Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fisehoan-Javatra Mahatalanjona

    Nisy fisehoan-javatra tena mahatalanjona tokoa teo anatrehako, nandritra ny fahitana azoko tamin‘ny alina. Nahita bolabolan‘afo nilatsaka teo amin’ireo trano goavam-be sy tsara tarehy sasantsasany aho, ka potika avy hatrany izy ireo. Nandre olona niteny toy izao aho: Fantatray fa ho tonga eto an-tany ny fitsaran‘Andriamanitra, saingy tsy nampoizinay ho aloha toy izao ny fahatongavany. Ny sasany kosa amin‘ny feo feno fanaintainana manao hoe: Hay efa fantatrareo! Koa nahoana àry no tsy nolazainareo taminay izany? Izahay tsy nahalala! Reko hatraiza hatraiza ny teny feno fanakianana toy izany.FK 158.1

    Nalahelo mafy tokoa aho raha nifoha avy teo. Niverina natory indray aho, ka toa tao anaty fivoriambe indray. Niresaka tamin’mpivory ny anankiray nanana fahefana, ka nivelatra manoloana azy ny sarintanin‘izao tontolo izao. Nilaza izy fa mampiseho ny tanimboalobok’ Andriamanitra ny sarintany, izay tsy maintsy volena. Rehefa nanazava ny tsirairay avy ny fahazavana avy any an-danitra, dia natao hitondra izany fahazavana izany any amin‘ny hafa kosa izy. Natao hirehitra eny amin‘ny toerana maro ny fahazava”na, ka avy amin’ireo fahazavana ireo koa no mbola hampirehetana fahazavana hafa indray.FK 158.2

    Niverimberina ny teny manao hoe: “ Hianareo no fanasin’tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?” Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy; fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona. Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. ” - Mat. 5:13-16.FK 158.3

    Tara-pahazavana maro avy teny amin‘ny vohitra sy tanàna maro, ary ny toerana avo sy iva teto an-tany no hitako. Nankatoavina ny tenin’ Andriamanitra, ary vokatr’ izany dia tsangambato maro ho Azy no natsangana nanerana ny vohitra sy ny tanàna. Voatory manerana izao tontolo izao ny fahamarinany. - TFC, b. 9, tt. 28, 29.FK 159.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents