Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Azo Antoka Ny Vokatra

    Hisy fahagagana hampiova fo marina, dia fahagagana izay tsy hay hazavaina hatramin’izay. Tsy hoe tsy voafaokan’ny herin’Ilay Andriamanitra manao fahagagana tsy akory ny olona ambony indrindra eo amin’izao tontolo izao. Raha mahay manararaotra ny fotoana mety ny olona miara-miasa Aminy, ka manao ny adidiny amin’ny fony sy amim-pahatokisana, dia hanova ny fon’ny olona izay mitana toerana be andraikitra Andriamanitra, olona avara-pianarana sy manana hery miasa mangina avy aminy Betsaka no hanaiky ireo fotokevitra avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Niova fo ho amin’ny fahamarinana izy, ka ho tonga fiasana eo am-pelatanan’Andriamanitra hampita fahazavana hafa ao amin’ity saranga natao antsirambina ity. Hatokana ho an’ny asan’i Jehovah ny fotoana sy ny vola, ka hisy fahombiazana sy hery vaovao hanampy ny fiangonana. - VM, 124.FK 287.1

    Betsaka ireo manana toerana ambony eo amin’ny fiarahamonina no mangorohoro ao anatiny sy mararirary ny amin’ny zava-poana eo amin’ny fiainana. Maniry mafy ny hahita fiadanana izay tsy ananany izy. Eo amin’ireo laharana ambony indrindra eo amin’ny fiarahamonina no misy ireo izay noana sy mangetaheta ny famonjena. Betsaka no handray fampianarana raha manatona azy manokana amin’ny fomba feno fanajana sy amin’ny fo feno ny fitiavan’i Kristy ny mpiasan’ny Tompo. - HF, t. 198.FK 287.2

    Betsaka amin’ireo manam-pahaizana ambony sy mpitondra fanjakana, ireo olona ambony indrindra eo amin’izao tontolo izao, no hiala amin’ny fahazavana amin’izao andro farany izao, satria tsy mahalala an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahendren’izao tontolo izao. Tokony hanararaotra ny fotoana mety rehetra anefa ny mpanompon’Andriamanitra hampita ny fahamarinana amin’ireny olona ireny Misy hanaiky ny tsy fahalalany momba an’Andriamanitra ka handray ny toerana amin’ny maha-mpianatra feno fanetrentena azy eo an-tongotr’i Jesosy, Ilay Mpampianatra Lehibe. - VM, t. 212.FK 287.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents