Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nantsoina Avy Amin’ireo Olon-Tsotra Eo Amin’ Ny Mpiara-Monina

    Ny olon-tsotra dia tokony handray ny toerany amin’mahampiasa azy. Mizara ny fahorian’mpiara-belona aminy tahaka ny niarahan’Mpamonjy nitondra ny fahorian’olombelona, ho hitan’izy ireo amin’finoana Izy miaramiasa aminy. - GW, tt. 488,489 .FK 32.1

    Eo amin’saha rehetra, akaiky sy lavitra, dia antsoina ny olona hiala amin’angadin’omby sy avy amin’asa amandraharaha mahazatra izay mameno ny sainy an-kapobeny, ary hobeazina miaraka amin’olona manana fahaiza-manao. Ary raha mianatra ny hiasa amim-pahombiazana izy ireo, dia hitory ny fahamarinana amin-kery. Amin’alalan’fiasan’fitondràn’Andriamanitra mahagaga indrindra, no hanesorana ny tendrombohitry ny olana, sy hanipazana izany any an-dranomasina. Ny hafatra izay misy dikany lehibe tokoa amin’olona monina ambonin’tany dia ho re sy ho fantatra. Ho fantatry ny olona ny atao hoe fahamarinana. Handroso hatrany hatrany ny asa mandra-pahatongan’tany manontolo hahazo fampitandremana, dia vao ho tonga ny farany. - TFC, b. 9, tt. 96.FK 32.2

    Afaka mampiasa ary hampiasa ireo izay tsy mba nahazo fanabeazana amin’fahafenoany teo amin’sekolin’olona Andriamanitra. Ny fisalasalana ny amin’Heriny hanaovana izany dia tsy finoana mibaribary; mametra ny hery tsy hay tohaina ananan’ilay Iray izay tsy misy zavatra tsy hainy hatao. E! aoka tsy hahazo an-tsaina an’izany na dia kely akory aza, aoka hitandrina amin’tsy finoana! Hery marobe tokoa ao amin’fiangonana no avela fotsiny tsy ampiasaina; manakatona ny lalana izany, mba tsy hahafahan’Fanahy Masina mampiasa ny olona; mihazona ao amin’fidonananaham-poana an’ireo izay maniry sy miandrandra ny hiasa ao amin’lalan’i Kristy; manakivy ny maro tsy hiditra ao amin’asa, izay tokony ho mpiaramiasa mahomby amin’Andriamanitra, raha nomena azy ny tombontsoa sahaza azy. — GW, tt. 488,489 .FK 32.3

    Tombontsoa ho an’fanahy rehetra ny handroso. Hitombo amin’fahasoavana sy fahalalana ny zanak’Andriamanitra ireo izay mifandray amin’i Kristy, hahatratra ny fahafenoan’fahatanterahan’maha-olon-dehibe. Raha ireo rehetra izay milaza ho mino ny fahamarinana no nanao araka izay faran’tratry ny fahafahany manao sy ny tombontsoa ananany mba hianarana sy hanaovan-javatra, dia ho tonga matanjaka ao amin’i Kristy izy ireo. Na inona na inona asa amandraharahany, na mpamboly sy mpiompy izy, na mpanao asa tanana, mpampianatra na pasitora, raha nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra izy, dia ho tonga mpiasa mahomby ho an’ilay Tompo any an-danitra. — TFC, b. 6, t. 243 .FK 33.1

    Ireo ao amin’fiangonana izay manana talenta betsaka handraisana anjara amin’ireo asa aman-draharaha samihafa eo amin’fiainana, toy ny fampianarana, fanorenan-trano, orinasa, fambolena sy fiompiana, saika mandrakariva dia tokony homanina mba hiasa ho amin’fanohanana ny fiangonana amin’alalan’fanompoana ao amin’Kômity na mpampianatra ao amin’Sekoly Sabata, mandray anjara amin’asa misiônera, na mandray ny fitantanana ny andraikitra samihafa mifandray amin’fiangonana. - RH, 15 Feb, 1887 .FK 33.2

    Mba hahatomombana ny asany dia tsy nifidy ny fahalalana Kristy, na ny fahaiza-mandahatra hita teo amin’Synedriona Jiosy, na ny fahefana Romana. Nolalovan’Ilay Tompon’asa fotsiny ireo mpampianatra jiosy mpanamarin-tena, ka ny olona tsotra tsy nahita fianarana no nofidiny hitory ny fahamarinana izay hanetsiketsika an’izao tontolo izao. Ireo olona ireo no nokasainy hotezaina sy hobeazina ho tonga mpitarika ny fiangonany. Ireo kosa no hanabe ny hafa sy handefa azy hitondra ny hafatry ny filazantsara. Mba hisian’fahombiazana eo amin’asany dia homena ny herin’Fanahy Masina izy. Tsy amin’heri’olombelona na amin’fahendren’olombelona no hitoriana ny filazantsara, fa amin’herin’Andriamanitra. - VM, t. 17 .FK 33.3

    Tao amin’ireo nirahin’ny Mpamonjy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” - Mat 28:19, dia nisy maro avy tamin’lalam-piainana tsotsotra, lehilahy sy vehivavy efa nianatra ny ho tia ny Tompony sy nanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatry ny fanompoana tsy misy fitiavantena nasehony. Ireny olona ambany ireny, toy ireo mpianatra rahateo koa izay efa niaraka tamin’Mpamonjy nandritra ny asany teto an-tany, ireny no nametrahana fitokisana sarobidy. Hitondra ny vaovao mahafalin’famonjena amin’alalan’i Kristy izy. - VM, t. 95 .FK 34.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents