Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fizaràna Farany Amin’ny Tantara

    Ny fanoloana ny lalàn’Andriamanitra amin’ny lalàn’ olombelona, ny fanandratan’ny fahefan’olombelona ny Alahady ho solon’ny Sabatan’ny Baiboly, izany no fizarana farany amin’ity tantara ity. Haneho ny Tenany Andriamanitra rehefa mahahenika izao tontolo rehetra izao io fanoloana io. Hiseho amin’ny fiandrianany rehetra Izy mba hanozongozonana ny tany amin’ny fomba mahatahotra indrindra. Hiala eo amin’ny fitoerany Izy mba hanafay ny mponina eo amin’izao tontolo izao, noho ny tsy fahamarinany, ka hamoaka ny ra nateliny ny tany ary tsy hanafina intsony ny maty ao aminy - TFC, b. 7, t. 141.FK 225.1

    Rehefa hamela ny fitsipiky ny fitondram-panjakany toy izany ny firenentsika ka hamoaka ny lalàn’ny Alahady, dia amin’izay no hifandray tanana amin’ny fahefana papaly ny fivavahana prôtestanta; tsy inona izany fa famelomana indray ny fahefampamoretana, izay efa niandry fatratra hatry ny ela ny fotoana hahatongavany indray ho jadom-panjakana mahery vaika. - TFC, b. 5, t. 712.FK 225.2

    Amin’ny didim-panjakana manamafy ny lalàna fototry ny fahefana papaly izay manohitra ny lalàn’Andriamanitra, no hialan’ny firenentsika tanteraka amin’ny fahamarinana. Rehefa hanatsotra ny sandriny ny Prôtestantan’i Etazonia mba hanakatra ny tanan’ny fahefana rômanina; ary hotakariny ihany koa ny tanan’ny Spiritisma, rehefa ho eo ambanin’ny herin’izany firaisan-kery telo mitambatra izany ny firenentsika, dia handà ny fitsipika rehetra voarakitra ao amin’ny lalàmpanorenany amin’ny maha-fitondram-panjakana prôtestanta sy repoblikanina azy izy. Hampahazovahana ny firongatry ny fahadisoan-kevitra sy ny famitahan’ny fahefana papaly izy amin’izany, ary eo no hahafantarantsika fa tonga ny fotoan’ny asampahagagana ataon’i Satana, ka efa akaiky ny farany - TFC, b. 5, t. 451.FK 225.3

    Efa mby akaiky ny fotoana, ka toy ny mpianatr’i Jesôsy, dia voatery isika hitady fierena any amin’ny toerana ngazana sy mitokamonina. Tahaka ny nanaovan’ny tafika rômanina fahirano an’i Jerosalema, izay famantarana ny tokony handosiran’ny Kristianina jiosy, dia toy izany koa ny mahafampitandremana ho antsika ny faneken’ ny firenentsika ny didim-panjakana manery ny fitandremana ny sabata papaly. Amin’izay no fotoana tokony handaozantsika ny tanàn-dehibe sy hiomanana handao ireo tanàn-dehibe kelikely kokoa mba hankanesana any amin’ny toerana mitoka-monina any antendrombohitra. - TFC, b. 5, tt. 464, 465.FK 226.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents