Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 6 - Tokony Hanao Asa Misiônera Ny Mpianatra Mandritra Ny Fiofanany

    Tanjon’Fanabeazana

    Fitaizana hanao asa misionera no tena fanabeazana marina. Ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra tsirairay dia antsoina ho tonga misionera; antsoina hanompo an‘Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika; ary ny zavatra tokony hokendren‘ny fanabeazana antsika dia ny hanomana antsika amin‘io asa fanompoana io. - TFM, t. 325 .FK 90.1

    Ny hampahatanjaka ny tanora hanohitra ny fakam-panahin’fahavalo no nanorenana ireo sekoly izay mety hiofanan’izy ireo ho mahasoa sy ilaina eo amin‘ity fiainana ity sy ho amin‘ny fanompoana an’Andriamanitra mandritra ny mandrakizay. - CTFC, t. 495 .FK 90.2

    Izay miezaka ny hahazo fahalalana mba hahafahany miasa ho an‘ny tsy mahalala sy ny very, no manao ny anjarany amin‘ny fanatanterahana ny fikasan-dehiben’Andriamanitra ho an‘ny taranak‘olombelona. Ny fanatanterahana asa fanompoana tsy ombam-pitiavan-tena ho fitahiana ho an‘ny hafa no mahatratra ny idealy ambony ho amin‘ny fanabeazana kristianina. - CTFC, t. 545.FK 90.3

    Miantso ny tanora lahy sy vavy matanjaka, manolo-tena sy mandà tena Andriamanitra handroso hatrany ho lohalaharana, izay rehefa nandany fotoana fohy tany an-tsekoly dia handeha hiomana ny hanome ny hafatra ho an‘ity izao tontolo izao ity. - CTFC, t. 549 .FK 90.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents