Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mpitory Ny Filazantsara Amin’ny Alalan’ny Fitsaboana

    Ilaina ankehitriny ireo mpitory ny filazantsara amin‘ny alalan’fitsaboana. Tsy tokony handany taona maro ianareo amin‘ny fiomanana. Tsy ho ela dia hikatona mandrakizay ireo varavarana izay mbola mivoha ho an‘ny fahamarinana ankehitriny. Ankehitriny, ento ny hafatra. Aza mangataka andro ka hamela ny fahavalo handrombaka ireo saha izay mivelatra ankehitriny manoloana anareo. Aoka hisy vondrona madinika hanatanteraka ny asa izay nanirahan’i Kristy ny mpianany. Aoka izy ireo hiasa amin’maha-mpitory ny Filazantsara azy, manapariaka ireo asasoratsika sy milaza ny fahamarinana amin‘ireo izay ihaonany. Aoka izy ireo hivavaka ho an‘ny marary sy hitsabo azy araka izay ilainy, tsy amin’alalan‘ny fanafody, fa amin‘ny alalan‘ny fitsaboana voajanahary, ary mampianatra azy ny fomba hahazoany fahasalamana indray sy hisorohana ny aretina. - TFC, b. 9, t. 172.FK 181.1

    Ry anadahy sy rahavavy isany, atolory ny tenanareo ho amin’fanompoana ny Tompo. Aza avela hisy hirika hahafaha-miasa mandalo ka tsy nampiasaina. Vangio ireo marary sy mijaly ary manehoa fahalianana feno hatsarampanahy aminy. Raha azo atao dia manaova zavatra mba hahazoany aina kokoa. Izany fomba izany no hahafahanareo mahatratra ny fony ka hanambara teny ho an‘i Kristy. Ny mandrakizay irery ihany no hanambara ny halavitry ny vokatry ny sehatr‘asa toy izany. Hisy fomba ahafahamiasa hafa hisokatra manoloana ireo izay maniry ny hanefa ny adidy akaiky azy indrindra - TFC, b. 9, t. 36.FK 181.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents