Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fanatrehan’ny Fanahy Iray

    Ny ampahany betsaka tamin‘ny asan‘i Kristy dia resaka nifanaovana tamin‘olon-tokana. Nanan-danja manokana teo imasony ny fifampiresahana amin’ fanahy iray. Izay fahalalana noraisin‘izany fanahy izany dia nipariaka avy eo tamin’ireo an‘arivony. - TFC, b. 6, t. 115.FK 165.1

    Reraka sy vizana Izy; nefa tsy nataony an-tsirambina ny fotoana nety niresahany tamin‘ny vehivavy iray, na dia hafa firenena aza izy io, vahiny amin’i Isiraely, sady nivelona tamin‘ny fahotana mivandravandra. Tsy nandrasan’ Mpamonjy ny hahavory ny vahoaka. Matetika dia nanomboka ny fampianarany tamin’olona vitsy nitangorona teo Aminy Izy, dia mijanona tsirairay ny mpandalo hihaino Azy, mandra-pisian‘ny vahoaka be izay gaga sy talanjona mihaino ny tenin’Andriamanitra amin‘ny alalan‘ity Mpampianatra nalefan‘ny lanitra. Ny mpiasa ho an‘i Kristy dia tokony hahatsapa fa afaka miteny amin-kafanampo, na mitory amin‘ny mpino vitsy, na mitory amin‘ny olona betsaka. Mety ho olona iray ihany no hihaino ny hafatra; nefa iza no afaka hilaza hoe hatraiza ny fitaran‘ny vokatry ny hery miasa avy amin‘iny olona iny? Toa tsy dia nisy antony, na dia teo imason’mpianatra aza, ny nandanian’i Jesosy ny androny tamin’ilay vehivavy tao Samaria. Nefa afaka nampiseho ny heviny tamin‘ny hafanam-po sy tamim-pahakingana bebe kokoa teo aminy Izy noho ny teo anatrehan‘ny mpanjaka, ny mpanolo-tsaina, na ny mpisoronabe. Ny lesona izay nomeny io vehivavy io dia naverimberina hatrany amin’faran’tany lavitra indrindra. - IFM, tt. 1924-1931.FK 165.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents