Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Efa Voaloa Ny Karama

    Hodinihin’Tompo tsara ny momba ny talenta rehetra amin’fiverenany; hotakiny ny tombony avy amin’renivola efa nankininy tamintsika. Tamin’fietreny sy ny fijaliany, ary tamin’fiainany feno asa mafy sy ny fahafatesany mahamenatra no efa nandoavan’i Kristy ny karaman’ireo izay misalotra ny anarany sy milaza azy ho mpanompony. - TFC, b. 9, t. 104.FK 154.2

    Adidy lehibe ho an’tsirairay avy ny mampandroso ny fahafahany rehetra ho an’asa famonjem-panahy ho Azy. “Tsy tompon’ny tenanareo hianareo,” hoy Izy, “fa efa novidina lafo”; noho izany dia omeo voninahitra Andriamanitra, amin’alalan’fiainam-panompoana, izay hitaona ny lehilahy sy ny vehivavy maro hiala amin’ota ho amin’fahamarinana. Novidina tamin’ain’i Kristy sarobidy isika, novidina mba hamerenantsika izay an’Andriamanitra amin’alalan’fanompoana mahatoky. - TFC, b. 9, t. 104.FK 154.3

    Nampitondra hafatra ahy ho an’ vahoakany Andriamanitra. Tokony hifoha izy ireo ka hamelatra ny lainy, ary hanitatra ny sisintaniny. Ranadahy sy rahavavy isany, efa novidina lafo ianareo, ka izay rehetra ananareo sy ny momba anareo, dia natao hampiasaina ho voninahitr‘ Andriamanitra sy hanasoavana ny mpiara-belona aminareo. Maty teo an-kazo fijaliana i Kristy mba hamonjy izao tontolo izao amin‘ny ota. Miangavy fiaraha-miasa avy aminao Izy. Natao ho tanana mpanampy Azy ianao. Amin‘ny zotom-po sy ny ezaka tsy miato no hitadiavanao izay hamonjena ny very. Tsarovy fa tena mlaina tokoa ny hazo fijaliana noho ny otanao. - TFC, b. 7, t. 9.FK 154.4

    Efa navotana mba hanompo ny mpanaraka an‘i Kristy. Mampianatra antsika ny Tompo fa ny zavatra tena kendren‘ny fiainana dia ny soa iraisana. I Kristy koa dia mpiasa mihitsy, ary omeny ny mpanaraka Azy rehetra ny lalàn’fanompoana, dia ny fanompoana ny mpiara-belona (...) Ny lalàn‘ny fanompoana dia manjary rojo fampiraisana izay mamatotra antsika amin’Andriamanitra sy amin‘ny mpiara-belona amintsika. - HF, t. 281.FK 155.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents