Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiteny Voakolokolo

    Ny fanolokoloana tsara sy ny fampiasana ny herin’ny fitenenana dia tokony ho hita eo amin’ny lafin’ny asa rehetra ataon’ny kristianina (...) Tokony hanazatra ny tenantsika isika hiteny amin’ny feo mahafinaritra, hampiasa ny fiteny madio sy mahitsy, ary hampiasa teny feno halemem-panahy - HF, t. 291.FK 313.4

    (...) Ny mpitoriteny rehetra sy ny mpampianatra rehetra dia tokony hitana ao an-tsaina fa manome hafatra ho an’ny vahoaka izy izay iankinan’ny soa mandrakizay ho azy ireo. Ny fahamarinana izay nambara no hitsara azy amin’ny andro lehiben’ny fanadihadiana farany Ary amin’ny olona sasany dia ny fomban’ilay mpitory no mahatonga ny handraisany na handavany ny hafatra entiny. Noho izany, aoka ny teny holazaina amin’ny fomba mazava hisarika ny saina sy hilatsaka ao am-po. Tokony hiteny miadana, mihavakavaka tsara ary amin’ny fomba mampieritreritra, nefa amin’ny hafanam-po rehetra izay takian’ny zava-dehibe lazaina. - HF, t. 291.FK 314.1

    (...) Raha miezaka hitarika ny hafa hiditra ao amin’ny faritry ny fitiavany ianao, dia aoka ho vavolombelon’ny fahasoavany ny fahadiovan’ny fiteninao, ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ataonao, ny fifaliana hita eo amin’ny fitondrantenanao. - TMF, t. 118.FK 314.2

    Ny Kristiana tsirairay dia antsoina hampahalala amin’ny hafa ny haren’i Kristy tsy hita lany; noho izany dia tokony hikatsaka ny fahatanterahana izy eo amin’ny fitenenana. Hampiseho ny tenin’Andriamanitra amin’ny fomba izay hahatonga ny mpihaino azy hankasitraka izany izy. Tsy notendren’Andriamanitra ho maty feo ireo olombelona na hanambaniany ireo fitahiana mitosaka izay mikoriana avy any an-danitra ho amin’izao tontolo izao amin’ny alalany. - HF, t. 291.FK 314.3

    Hampianarina amim-paharetana, amim-pahalemem-panahy sy amim-pahatsaram-panahy sy ombam-panampiana izy. Haneho fanajana tena kristianina izy, hitana ao an-tsaina fa i Kristy, ilay sakaizany, dia tsy mankasitraka teny na fihetsehampo henjana sy masiaka. Hodiovina ny teniny. Ekena fa talenta sarobidy ny herin’ny teny, ampiasao izy hanao asa ambony sy masina. - GW, t. 97.FK 314.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents