Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiaraha-Miasa Amin’ny Iraky Ny Lanitra

    Ilaintsika ny hahafantatra bebe kokoa mihoatra noho izao ny asa nanirahana ny anjely. Ho tsara ny mahatsiaro fa miara-miasa amin’ny tena zanak’Andriamanitra marina rehetra ny any an-danitra. Misy tafiky ny mazava sy ny hery manampy ny madio fo sy ny manetry tena mino sy mitaky ireo teny fikasan’Andriamanitra. Mijoro eo antanan’ ankavanan’Andriamanitra ny kerôbima sy ny serafima, sy ny anjely mahery indrindra, samy fanahy manompo, nirahina hanao fanompoana ho an’izay hanova ny famonjena. — VM, t. 136.FK 362.1

    Tsarovy fa ny Tompo Jesôsy no Tompon’ny asa. Izy no manondraka ny voa nafafy. Izy no mametraka ao an-tsainao ireo teny izay hahatratra ny fon’ny olona. TFC, b. 9, t. 41.FK 362.2

    Atolory ho amin’ny as an’Andriamanitra ny tenanao manontolo. Izy no ho tanjakao, ary ho eo an-tanana ankavananao Izy hanampy anao hanohy ny drafitr’asany be indrafo. — TFC, b. 9, t. 41.FK 362.3

    Ireo anjelin’ny lanitra dia hanampy ny olona izay mikatsaka amin’ny finoana tsy azo hozongozonina izany fahatanterahan’ny toetra ara-panahy izany, dia izay hahatratra fahatanterahana eo amin’ny fampiasana azy. Hoy Kristy amin’izay rehetra mirotsaka amin’izany asa izany: “ Eo ankavananao hanampy Aho”.FK 362.4

    Rehefa miara-miasa amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny sitrapon’ny olona, dia manan-kery indrindra izy. Na inona inona tokony hatao noho ny baikony, dia mety ho tanteraka noho ny heriny. Ny baikony rehetra dia samy teny fikasana avokoa. - HF, t. 288.FK 362.5

    Eo am-piasana mitady ny fanahy very no hahazoanao firaisana amin’ ny anjely. An’arivorivo, ary an’aliny maro ireo anjely miandry fiaraha-miasa amin’ny mambran’ny fiangonana, mampita ny fahazavana nomen’Andriamanitra tamimpahatsorana mba hiomanan’ny olona ho amin’ny fiavian’i Kristy. - TFC, b. 9, t. 129.FK 363.1

    Vonona hifarimbona amin’io asa io ny anjelin’ny lanitra rehetra. Azon’ireo izay miezaka hamonjy ny very baikona ny tahirin’ny lanitra rehetra. Hanampy anao ny anjely hahatratra ny tsy miraika indrindra sy ny efa maty fo indrindra. Ary rehefa misy iray tafaverina amin’Andriamanitra, ny lanitra manotolo no tonga fifaliana; ny Serafima sy ny Kerobima dia mitendry ny lokanga volamena ka mihira fiderana an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, noho ny famindrampony sy ny fiantràny ary ny fitiavany ny zanak’olombelona. — HF, t. 164.FK 363.2

    Ilay niantso ny mpanarato tany Galilia no mbola miantso olona koa ankehitriny hanompo Azy. Vonona indrindra haneho ny heriny amin’ny alalantsika Izy tahaka ny nahavonona Azy tamin’ny mpianatra voalohany Na dia tsy tanteraka sy mpanota aza isika, dia maharitra manolotra antsika ny fiarahamiasa Aminy Izy, sy ny fianarana asa Aminy. Manasa antsika Izy handray ny fitarihan’Andriamanitra, mba hahazoantsika manao ny asan’Andriamanitra, rehefa miray amin’i Kristy isika. — IFM, t. 309.FK 363.3

    Tsy heverinao ve fa manome lanja an’ireo izay miaina amin’ny fahafenoany ho Azy i Kristy? Tsy heverinao ve fa mamangy ireo izay eo amin’ny toerana tsotra sy mafy noho ny Aminy Izy, tahaka ny tamin’ny Jaona rahalahy malala? Hitany izay matoky Azy, sy mihazona firaisana Aminy, ka mampahery sy mampahatanjaka azy Izy. Ary ny anjelin’Andriamanitra izay manana hery lehibe, dia nirahin’Andriamanitra hanampy ny olona ampiasainy hilaza ny fahamarinana amin’izay tsy mbola mahalala izany. — TFC, b. t. 17.FK 363.4

    Ny lanitra manontolo no miasa, ary ny anjelin’Andriamanitra dia miara-miasa amin’izay rehetra miara-manatontosa ny drafitra, ka amin’izay no mety handrenesan’ny fanahy izay nahafatesan’i Kristy, ny vaovao mahafaly momba ny famonjena. Hilaza amin’ny olo-marina rehetra ny anjely izay manampy an’ireo izay ho tonga mpandova ny famonjena, hanao hoe: “ Misy asa asaina hataonao ity: ‘Mandehana ka mitsangàna ary mitoria amin’vahoaka (...) ny teny rehetra milaza izany fiainanan izany.’ — Asa. 5:20”. Raha mankatò izany baiko izany ireo izay iantefany, dia hanomana ny lalana mialoha ho azy ny Tompo, ka hanome azy izay rehetra ilainy any amin’izay rehetra alehany. - TFC, b. t. 433, 434.FK 364.1

    Amin’izao androntsika izao, dia tokony hiasa amin-kery mba hanampy ny namany ny zanak’Andriamanitra tsirairay avy.FK 364.2

    Hiaraka amin’ireo izay mahafantatra ny fahamarinan’ny Baiboly ka miezaka hitady lehilahy sy vehivavy maniry fatratra ny fahazavana ny anjelin’Andriamanitra. Na aiza na aiza no izoran’ny anjely, dia azo atao ny mandroso tsy amin-tahotra. Hahatarika mpanota maro hiala amin’ny fanompoamtsampy mba hivavaka amin’Andriamanitra velona ny vokatry ny fiezahana mafana nataon’ireny mpiasa mahatoky ireny Ka dia hitsahatra tsy hanandratra intsony ny fanorenana nataon’olombelona izy ireo, ary hiandany tsy amimpisalasalana amin’Andriamanitra sy ny lalàny. - MM, t. 138.FK 364.3

    Manara-maso ny ady izay ataon’ny mpanompon’Andriamanitra indraindray amin’ny toe-javatra mahakivy ireo fahefana sy herin’ny lanitra. Misy fandresena vaovao azo, misy voninahitra vaovao, raha ny Kristiana mivory manodidina ny fanevan’Ilay Mpanavotra azy no mandroso miady ny ady tsaran’ny finoana. Ny anjelin’ny lanitra rehetra dia manompo ny vahoakan’Andriamanitra tsotra sy mino; ary rehefa mihira hira fiderana ny tafiky ny mpiasan’i Jehovah eto antany, dia miara-mihira aminy ny antoko mpihira any ambony manandratra fiderana ho an’Andriamanitra sy ny Zanany. — VM, t. 136.FK 364.4

    Tsy noho ny hery avy amin’olombelona no mampahomby ny asa, fa ny herin’ny anjelin’ny lanitra miara-miasa amin’ny olona no mitondra fahatanterahana amin’ny asa. Mety hoe mamboly fotsiny ohatra i Paoly, ary i Apôlôsy kosa manondraka, fa Andriamanitra no mampitombo ny voly. Tsy afaka manao ny anjaran’Andriamanitra amin’izany asa izany ny olona. Amin’ny maha-olona azy, dia afaka miara-miasa amin’ny anjelin’Andriamanitra ny olona, sy manao amimpahatsorana sy amim-panetren-tena izay tratry ny ainy, ary hahita fa Mpiasa Lehibe tokoa Andriamanitra. Na mety ho tra-pahafatesana aza ny mpiasa, dia tsy hiato ny asa fa hitohy mandra-pahavitany. - RH, 14 Nôv. 1893.FK 365.1

    Manana mpanampy ao amin’i Jehôvah mandrakariva ny Kristianina. Mety tsy ho fantatsika ny fomba entin’ny Tompo manampy antsika; fa ity kosa dia fantatsika: tsy nanao velively ny tsy hampahomby ireo izay mametraka fitokisana Aminy Izy. Raha mahatsapa ny Kristianina hoe impiry no efa nitondran’ny Tompo ny lalany, ka tsy nahatanteraka ny fikasan’ny fahavalo taminy, dia tsy ho nitaraina fa solafaka izy. Nijanona tamin’Andriamanitra ny finoana, ary tsy ho nisy fitsapana nanana ny hery nanova azy. Ho fantany fa Izy no fahendreny sy fahombiazany, ary ho nampahalalany azy fa maniry fatratra hiasa amin’ny alalan’ny olona Izy. — PP, t. 576 .FK 365.2

    Izay rehetra mirotsaka amin’ny fanompoana dia anisan’ny tanan’Andriamanitra manampy. Maro ny mpiara-miasa amin’ny anjely; izy ireo no iraka, ary avy amin’ny alalany no hamitan’ny anjely ny iraka nampanaovina azy. Amin’ny alalan’ny feony no hitenenan’ny anjely, ary amin’ny tanany no iasany koa. Ary ny mpiasa, raha miara-miasa amin’ny anjelin’ny lanitra, dia hahazo tombontsoa avy amin’ny fanabeazana sy ny fanandramana niainany. - Ed, t. 271.FK 365.3

    Miantso ny lehilahy sy vehivavy rehetra i Kristy hisikina ny ny akanjon’ny fahamarinany, ka hanomboka ny asa. “Eo ankavananao Aho hanampy anao”, hoy Izy. Ento amin’Andriamanitrao ny fanahianao sy ny vesatrao rehetra. Tsy hamitaka velively ny fahatokianao Izy. Tsy misy zavatra sarobidy amin’i Kristy mihoatra noho ny fananany navotany, dia ny Fiangonany, ny mpiasa izay handroso hamafy ny voan’ny fahamarinana (...) Diniho anie i Kristy. Any amin’ny fitoerany masina Izy, tsy hoe mitoka-monina, fa voahodidin’ireo anjelin’ny lanitra an’aliny maro izay miandry fotsiny hanatanteraka izay baikony. Ary mibaiko azy handeha sy hiasa amin’ny fanahy malemy indrindra izay mametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra Izy. Sarangan’olona ambony sy ambany, manan-karena sy mahantra, dia samy omeny fanampiana mitovy fatra. — SW, 07 Nôv. 1905.FK 366.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents