Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampaherezana Ireo Izay Vao Manomboka Eo Amin’ny Asa Fanompoana Kristianina

    Ny olona miasa mafy mahomby indrindra dia ireo izay mandray an-tanana amim-pifaliana ny asa fanompoana an’Andriamanitra eo amin’zavatra madinika. Ny olona tsirairay dia tsy maintsy miasa amin’kofehin’fiainany, mandrary izany amin’ilay rafitra (amin’fiaraha-monina), mba hanampy hahatanteraka ilay môdely. — TFC, b. 6, t. 115.FK 140.1

    Tokony hataontsika asam-pahafoizan-tena ny adidintsika isan’andro, mitombo mandrakariva ny filàna antsika, satria ny mandrakizay no itarafantsika ny asantsika. - TFC, b. 9, t. 150.FK 140.2

    Manana toerana ho an’tsirairay ny Tompo ao amin’fikasany lehibe. Ny talenta izay tsy ilaina dia tsy omena. - TFC, b 9, t. 37.FK 140.3

    Samy manana ny anjara toerany eo amin’ fandaminana ataon’ lanitra hatramin’ mandrakizay izy. Ny tsirairay dia tokony hiara-miasa amin’i Kristy amin’famonjem-panahy. Ny toerana voaomana ho antsika any amin’ kianjan’ ny lanitra dia tsy mihoatra noho ny toerana manokana voatendry hiasantsika ho an‘ Andriamanitra eto an-tany ny ahazoana antoka azy. - HF, t. 282FK 140.4

    Mifantoka amin‘ny tsirairay amin’olony ny mason’Tompo; manana ny fikasany mikasika azy ireo tsirairay Izy. - TFC, b. 6, t. 12.FK 141.1

    Misy zavatra azon’rehetra atao ao amin‘ny asa [asan’Andriamanitra]. Tsy misy holazaina ho tsy manantsiny eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy efa niasa taminkafanam-po, tsy mila tambiny, ho famonjena fanahy izy. - TFC, b. 5, t. 395.FK 141.2

    Tsy azo afindra amin’hafa ny adidinao. Tsy misy afatsy ianao no afaka hanao ny asanao. Raha tsy asehonao ny fahazavanao, dia misy olona any, tavela ao amin’ haizina, noho ny tsirambina nataonao. - TFC, b. 5, t. 464.FK 141.3

    Ny mpiasa feno fanetren-tena izay mankatò ka mamaly ny antson’ Andriamanitra dia mahazo antoka fa handray fanampiana avy amin’ Andriamanitra. Ny fanekena andraikitra lehibe sy masina toy izany dia efa manandratra ny toetra amam-panahy; mitaky ny asan’ hery ara-tsaina sy ara-panahy ambony indrindra izany, ary mampahery sy manadio ny saina sy ny fo. Amin’alalan’finoana ny herin’Andriamanitra, dia mahagaga ny mahita ny fomba nahatonga ilay olona malemy teo ho matanjaka, sy ny mahita ny fiezahany feno fanapahankevitra ary ny nihamaroan’vokatra lehibe azony. Izay manomboka amin’ fahalalana kely amin’ fomba tsotra, sy milaza izay fantany, ka mitady amim-pahazotoana fahalalana hafa hatrany, dia hahita ny haren’lanitra manontolo efa miandry ny fangatahany. Arakaraka ny itadiavany hizara fahazavana no handraisany fahazavana bebe kokoa, arakaraka ny iezahantsika hanazava ny tenin’ Andriamanitra amin’ hafa amin’ fitiavana, no hampahazava kokoa indray izany amin’ tenantsika. Arakaraka ny fampiasantsika ny fahalalantsika sy ny herintsika, no hitomboan’ fahalalana sy ny hery ananantsika. - HF, t. 308.FK 141.4

    Aoka ny rehetra hiasa ho an’ Andriamanitra sy ho an‘ny fanahy; aoka haneho fahendrena ny tsirairay, ary tsy ho hita midonanapoana na oviana na oviana, miandry olona hanome asa azy hatao. Ilay anankiray afaka manome asa hataonao dia tototra andraikitra, ka very ny fotoana miandry ny baiko avy aminy. Hanome fahendrena anao Andriamanitra amin‘ny firotsahanao an-daharana avy hatrany; satria mbola atao foana ny antso manao hoe: “ Anaka, ndeha miasa any amin ‘ny tanimboaloboko anio. ” “Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo.» - Heb. 3:7,8. Ny teny mamy hoe «anaka» no teny mialoha ilay fitakiana ampiasain‘ny Tompo. Akory ny hamamin’izany, mampihetsi-po tokoa, kanefa koa ambonin‘izany, maika dia maika tokoa! Sady baiko mantsy ny fanasana ataony. — CT, t. 419.FK 142.1

    Ny asa fanompoana manafika no hahazoana tsara indrindra hery hoentina manohitra ny ratsy. - VM, t. 95.FK 142.2

    Manjary feon-kiran‘ny lanitra ny asa rehetra atao amimpahamarinana sy amin-kindrafo ary amin’fo. - RH, 16 Aog. 1881.FK 142.3

    Ny toe-tsain’i Kristy dia toe-tsaina misionera. Ny fihetsika voalohany indrindra ataon’fo nohavaozina dia ny hitondra ny hafa koa ho eo amin’Mpamonjy. - HM, t. 70.FK 142.4

    Ny fanaovana ny asa nanirahan’i Kristy amin’fo irery ihany no itomboantsika amin’fahasoavana. — RH, 7 Jona 1887.FK 142.5

    Tsy hiandry fotoana lehibe, na hanantena fahaizana mihoapampana ianao vao handeha hiasa ho an Andriamanitra. - DHK, t. 98.FK 142.6

    Olona mampiasa ny heriny rehetra amin’fanompoana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny olona izay manasoa ny fiarahamonina sy mahatonga fahombiazana eo amin’fiainana, na nahita fianarana izy na tsia. - SW, 2 Apr. 1903.FK 143.1

    Betsaka ireo izay nomen’Andriamanitra fahaizana hanao asa tena tsara no tsy mahavita afa-tsy kely dia kely, satria kely no hiezahana hataony. - HF, t. 286.FK 143.2

    Efa nahavita asa ho an’Tompo sahady ianao raha lavo intsivy amby sivy folo tamin’zato, kanefa nahavonjy fanahy iray tamin’fahaverezana. - TFC, b. 4, t. 132.FK 143.3

    Ny firaisan’Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra, hoatra ny tsy nisy afa-tsy iny fanahy iny no nanomezany ny Zanany malalany. - DHK, t. 119FK 143.4

    Hitan’Andriamanitra sy fantany ianao na dia eo aza ny fahalemenao, ary hampiasainy ianao raha toa ka atolotrao ho fanomezana masina ho an’asany ny talentanao; satria amin’fanompoana mavitrika sy tsy mijery ny an’tena no hahazoan’malemy hery sy handraisany ny hafatra sarobidy.FK 143.5

    Kasinga iray amin’hery ny fifaliana avy amin’Andriamanitra. Fiadanana tsy takatry ny saina no valisoa amin’fiainana ety raha mahatoky ianao, ary hiditra amin’fifalian’Tomponao ianao amin’fiainana ho avy. - TFC, b. 8, t. 34.FK 143.6

    Hahavonjy fanahy maro ny olona izay tsy manana afa-tsy talenta kely raha mahatoky amin’fitehirizana ny fony amin’fitiavan’Andriamanitra izy Mpanamboatra fiarakodia mahantra, tsy dia havanana loatra ary tsy nahita fianarana firy i Harlan Page, kanefa nataony vaindohan-draharaha ny fikatsahana izay hampandroso ny momba an’Andramanitra. Hosatrohana ny satro-boninahitry ny fahombiazana ny ezaka nataony.FK 143.7

    Niasa mafy ho an‘ny famonjena ny mpiara-belona taminy tamin’alalan’firesahana manokana sy ny vavaka mafana izy. Nanao fivoriam-bavaka sy nanangana sekoly alahady ary nizara trakita sy bokim-piangonana hafa ihany koa. Hoy izy teo am-pandrian‘ny fahafatesana, nahazo sary an-tsaina ny fiainana mandrakizay: fantatro fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra avokoa, fa tsy noho ny anton-javatra hafa no nahavitako izany; kanefa sahiko ny milaza fa fanahy mihoatra ny arivo no niova fo noho ny fanekeko ny tenako ho fitaovan‘Andriamanitra. - TFC, b. 5, tt. 307,308.FK 144.1

    Tsy lanitry ny Kristianina ity izao tontolo izao ity fa toerampiasan’Andriamanitra fotsiny ihany ka natao hampikambana antsika amin‘ny anjelin’lanitra masina tsy misy tsiny. - TFC, b. 2, t. 187.FK 144.2

    Na dia izay ambany sy mahantra indrindra amin‘ny mpianatr‘i Jesosy aza dia mety ho fitahiana amin’hafa. Angamba tsy fantany fa manao asa soa lehibe izy, nefa noho ny heriny tsy ampoizina dia indro izy manomboka alon-dranom-pitahiana izay mitatra sy mihalalina: ary ny ho voka-tsoa angamba tsy ho fantany akory ambara-pahatongan’andro famaliana amin’farany. Tsy tsaroany sady tsy fantany fa manao zava-dehibe izy. Tsy ilaina akory ny ho vizana sy hanahy ny amin‘izay vokatra ho azo. Tsy maintsy mandroso fotsiny amim-pahanginana izy, hanao amim-pahamarinana ny asa voatendrin’Andriamanitra, ary dia tsy ho foana ny fahavelomany eto ambonin’tany. Ny fanahy koa hitombo lalan-dava ho tahaka an‘i Kristy: mpiara-miasa amin‘Andriamanitra izy eto amin’ity fiainana ity; ary noho izany dia tonga mendrika ho amin’asa ambony kokoa sy ny fifaliana tsy arahin-tsento any amin‘ny fiainana ho avy. - DHK, t. 99.FK 144.3

    Betsaka ireo manolo-tena ho an‘i Kristy nefa tsy mba mahita fotoana hanaovana asa lehibe eo amin‘ny fanompoana Azy. Aoka hahita fiononana izy ireo amin‘ny fientreretana fa tsy dia ny fileferan’maritiora tsy akory no tsy maintsy ankasitrahan’Andriamanitra indrindra. Mety tsy ho misionera izay miatrika ny loza sy ny fahafatesana isan’andro akory no hitana ny toerana ambony indrindra eo amin‘ny boky fahatsiarovana any an-danitra. Izay tena kristiana marina eo amin’fiainany manokana, eo amin’fampileferany ny tenany isan’andro, eo amin‘ny fahatsoran‘ny fikasany sy ny fahadiovan’eritreriny, eo amin‘ny fahalemem-panahiny raha misy fihantsiana azy, amin‘ny toetra mahatoky amin’kely indrindra, eo amin’finoana sy ny fitiavam-bavaka, ny olona izay mampiseho ny toetran‘i Kristy eo amin’fiainany ao an-tokantrano, ny olona toy izany no mety ho sarobidy kokoa eo imasonAndriamanitra noho ny misionera na ny maritiora fanta-daza eran-tany. - HF, t. 355.FK 145.1

    Tsy ny habetsahan’asa vita na ny vokatr‘izany hita maso, fa ny toe-tsaina nanaovana azy no mahatonga ny asantsika hisy vidiny eo anatrehan’ Andriamanitra. - HF, t. 350.FK 145.2

    Tsy noho ny halehiben’asa vita na ny habetsaky ny vokatra no hahazoana sitraka amin’Andriamanitra fa noho ny fahatokiana na dia amin’zavatra kely aza. Tsy ny vokatra tsara azontsika no jeren’Andriamanitra fa ny antony manosika antsika hiasa. Ankasitrahany mihoatra lavitra noho ny halehiben’asa vita ny hatsaran-toetra sy ny fahatokiana. - TFC, b. 2, tt. 510, 511.FK 145.3

    Aza manao tsinontsinona ny asa madinidinika ka mitady izay lehibe. Mety hahavita amim-pahombiazana ny asa madinika ianao, saingy kivy noho ny tsy fahombiazana tamin’asa lehibe. Ataovy izay asa fantatrao fa tokony hatao. Nantsoin’ Andriamanitra hanao asa fanompoana ho Azy ianao, na manan-karena na mahantra, na manana ny maha-ianao anao na manetry tena. Amin’fiezahanao hanao izay vitanao no hahafahanao mampitombo ny talenta sy ny fahaizamanaonao amin‘ny asa; ary ny fanaovana an-tsirambina ny tombontsoa miseho isan‘andro no tsy hahitanao vokatra sy hampahareraka anao. Izany no mahatonga ny azo maro be tsy hamoa eo amin‘ny sahan‘ny Tompo. - TFC, b. 9, t. 129.FK 145.4

    Irin‘ny Tompo ny ampiasantsika ny fanomezana rehetra ananantsika; ary raha manao izany isika, dia hanana fanomezana lehibe kokoa hampiasaina. Tsy manome antsika ny fanomezana tsy ampy amintsika amin‘ny fomba tsy voajanahary Izy; fa rehefa ampiasaintsika izay ananantsika, dia hiasa ao amintsika Izy hampitombo sy hampahery ny faharanitana rehetra eo amintsika. Hitombo ny herintsika noho ny fahafoizan-tena atao amin’fo manontolo sy mazoto eo amin‘ny fanompoana ny Tompo. - HF, t. 308.FK 146.1

    Mampihetsi-po an‘i Kristy ny mahita ny mahantra amin’lafiny rehetra; mampihetsi-po Azy ihany koa ireo izay toa tsy afa-po ka mangetaheta ny fahamarinana, toy izany ihany koa ny tsy fahasahiana ao anatin‘ny maro. Tsy mihemotra eo anatrehan‘ny endri-javatra toy izany, izay mety hampihemotra my mpiasa maro anefa Izy. - GW, t. 37.FK 146.2

    Tsy voatery handeha any amin’tanin‘ny mpanompo sampy na handao ny trano fonenantsika isika vao afaka hiasa ho an‘i Kristy. Azontsika atao izany ao amin‘ny ankohonantsika, ao amin‘ny fiangonantsika ary amin‘izay mifanerasera sy miaramiasa amintsika. - DHK, t. 96.FK 146.3

    Ho lahatsoratra handrafitra ny lahateny manaitra ny toejavatra rehetra mitranga, raha ianarantsika ny fiainan’i Kristy sy ny fampianarany. - TFC, b. 9, t. 63.FK 146.4

    Fanombohana ny fiainana any an-danitra ny fiainana ety antany; fiainana sahady ny fitsipiky ny lanitra ny fanabeazana ety an-tany; fanofanana ho amin‘ny fiainan‘asa any ny fiainan’asa ety; ary maneho izay tena ho maha-isika antsika ny toetrantsika sy ny fahamasinantsika amin‘ny asa ankehitriny. - Ed, t. 307.FK 146.5

    Mandà ilay hany fanofanana tokana izay hahafahana miray lova amin‘i Kristy amim-boninahitra ireo izay mandà ny tombontsoa hiara-miasa Aminy sy mandà ny fampianarana izay hahazoana hery sy hananana toetra ambony. - Ed, t. 264.FK 147.1

    Aoka tsy hisy hihevitra fa afaka hivelona amin‘ny fiainana feno fitiavan-tena izy ary avy eo, rehefa nanompo ny tombontsoan’ny tenany, dia hiditra amin’fifalian’ny Tompony. Tsy afaka handray anjara amin‘ny fifalian‘ny fitiavana tsy mitady ny azy izy. Tsy vonona ho any amin‘ny lapan‘ny lanitra izy. Tsy hainy ny mankafy ny rivo-piainana madio feno fitiavana izay mameno ny lanitra. Tsy hahafa-po azy ny feon‘ny anjely sy ny feon-java-maneno avy amin‘ny lokangan‘izy ireny. Zavatra saro-pantarina ho azy ny siansan‘ny lanitra. - HF, t. 318, 319.FK 147.2

    Miantso antsika i Kristy hiasa amim-pitozoana sy amimpaharetana ho an’olona an’arivony any amin‘ny toerana maro, very ao anatin‘ny fahotana. Tsy maintsy miaramiombona asa Aminy amin‘ny fanampiana ny malemy sy mijaly ary kivy ireo izay maniry hanana anjara amin’voninahitr’i Kristy. — TFC, b. 9, t. 31.FK 147.3

    Tokony handray ny toeran’ mpanompo avokoa ny olona rehetra. Hahita Azv amim-pinoana miara-miasa aminy izy ireo, miara-miombona alahelo amin’ mpiara-belona aminy, tahaka ny niantran’i Kristy ny taranak‘olombelona. — TFC, b. 7, t. 272.FK 147.4

    Toy ny mipetraka alain-tsary Kristy mba ho ao amin’ mpianany tsirairay ny sariny. Notendren’Andriamanitra mialoha ny tsirairay «hitovy endrika amin’ny Zanany» - Rom 8:29. Ao amin‘ny tsirairay no tokony haseho amin’izao tontolo izao ny fitiavan‘i Kristy mahari-po, ny fahamasinany sy ny fahalemem-panahiny ary ny fahamarinany. - IFM, t. 886 Izany antso izany, izay manasa antsika hametraka ny zavatra rehetra eo ambony alitaran‘ny fanompoana, dia alefa amintsika tsirairay avy koa. Tsy ny hanao fanompoana toy izay nataon‘i Elisa akory no angatahina hataontsika rehetra, ary tsy isika rehetra no baikona hivarotra ny fananantsika rehetra, fa mangataka antsika Andriamanitra hanolotra ny anjara toerana voalohany eo amin‘ny fiainantsika ho amin’fanompoana Azy, ka tsy hamela andro iray handalo fotsiny tsy hanaovan-javatra ho fampandrosoana ny asany eto antany isika. Tsy manantena antsika rehetra hanao asa mitovy akory Izy. Ny iray angamba handeha hiasa any an-tany hafa, fa ny iray kosa antsoina hanohana ara-bola ny asa fitoriana ny Filazantsara. Eken’ Andriamanitra anefa ny fanomezana ataon’tsirairay. Fa ny zava-dehibe, dia ny fanokanana ny fiainantsika sy izay rehetra momba azy ho an’Andriamanitra. Izay manolo-tena toy izany dia handre ny hakanton’antson‘ny lanitra. - MM, t. 183.FK 147.5

    Ny olon-kendry eo amin’izao tontolo izao, izay mandinika lalina sy manao drafitra, ary misaintsaina mandrakariva ny raharahany, dia tokony hikatsaka ny hanam-pahendrena eo amin‘ny lafin‘ny tombontsoa maharitra mandrakizay Inona no tsy ho vitany raha toa ka hanokana hery be araka izay vitany izy, eo amin’fanangonana ny haren’lanitra sy ny fananana fiainana tahaka ny an’Andriamanitra, toy izay ataony koa eo amin’fanangonana ny tombontsoa eto amin’izao tontolo izao? - TFC, b. 6, t. 297.FK 148.1

    Hanetsika ny olona ambanimbany saranga Andriamanitra mba hanambara ny hafatry ny fahamarinana ankehitriny. Ho hita ho dodona etsy sy eroa ny maro amin‘izy ireny, izay asesiky ny Fanahin’Andriamanitra mba hanome fahazavana ho an‘ireo izay ao amin‘ny maizina. Toy ny afo ao amin’taolany ny fahamarinana, ka mameno azy amin‘ny hetaheta hanazava izay mitoetra ao amin‘ny maizina. Maro, eny, fa na dia amin‘ireo tsy nahita fianarana aza, no hanambara ny tenin‘ny Tompo. Hampirisihin‘ny Fanahy Masina ny ankizy mba handeha hanambara ny hafatry ny lanitra. Homena mitafotafo ho an‘ireo izay maniry mafy ny hahazo ny hafatra avy Aminy ny Fanahy Masina. Hirotsaka ho anisan‘ny tafik’Andriamanitra izy ireo amin‘ny famahana ny fatoran‘ny lalàn‘ny olona sy ny fihetsiketsehana feno fahamalinana ataony. - TFC, b. 7, tt 26, 27.FK 148.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents