Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mametraka Ny Tsirairay Araka Ny Toerana Sahaza Azy

    Ny olona tsirairay izay nanampy ny laharana tamin‘ny alalan‘ny fiovam-po dia apetraka eo amin‘ny toerana hanaovany ny adidiny. Ny tsirairay avy dia tokony ho vonona ny ho eo, na ny hanao zavatra na inona na inona izany eo amin‘ity ady ity. - TFC, b. 7, t. 30 .FK 104.1

    Tsy ny sokajin-draharaha toy ny sekoly sy ny hôpitaly be dia be, na trano ngezabe, na fisehoana goavana no takin’Andriamanitra, fa asa mirindra ataon‘ny vahoaka manokana, vahoaka izay nofidin’Andriamanitra ary sarobidy.FK 104.2

    Ny olona tsirairay dia tokony hijoro eo amin‘ny anjarany sy ny toerany, mihevitra, miteny, sy miasa mifanaraka amin‘ny Fanahin’Andriamanitra. Izay, ary amin‘izay ihany, vao ho tanteraka sy hirindra amin‘ny fahafenoany ny asa. TFC, b. 6, t. 293.FK 104.3

    Ny tanjaky ny tafika anankiray dia refesina amin‘ny alalan‘ny fahombiazan’ ireo olona eo an-daharana. Ny jeneraly hendry iray dia hanome torolalana ireo manamboninahitra eo aminy mba hanofana ny miaramila tsirairay avy ho amin’fanompoana mavitrika. Tadiaviny izay hampivelarana ny fahombiazana ambony indrindra avy any amin‘ny rehetra. Raha miantehitra amin‘ny manam-boninahitra irery izy dia tsy afaka hanantena mihitsy fanafihana feno fahombiazana. Mitoky amin‘ny fanompoana mahatoky sy tsy mety sasatra avy amin’olona tsirairay ao amin’tafiny izy. Mipetraka bebe kokoa amin’olona eo an-daharana ny andraikitra. - TFC, b. 9, t. 116.FK 104.4

    Miantso mpiasa ho mpitory ny filazantsara ny Tompo. Iza no hamaly izany? Tsy izay rehetra miditra ao amin’tafika no ho jeneraly, kapiteny, serzà, na kapôraly aza. Tsy ny rehetra no hanana andraikitra sy hikarakara ny fitanhana. Misy asa mafy karazan’hafa izay tsy maintsy hatao. Ny sasany tsy maintsy mandavaka hady lalina sy lava sy hanangana manda; ny sasany hitsangana ho toy ny mpitily; ny sasany ho mpitondra hafatra. Raha tsy misy afa-tsy kely fotsiny no manam-boninahitra, dia miaramila be dia be no takina mba hirotsaka an-daharana ary hilahatra eo amin’tafika; kanefa ny fahombiazany dia miankina amin’fahatokian’miaramila tsirairay. Ny hakanosana na ny famadihan’olona anankiray dia mety hitera-doza ho an’tafika manontolo. - GW, tt. 84,85 .FK 105.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents