Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Valisoa Marina

    Tsara i Jehôvah. Mamindra fo sady mihantra Izy. Mifandray amin’ny tsirairay amin’ireo zanany Izy. Fantany izay rehetra ataontsika tsirairay. Fantany ny haben’ny finoana tokony homena ny tsirairay amintsika. Moa ve tsy hojerena ny finoana sy ny sazy miandry anao, ary handao an’Andriamanitra hanao ny asany? Omena ny satroboninahitra ve ianao raha mahavita ny asa izay nomen’Andriamanitra anao? — SW, 14 May 1903.FK 375.2

    Irin’ny Tompo hiankina aminy isika ka tsy hanontany momba ny famerana ny valisoa ho antsika. Rehefa mitoetra ao ampontsika Kristy, dia ambin-javatra ny fiheverana ny valisoa. Tsy tokony ho io no fanoitra manosika antsika hanatanteraka ny fanompoantsika (...) — HF, t. 350 .FK 375.3

    Avy amin’ny efitrano any an-tampony ambony, avy amin’ny efitra kely mahantra, avy amin’ny tranomaizina, avy amin’ny toerana fanapahan-doha, avy amin’ny tendrombohitra sy ny tany hay, avy amin’ny lavaka sy ny ranomasina lalina no hanangonan’i Kristy ny zanany. Nahantra izy teto ambonin’ny tany, nampijaliana, sy nampahoriana. An-tapitrisany no nidina ho any amin’ny fasana nilonjy fahafaham-baraka satria nandà tsy hilefitra eo amin’ny fitakiana mamitaka nataon’i Satana. Ny fitsaran’olombelona dia niampanga ny zanak’Andriamanitra tamin’ny heloka ratsy indrindra. Nefa akaiky ny andro hahitana fa “ Andriamanitra no mpitsara” — Sal. 50:6. Amin’izay dia hitsimbadika ny fanapahan-kevitry ny tany. “ Hahafatondro maso ny olona Izy” — Isa. 25:8. Fitafiana fotsy no homena ny tsirairay amin’izy ireo. “ Ary ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan’i Jehovah.” - Isa. 62:12. - HF, t. 152.FK 375.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents