Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiarahana Mandresy Lahatra

    Ho resy lahatra izao tontolo izao, tsy amin‘ny alalan‘izay ampianarina eny amin’polipitra, fa amin‘izay iainan‘ny fiangonana. Asa fanompoana eo ambony latabatra manambara ny foto-kevitry ny filazantsara, ny toe-panahy araka an‘Andriamanitra izay ampiharin‘ny fiangonana no maneho ny heriny. - TFC, b. 7, t. 16.FK 95.1

    Tsy ho vita mihitsy ny asan‘Andriamanitra eto amin’ity tany ity raha tsy ny lehilahy sy ny vehivavy mambran‘ny fiangonana no miara-mientana amin‘ny asa, manambatra ny fiezahany amin‘ny an‘ireo mpitandrina sy mpandraharaha ao amin‘ny fiangonana. - GW, t. 352.FK 95.2

    Ampahany kely amin‘ny asa famonjem-panahy ny fitorianteny. Ny Fanahin’Andriamanitra no mandresy lahatra ny mpanota ny amin’fahamarinana, ary apetrany eo antsandrin‘ny fiangonana izy ireny. Mety hanao ny anjara asany ny mpitandrina, kanefa tsy afaka mihitsy hanao ny asa izay tokony hataon’fiangonana izy ireo. - TFC, b. 4, t. 69 .FK 95.3

    Tsy voafetra ho an‘ireo mpitandrina voahosotra vitsy ny fanaparitahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Natao haparitak’ireo rehetra izay milaza ho mpianatr‘i Kristy ny fahamarinana. Tsy maintsy afafy eny amoron‘ny rano rehetra izany. - RH, 22 Aog. 1899 .FK 95.4

    Mety hanao toriteny mahafinaritra sy feno hery ny mpitandrina, ary asa betsaka tokoa no atao mba hanorenana sy hanaovana izay hahatonga ny fiangonana hahazo fanambinana; kanefa raha tsy ny mambra tsirairay no handray ny anjara asany amin‘ny maha-mpanompon‘i Jesôsy Kristy azy ireo, dia ho ao amin‘ny fahamaizinana mandrakariva ny fiangonana ary tsy hanan-kery. Na dia mafy sy maizina aza izao tontolo izao, ny hery miasa mangina avy amin‘ny ohatra tena marim-pototra dia ho hery iray ho amin‘ny tsara. - TFC, b 4, tt. 285, 286.FK 96.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents