Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Rejisitry Ny Lanitra

    Mila misiônera izao tontolo izao, misiônera manolo-tena ao amin’toerana misy azy, ary tsy hisy na dia iray aza ho voasoratra ao amin’bokin’lanitra ho toy ny Kristianina raha tsy manana toe-tsaina misiônera. - RH, 23 Aog. 1892.FK 122.2

    Raha tsy mandray anjara isam-batan’olona amin’ity asa ity ny mambran’ ny fiangonana, dia maneho izany fa tsy manana fifandraisana velona amin’Andriamanitra izy ireo. Ho voarakitra an-tsoratra ho toy ny mpanompo malaina ny anaran‘izy ireo. - TFC, b. 5, tt. 462,463 .FK 122.3

    Amin’fihetsehana ara-pivavahana rehetra dia misy hatrany ireo olona izay mihatakataka sy mandà tsy handray anjara na dia efa manaiky ny fahamarinan’Andriamanitra izao aza. Tsara ny hahatsiarovan’izy ireny ny bokin’lanitra, ny bokin’lanitra izay hanoratana ny asa rehetra, dia ilay boky tsy ahitana fanadinoana na fahadisoana, fa amin’izany no hitsarana antsika amin’andro farany. Voasoratra ao avokoa ny fotoana very rehetra. Ao koa anefa no anoratana ny asa natao tamim-pinoana sy tamim-pitiavana rehetra ka hotsarovana mandrakizay. - MM, t. 524 .FK 122.4

    Ny marainan’23 Oktôbra 1879, sahabo ho tamin’2 ora dia nitoetra teo amiko ny Fanahin’Tompo, ary nibanjina ireo toe-javatra hiseho amin’fitsarana ho avy aho (...). Iray alina tapitrisa no niangona teo anoloan’seza fiandrianana lehibe anankiray, ary teo amboniny no nipetraka olona anankiray izay feno fiandrianana ny fisehony. Boky maro no teo anoloany, ary voasoratra teo amin’fonon’tsirairay tamin’sora-bolamena, izay tahaka ny lelafo mandoro ny hoe: «Bokiben’Lanitra». Nosokafana ny iray tamin’ireo boky ireo izay misy ny anaran’ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana. Tsy hitako tampoka teo ireo an-tapitrisa tsy hita isa nanodidina ny seza fiandrianana, fa ireo izay milaza ho zanaky ny mazava sy ny fahamarinana ihany no nisarika ny saiko (...).FK 123.1

    Nosokafana ny boky iray hafa, tao anatiny no niraketana ny fahotan’ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana. Teo ambanin’lohateny an-kapobeny momba ny fitiavan-tena no nisy ny fahotana hafa rehetra (...) Ny antokon’olona anankiray dia voarakitra ho mpibahana ny tany. Raha nifantoka tamin’izy ireo ny fijery mahafantatra ny zava-dalin’Mpitsara, dia miseho miavaka tsara ny fahotana vokatry ny antsirambina nataon’izy ireo. Amin’molotra mangana sy mipararetra no aneken’izy ireo fa namadika ny fitokisana masina napetraka taminy izy ireo. Nahazo fampitandremana sy tombontsoa izy ireo kanefa tsy noraharahainy na nohatsarainy izy ireny. Afaka mahita izy ireo ankehitriny fa nanararaotra be loatra ny famindrampon’Andriamanitra. Marina fa tsy manana fiaikenkeloka hatao amin’fahotana feno faharatsiana sy fahalovana izy ireo; kanefa tahaka ilay aviavy, voaozona izy ireo satria tsy mitondra vokatra, satria tsy nampiasainy ireo talenta izay nankinina tamin’izy ireo. Nanao ny tena ho ambony indrindra, miasa ho an’tombontsoa feno fitiavan-tena irery ihany. Tsy manan-karena eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, tamin’ny tsy famaliana ny fitakiany natao tamin‘izy ireo. Na dia milaza ho mpanompon‘i Kristy aza izy ireo, dia tsy nitondra fanahy ho eo aminy. Raha niankina tamin‘ny ezaka nataon‘izy ireo ny asan’Andriamanitra dia ho nihareraka izany; satria tsy ny fananana izay nampindramin’Andriamanitra azy ireo fotsiny no nohazoniny fa ny tenany ihany koa (...). Navelany ho ny hafa no hanao ny asa ao amin‘ny tanimboaloboky ny Tompo, ary hitondra ny andraikitra mavesatra indrindra, fa izy ireo kosa manompo amim-pitiavan-tena ny tombontsoa mandalo ho an‘ny tenany manokana (...).FK 123.2

    Hoy ny Mpitsara: « Hohamarinina amin’ finoana ny olona rehetra, ary hotsaraina amin’ asany». Tamin’fomba miharihary no nisehoan‘ny antsirambina nataony, ary endrey manao ahoana ny fahendren‘ny fandaminan’Andriamanitra tamin‘ny nanomezany ny olona tsirairay avy asa hatao hampandrosoana ny asa sy hamonjena ny olona namany. Natao haneho finoana velona ao amin‘ny fianakaviany sy ny manodidina azy ny tsirairay, amin‘ny alalan‘ny fanehoana hatsaram-panahy amin‘ny mahantra, miaraka ory amin‘ny mijaly, mandray anjara amin‘ny asa misiônera, sy amin‘ny alalan’fanampiana ny asan’Andriamanitra amin’fananany. Kanefa, tahaka an’i Meroza, nipetraka amin‘izy ireo ny ozon’Andriamanitra noho ireo zavatra izay tsy nataony. Ny asa izay mitondra tombony lehibe indrindra eo amin‘ity fiainana ity no tian‘izy ireo; ary mifanolotra amin’anaran’izy ireo ao amin‘ny bokibe natokana ho amin‘ny asa soa dia fahabangana mampalahelo. - TFC, b. 4, tt. 384-386 .FK 124.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents