy ny fifanakalozan-kevitra, eny, fa na dia amin’ny alalan’ny fanivaivana atao aminy aza. Tokony hohetsiketsehina ny sain’ny olona. Ho fomba ampiasain’Andriamanitra hiteraka fandinihana sy hampifoha ny fisainana mba tsy hatoritory ny adihevitra be sy ny fanakianana ary ny fanaratsiana rehetra. - TFC, b. 5, t. 453.FK 223.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents