Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Valisoa Amin’ny Hoavy

    Fiainana mandrakizay — Amin’ny alalan’ny fiezahana matotra amim-piheverana hanampy amin’izay ilàna fanampiana no anehoan’ny Kristianina marina ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny namany. Mety hamoy ny ainy eo am-panompoana izy; fa raha ho tonga kosa i Kristy hamory ireo sombin’ainy ho eo Aminy, dia ho hitany indray izany. - TFC, b. 9, t. 56.FK 379.4

    Fiarahabana tonga soa — Mijoroa eo amin’ny tokonambaravaran’ ny mandrakizay ka henoy ny fiarahabana tonga soa aman-tsara ataon’ireo niara-niasa tamin’i Kristy teto amin’ity fiainana ity, ka nihevitra ho toy ny tombontsoa sy voninahitra ary fijaliana ho Azy (...) Ao ireo voavotra dia misaotra ireo izay nitondra azy teo amin’ny Mpamonjy nasandratra. Miray izy ireo misaotra an’Ilay maty mba hahazoan’ny olombelona fiainana izay mifamatra amin’ny fiainan’ Andriamanitra. Vita ny ady. Tapitra ny fijaliana sy ny tolona rehetra. Hirampandresena no mameno ny lanitra manontolo, raha mijoro manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny voavotra. Miaraka manao ny hiram-pifaliana izy rehetra manao hoe: “ Mendrika ny Zanak’ondry Izay voavono ” ka nanavotra antsika ho amin’Andriamanitra. - TMF, tt. 428, 429.FK 380.1

    Raha ny firaketana no maneho fa toy izany ny fiainany, ka nahitana fahatsorana, fahafoizan-tena, fangoraham-po ny toetrany, dia handray toky sy fitahiana avy amin’i Kristy izy. “ Tsara izany (...)” Mat. 25:23, hoy Izy mankasitraka, “ Avia hianareo izay notahian ‘ny Raiko, mandovà ny fanjakana voavoatra ho anareo batrizay nanorenana izao tontolo izao. ” — Mat. 25: 34. — TFC, b. 3, t. 525.FK 380.2

    Rivo-piainan’ny Lanitra — Miady ny Fiangonana ankehitriny. Ankehitriny isika dia mifanehatra amin’izao tontolo izao ao amin’ny haizina, saiky nanolo-tena manontolo ho amin’ny fanompoan-tsampy. Nefa avy ny andro izay hahavitan’ny ady, ka hahazoana ny fandresena. Ho tanteraka eto an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra. Ny firenen’ny voavonjy dia izay tsy hahalala lalàna hafa noho ny lalàn’ny lanitra. Izy rehetra dia ho fianakaviana iray sy sambatra, mitafy ny fitafian’ny fiderana sy ny fisaorana, dia ny akanjon’ny fahamarinan’i Kristy. Ny zava-boahary rehetra ao amin’ny hakantony mihoatra ny zavatra rehetra, dia hanolotra hiram-piderana sy fanajana an’Andriamanitra. Ho safotry ny fahazavan’ny lanitra izao tontolo izao. Hazava toy ny masoandro ny volana, ary ny fahazavan’ny masoandro dia ho impito heny noho izao. Handroso hatrany hitombo fifaliana ny taona mifandimby. Ambonin’izany toe-javatra izany dia hiaraka hihira ny kintan’ny maraina, ary ireo zanak’Andriamanitra dia hanao antsom-pifaliana, raha hiray Andriamanitra sy Kristy hilaza fa “Tsy hisy ota intsony, ary tsy hisy fahafatesana intsony”. - TMF, t. 428.FK 380.3

    Fifaliana — Valisoa ho an’ny mpiasan’i Kristy ny hiditra ao amin’ny fifaliany. Izany fifaliana izany — izay andrasan’i Kristy fatratra amin’ny faniriana lalina — dia hita ao amin’ny fangatahany amin’ ny Ray manao hoe: “Iriko raha miaraka amiko any amin’izay misy Ahy ireo izay efa nomenao Ahy.” - TFC, b. 6, t. 309.FK 381.1

    Na voagejan’ny ota aza ny fiaintsika ety an-tany, dia eo am-panompoana no misy fifaliana lehibe indrindra sy ny fanabeazana ambony indrindra. Ary amin’ny tontolo ho avy izay tsy voaloton’ny fetran’ny maha-olombelona feno ota, dia amin’ny fanompoana no hahitana ny fifaliantsika lehibe indrindra sy ny fanabeazana avo indrindra — ijoroantsika ho vavolombelona amin’izany ny fianarana “ny manana betsaka ny voninahitra amin’izany zava-miafina izany ” “dia ny maha-ao anatinao an’i Kristy, ny fanantenana voninahitra”. - Ed, t. 309.FK 381.2

    (...) Miombom-pahoriana aminy izy, ka hiaramanamboninahitra aminy koa. Izay miara-miasa aminy, ka miara-misotro amin’ny kapoaka mangidy isotroany, no hahatsapa ny fifaliany — S, t. 16.FK 381.3

    Vokatry ny famafazam-boa — Ny fampirisihan’ny Fanahy Masina rehetra mitondra olona ho amin’ny fahatsarana sy ho eo amin’Andriamanitra dia voarakitra an-tsoratra ao amin’ny bokin’ny lanitra; ary amin’ny andron’Andriamanitra, izay rehetra nanolotra ny tenany ho fitaovana hiasan’ny Fanahy masina dia afaka hahita ny vokatra tsaran’ny fiainany. — TFC, b. 6, t. 310.FK 381.4

    Rehefa mijoro manoloana an’Andriamanitra ireo voaavotra, dia hamaly amin’ny anarany ireo fanahy sarobidy izay tonga any noho ny fiezahana mahatoky amim-paharetana nataony tamin’ny anarany, sy noho ny vavaka mbamin’ny faharisihana matotra, handositra ho any amin’Ilay Fierena. Amin’izany, izay rehetra mpiara-niasa tamin’Andriamanitra teto amin’ity tontolo ity, dia handray ny valisoany. — TFC, b. 8, tt. 196, 197.FK 382.1

    Hafaliana manao ahoana re izany rehefa mihaona sy mirahaba ireo izay nitondra vesatra tamin’ny anarany ny voaavotra! Ary ireo izay miaina, tsy nankasitraka ny tenany, fa fantsona nitondra fitahiana ho an’ny mahantra izay nahazo fitahiana ihany koa — fahafaham-po manao ahoana re no hampangorakoraka ny fony e! Ho hitany ny fahatanterahan’ny teny fikasana hoe: “ Hotahina anie ianao, fa tsy afaka manome valisoa ireo izay notaominao, fa homena valisoa kosa ianao amin ‘ny fitsanganan’marina”. GW, t. 519.FK 382.2

    Any an-danitra dia ho hitantsika ireo tanora izay nampiantsika, ireo izay nampiantranointsika, sy ireo izay narovantsika tamin’ny fakam-panahy. Ho hitantsika ny tavany hotarafin’ny famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra. — TFC, b. 6, 348.FK 382.3

    Endrey izany hoe mpiara-miasa amin’i Kristy sy ny anjelin’ny lanitra amin’ny drafi-panavotana lehibe! Fa ny fanahy izay voavonjy any rehetra, dia tonga amim-boninahitra eo amin’Andriamanitra, ka hamirapiratra eo amin’ireo voavonjy hafa sy eo amin’ilay fitaovana nentin’Andriamanitra namonjena azy ihany koa. - TFC, b. 2, t. 22.FK 382.4

    Hihaona sy hahita ireo izay notarihiny saina ho eo amin’ny Mpamonjy asandratra ny voaavotra. Resaka masina manao ahoana re no hifanaovany amin’ireo fanahy amin’io fotoana io e! “Mpanota aho taloha”, hoy izy, “tsy nanana an’Andriamanitra ary tsy nanana fanantenana tany amin’izao tontolo izao; tonga nanatona ahy ianao, ka nitarika ny saiko ho eo amin’Ilay Mpamonjy lehibe izay hany fanantenako. Nino Azy aho. Nibebaka tamin’ireo fahotako aho, ka nampitoeriny hiara-mipetraka amin’ny olony masina any amin’ny fitoerany masina any an-danitra ao amin’i Kristy Jesôsy”. Ny hafa indray hanao hoe: “ Mpanompo sampy tany amin’ny tanin’ny fanompoan-tsampy aho. Nandao ireo namanao sy ny tokantranonao ianao ka tonga nampianatra ahy ny hahitako an’i Jesôsy sy hinoako Azy ho Ilay hany Andriamanitra marina. Nandrava ny sampiko aho ka nanompo an’Andriamanitra, dia izao mahita Azy mifanatritava amiko izao. Voavonjy aho ankehitriny, voavonjy mandrakizay sy hahitra mandrakizay Ilay tiako. Tamin’ny finoana fotsiny ihany no nahitako Azy taloha, fa ankehitriny kosa aho dia mahita Azy Izy tenany mihitsy. Ankehitriny aho dia afaka maneho ny fankasitrahako ny famindram-po mahavoniy an’Ilay tia ahy sy nanadio ny fahotako tamin’ny rany”. - GW, t. 518 .FK 382.5

    Ny hafa indray haneho ny fankasitrahany an’ireo izay nanome hanina ny noana sy nampitafy ny tsy nanankotafiana; “Raha fahakiviana no namefy ny fanahiko tsy nanam-pinoana, dia nirahin’ny Tompo ho ahy ianao”, hoy izy, “mba hitory amiko ny ny teny mitondra fanantenana sy fampiononana. Nitondra sakafo ho an’ny filan’ny vatako ianao, sy nanokatra tamiko ny Tenin’Andriamanitra, sady namoha ho ahy ny filako ara-panahy. Noraisinano ho toy ny rahalahinao aho. Nangoraka ahy tamin’ireo fahoriako ianao, ka nampody indray ny fanahiko efa mangana sy maratra, ka nahafahako mamihina ny tanan’i Kristy izay natsotrany mba hamonjena ahy. Nampianatra ahy tamin’ny tsy fahalalako ianao fa manana Ray any an-danitra Izay mitsinjo ahy aho. Novakinao tamiko ireo teny fikasana manan-danja avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanolo-tsaina ahy finoana mba hamonjena ahy ianao. Nihanalefaka, resy lahatra, ary tohina ny foko rehefa nibanjina ny asa fisoronana nataon’i Kristy ho ahy. Nanjary noana ny mofon’ny fiainana aho, ary lasa zava-dehibe tamin’ny fanahiko ny fahamarinana. Eto aho ankehitriny, voavonjy, voavonjy mandrakizay, ary hiaina mandrakizay amin’ny fanatrehany, sy hidera Azy — Ilay nanolotra ho ahy ny fiainany”. — GW, tt. 518, 519.FK 383.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents