Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Irahina Tsiroaraoa

    Niantso ny roa ambin‘ny folo nanodidina Azy Jesosy ka naniraka azy handeha tsiroaroa hitety ny tanàna sy ny vohitra. Tsy nisy nalefany irery, fa ny rahalahy nampiarahany tamin’ ny rahalahy, ny mpinamana tamin‘ny namany. Tamin‘ izany no nahazoany nifanampy sy nifampahery, nifanoro hevitra sy nifampivavaka; ny iray mameno ny fahalemen‘ ny anankiray. Tamin‘ny fomba toy izany koa no nanirahany ny fitopolo lahy taty aoriana. Fikasan‘ny Mpamonjy ny hampiarahana toy izany ny mpitory ny filazantsara. Amin‘ izao androntsika izao dia hisy vokany be lavitra ny asa fitoriana ny filazantsara raha arahina akaiky kokoa io ohatra io. - IFM, t. 368.FK 180.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents