Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ilaina Ny Fifohazana Sy Fanavaozana

    Tokony hiomana amin’ilay oram-batravatra efa madiva hisafoaka sy hanampoka azy amin’fomba mahatsiravina ny Kristianina. Ary amin’izany fiomanana izany dia ilaina ny fandinihana lalina ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainana manaraka ny fitsipiny (...). Izay ilain’Andriamanitra dia ny fifohazana sy fanavaozana tanteraka. - MM, t. 511.FK 56.2

    Ny fifohazan’tena toe-panahy araka an’Andriamanitra eo anivontsika no lehibe indrindra sy maika indrindra amin’izay rehetra ilaintsika. Ny hikatsaka izany no tokony ho asantsika voalohany. - RH, 22 Mar. 1887.FK 56.3

    Tonga ny fotoana izay tokony hisian’fanavaozana tanteraka. Rehefa manomboka izany fifohazana izany, ny toe-tsain’vavaka no hanetsiketsika ny mpino rehetra, ka horoahina hiala ao am-piangonana ny toe-tsain’tsy fifanarahana sy ny fifandirana. - TFC, b. 8, t. 25 .FK 56.4

    Tsy maintsy ho eo ambany fitarihan’Fanahy Masina ny Fifohazana sy Fanavaozana. Zavatra roa samy hafa ny fifohazana sy ny fanavaozana. Ny Fifohazana dia midika ho fanavaozana ny fiainana ara-panahy, famelombelomana ireo herin’ny fo sy saina, fitsanganana amin’ny fahafatesana arapanahy Ny Fanavaozana dia midika ho fandaminana indray, fanovana eo amin‘ny hevitra sy ny foto-kevitra, ny fahazarana sy ny fomba amam-panao. Tsy hitondra ny vokatra tsaran’fahamarinana ny fanavaozana raha tsy mifandray amin’fifohazana vokatry ny Fanahy Samy manao ny asany avy ny fifohazana sy ny fanavaozana, ary tsy maintsy mikambana izy eo am-panaovana izany asa izany. - RH, 25 Feb. 1902.FK 57.1

    Moa ve ny Soratra Masina tsy miantso ho amin’asa madio sy masina kokoa noho izay efa hita? (...) Miantso ireo izay maniry ny hofehezin’Fanahy Masina Andriamanitra mba hotarihina ho amin’asa fanavaozana tanteraka. Hitako ny fotoan-tsarotra eo anoloantsika, Ary miantso ny mpiasany ny Tompo mba hirotsaka an-daharana. Tokony hijoro eo amin’toeran’fanoloran-tena lalindalina kokoa, sy marina kokoa amin‘Andriamanitra ny fanahy rehetra ankehitriny noho ny tamin’ireo taona lasa (...).FK 57.2

    Nanohina mafy ahy ny fahitana ireo toe-javatra izay naseho teo anoloako vao tsy ela izay, tamin’fahitana tamin’alina. Toa nisy fihetsehana lehibe - vokatry ny fifohazana - niroso tamin’toerana maro. Mirotsaka an-daharana ny vahoakantsika, namaly ny antson’ Andriamanitra. - GCB, 19 May 1913, t. 34 .FK 57.3

    Tamin’fahitana tamin’alina no naseho teo anoloako ny fihetsehana fanavaozana lehibe teo anivon‘ny vahoakan’ Andriamanitra. Maro no nidera an’Andriamanitra. Sitrana ny marary, ary maro ny fahagagana hafa niseho (...). An-jatony sy an’arivony no hita mitsidika fianakaviana, ary mamelatra eo anoloan‘izy ireo ny teninAndriamanitra. Resy lahatry ny herin‘ny Fanahy Masina ny fo, ary niseho ny toe-tsain’fiovam-po manna. Teo amin’tolam-baravarana rehetra no nivoha nidanadana ho amin’fitoriana ny fahamarinana. Toa nazava noho ny hery miasa mangina avy any andanitra izao tontolo izao. Fitahiana lehibe no noraisin‘ny tena vahoakan’ Andriamanitra manetry tena. - TFC, b. 9, t. 126.FK 57.4

    Misy filàna fanavaozana lehibe eo anivon’vahoakan’ Andriamanitra. Mitarika ho amin’fanadihadiana ny toerana misy ny fiangonana ankehitriny, Moa ve izao no fanehoana Azy araka ny tokony ho izy, dia ilay nanolotra ny Ainy ho antsika? - TFC, b. 3, t. 474 .FK 58.1

    Hiseho amim-pitiavana ny Fanahin‘ny Tompo rehefa voafafa tsy ho amin’fiangonana intsony ny fanomezantsiny noho ny hakamoana sy ny fitsilamodamohana. Hiseho ny herin’Andriamanitra. Ho hitan’fiangonana ny asa eo ambany fitondran‘i Jehôvah Tompon’maro. Hazava amin’tara-pahazavana matanjaka ny fahazavan‘ny fahamarinana, ary tahaka ny tamin’andron’apôstôly, fanahy maro no hiala amin’fahadisoana ho amin’fahamarinana. Hohazavain’voninahitry ny Tompo ny tany - TFC, b. 9, t. 46.FK 58.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents