Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fatiantoka Goavana Amin’ny Tsy Fanatrehana Ny Fivoriana

    Fandaniana be tokoa no andaminana sy anatanterahana ny fivoriambentsika. Ireo mpitandrin’Andriamanitra izay manantitrantitra hatrany ny fahamarinana halam-bahoaka, dia miasa mafy dia mafy tokoa mandritra ireo fivorian-dehibe ireo mba hampita ny hafa-pamindrampo avy amin’ny Mpanavotra nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana ho an’ny mpanota mahantra lavo. Ny fanaovana tsirambina na ny tsy firaihana eo anatrehan’ireo hafatra ireo, dia fanaovana tsinontsinona ny famindrampon’Andriamanitra sy ny feony mampitandrina ary miangavy. Loza mananontanona ho an’ny fiadanan’ny fanahinao ny tsy nanatrehanao ireo fivoriana ireo. Tsy voarainao ilay hery mety ho azonao nandritra ny fihainoana ny tenin’Adriamanitra notorina sy ny fifaneraserana tamin’ireo mpino ny fahamarinana. - TFC, b. 4, t. 115.FK 277.2

    Tsy zavatra kely monja ho an’ny fianakaviana iray ny hijoro ho solontenan’i Jesôsy ary mitandrina ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny fiaraha-monina tsy mpino. Antsoina isika ho tonga epistily velona, fantatra ary vakin’ny olona rehetra. Mitaky andraikitra mahatahotra izany toerana izany. Tsy maintsy manatona izay misy ny hazavana ianao raha te hiaina ao amin’ny mazava. Tsy maintsy ho tsapan’ny anadahy K ny andraikitra goavana hanatrika miaraka amin’ny fianakaviany, fara fahakeliny ireo fivoriana isan-taona fanaon’ireo tia ny fahamarinana. Hanome hery azy ireo izany ary hahaizany miatrika ny fizahan-toetra sy ny adidy. Tsy mahasoa azy ireo ny hanary ilay tombontsoa avy amin’ny fifaneraserana amin’ny mpiray fanantenana aminy; tsy hanan-danja firy amin’ny sainy intsony mantsy amin’izay ny fahamarinana, hitsahatra tsy hanazava sy hamelombelona ny fony intsony ny heriny ary ho lefy ny herim-panahiny. Tsy azon’izy ireo ny hery avy amin’ny tenin’ilay mpitoriteny velona. Tsy mitsahatra ny mampirisika ny sainy handà ny foto-kevitra ara-panahy ny eritreritra araka izao tontolo izao sy ny raharaha eo amin’izao tontolo izao. - TFC, b. 4, t. 106 .FK 277.3

    Aoka izay rehetra afaka hanatrika ireo fivoriambe fanao isan-taona ireo. Tokony ho tsapan’ny rehetra fa takin’Andriamanitra amin’izy ireo izany. Raha tsy manao izay handraisany io tombontsoa efa nomen’Andriamanitra io izy mba hampahatanjaka azy ao Aminy sy ao amin’ny herin’ny fahasoavany, dia hihamalemy hatrany ary hihena hatrany hatrany koa ny faniriany hanokana ny zava-drehetra ho an’Andriamanitra.FK 278.1

    Andao ry ranadahy sy rahavavy, ho tonga amin’izany fivoriana masina izany mba hihaona amin’i Jesôsy. Ho avy amin’ny fanasana izy. Hanatrika eo Izy ary hataony aminao tokoa izay tena ilainao hatao aminao indrindra. Tsy tokony hoheverinao ho manana tombam-bidy lehibe kokoa noho ny fanahy ny raharaha fivelomanao. Ny haren-tsarobidy anananao rehetra, na toy inona sandany na toy inona, dia tsy ampy akory hividiananao fiadanana sy fanantenana, izay tombony tsy hita pesimpesenina, raha toa ka nandanianao ny fanananao rehetra izany sy niharetanao ny asa mafy ary ny fangirifinana nandritra ny androm-piainana. Fitahiana lafo vidy lavitra noho ny harena rehetra sy ny fahafinaretana ary ny voninahitra eto amin’ity tany ity ny fananana fahatakarana mafy orina sy mazava ny zavatra maharitra mandrakizay, ary ny fo vonona ny hanolotra ny zavadrehetra ho an’i Kristy. - TFC, b. 2, tt. 575FK 279.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents