Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Lalam-Pahendrena Tokony Harahina

    Vao mainka hanome hery ny fanenjehana ataon’ireo mafana fo ara-pivavahana, izay mitady hanamafy ny lalàn’ny Alahady ny fihaikana izany lalàna izany. Aoka tsy ho izy ireo no hanao anareo ho mpandika lalàna. Raha toa ka havela hitarika ny olona izay sady tsy matahotra an’Andriamanitra no tsy matahotra olona izy, dia vao mainka hitombo fahaizana amin’izany, ary ho tsapany tsy ho ela fa tsy ilaina intsony ny ho hentitra eo amin’ny fampitandremana ny Alahady.FK 229.3

    Tohizo hatrany ny asa misiônera nanirahana anareo, miaraka amin’ny Baiboly eny an-tanana, fa amin’izany no hahitan’ilay fahavalo fa izy ihany no efa nampanano sarotra ny toe-javatra misy azy. Tsy mandray ny mariky ny bibidia ny olona iray satria fantany tsara ny fahendrena eo amin’ny fihazonana ny fiadanana avy amin’ny fitsaharana amin’ny asa fanao andavanandro, ampian’ny fanaovana asa lehibe indrindra. - TFC, b. 9, t. 232.FK 230.1

    Raha atokantsika ho amin’ny asa fitoriana ny Alahady, dia hihena ny herim-pamoretan’ireo mafana fo mpanaratsy ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Ho tsapany fa tsy ilaina intsony ny hanakantsakana ny asantsika amin’ny fampanekena ny lalàn’ny Alahady, rehefa hitany fa ampiasaintsika amin’ny famangiana olona sy famelabelarana aminy ny Soratra Masina ny Alahady. - TFC, b. 9, tt. 232, 233.FK 230.2

    Azo ampiasaina hanatanterahana sehatr’asa maro ho an’ny Tompo ny Alahady Azo atao amin’io andro io ny fivoriana eny ankalamanjana sy anaty efitrano. Azo atao ny mitety tokantrano. Azon’ny mpanoratra atao ny manoratra ny lahatsorany amin’io andro io. Raha azo atao, dia aoka hisy fanompoam-pivavahana atao ihany koa amin’ny andro Alahady. Aoka hahaliana dia hahaliana fatratra ny saina izany fivoriana izany Mihirà hira tena mamelombelona marina ny fanahy, ka resaho amin-kery sy fahatokiana ny firiavan’ny Mpamonjy Miresaha amin’ny fomba matotra tsara, arahin’ireo fanandramana ara-pivavahana. - TFC, b. 9, t. 233.FK 230.3

    Aoka hatokan’ireo mpampianatry ny sekolintsika ho amin’ny ezaka misiônera ny Alahady. Nampahafantarina ahy fa amin’izany no hahazoany mandrava ny zava-kendren’ilay fahavalo. Aoka hoentin’ny mpampianatra miaraka aminy hitarika fivoriana ho an’ireo izay tsy mbola mahalala ny marina ny mpianatra. Hahavita zava-dehibe mihoatra lavitra noho ny amin’ny fomba hafa izy ireo amin’izany - TFC, b. 9, t. 233.FK 231.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents