Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toe-Javatra Ho Avy

    Noheverina ho tsy dia manao ahoana loatra ny vahoakan’Andriamanitra ka tsy mendrika ny hitodian’ny saina akory; hisy fiovana hiseho anefa. Eo am-pihetsiketsehana ny tontolo kristianina amin’izao vaninandro izao, ka izany no tsy maintsy hampisongadina ireo olona mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Misy mandrakariva ny fanovana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ireo foto-kevitra sy fotopampianarana diso avy amin’olombelona. Efa miainga ny fihetsiketsehana hanandevozana ny feon’ny fieritreretan’ ireo izay mahatoky amin’Andriamanitra. Hanohitra ny vahoakan’Andriamanitra ireo fahefana mpanova lalàna. Hozahan-toetra ny fanahy tsirairay. - TFC, b. 5, t. 546.FK 218.1

    Hasandratry ny olombelona sy hotereny tandremana amin’ny fomba hentitra dia hentitra tokoa ny lalàna izay mifanohitra mivantana amin’ny lalàn’Andriamanitra. Na dia mafana fo erỳ aza izy ireo amin’ny fanamafisana ny lalàna nataony, dia hialany tsotra izao ny hoe: “Izao no lazain’i Jehôvah.” Amin’ny fanandratany andro fitsaharana sandoka no haneren’izy ireo ny olona tsy hanaja ny lalàn’i Jehôvah, izay maneho ny toetrany. Na dia tsy manao ratsy aza ny mpanompon’Andriamanitra, dia hiharan’ny fahafaham-baraka sy ny fanararaotana hataon’ireo olona feno fitsirintana sy fiziriziriana aminkevi-diso noho ny fampirisihan’i Satana. - TFC, b. 9, t. 229.FK 218.2

    Ny fahefana ara-pivavahana, izay milaza azy ho mpiaramiasa amin’ny lanitra sy manana ny toetran’ny zanak’ondry, dia hampiseho amin’ny asany fa fon-dragona ny fony, ka i Satana no mampirisika sy mifehy azy Ho avy ny fotoana izay hahatsapan’ny vahoakan’Andriamanitra ny tanan’ny fanenjehana noho ny fitandreman’izy ireo ny andro fahafito (...) Tsy maintsy mifikitra mafy amin’Andriamanitra anefa ny vahoakany. Hiasa ho azy ireo kosa ny Tompo, ka asehony mazava tsara fa Izy no Andriamanitry ny andriamanitra. - TFC, k 9, tt. 229, 230.FK 219.1

    (...) Ny toetra tsy mendrika rehetra, ny fanomezana-tsiny sy ny habibiana izay azon’i Satana hitarihana ny fon’olombelona hovisavisaina, dia nihatra tamin’ny mpanaraka an’i Jesosy avokoa. Ary mbola ho tanteraka indray amin’ny fomba miavaka izany ankehitriny; mbola mandrafy ny lalàn’Andriamanitra mantsy ny fo ara-nofo, ka tsy hilefitra amin’ny baikony. Tsy mifandrindra kokoa amin’ny fotokevitr’i Kristy mihoatra noho ny tamin’ny andron’ny Apostoly amin’ny ankehitriny. Ilay fankahalana nampiloaka ny antsoantso hoe; “ Homboy! homboy!”, mbola io fankahalana io ihany izay nitarika ny fanenjehana ny mpianatra, no mbola miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana. Ilay toe-tsaina izay nampiditra am-ponja lehilahy sy vehivavy tamin’ny taona Antenantenany nanjakan’ny haizina, nitondra azy an-tsesitany sy nampamono azy, izay namorona ireo fampijaliana loza indrindra tamin’ny “Inquisition”, izay namolavola sy nanatanteraka ny vonoan’olona tamin’ny StBarthélémy, ary izay namelona ny afo tao Smithfield, izany toe-tsaina izany no mbola miasa amin’ny hery manimba ao amin’ny fo tsy voaova. Tatitra momba ny ady nifanaovan’ny tsara sy ny ratsy mandrakariva ny tantaran’ny fahamarinana. Nandroso hatrany teto amin’ity izao tontolo izao ity ny fitoriana ny filazantsara niatrika ny fanoherana, ny loza, ny fatiantoka ary ny fijaliana. — VM, t. 77.FK 219.2

    Hoentina eo amin’ny fizahan-toetra sy ny fahoriana lehibe ny fiangonana sisa. Ho tsapan’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesôsy ny fahaviniran’ny dragona sy ny mpanara-dia azy. Ataon’i Satana ho eo ambanin’ny fahefany izao tontolo izao; efa eo ambanin’ny fifehezany ireo fiangonana nihemotra; mbola misy antoko kely iray manohitra izany toerany izany anefa. Raha azony natao ny namafa azy ireo tsy ho eto ambonin’ny tany intsony, dia ho feno ny fandreseny. Tahaka ny nampirisihany ny firenena mpanompo sampy handrava ny Isiraely, no hanetsiketsehany ihany koa ireo fahefana ratsy fanahy ambonin’ny tany mba handrava ny vahoakan’Andriamanitra any amin’ny hoavy. Hoterena hankatò ny lalàn’olombelona izay mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny rehetra. Hamadika ireo izay tena mahatoky amin’Andriamanitra sy ny asany “ny ray amandreniny, ny mpiray tampo aminy, ny havany ary ny namany.” - TFC, b. 9, t. 231.FK 220.1

    Efa madiva hipaika ny ora izay hizahan-toetra ny fanahy tsirairay avy. Hoterena ny fitandremana ny sabata sandoka. Hisy fifanoherana momba ny Didin’Andriamanitra sy ny didin’olombelona. Ireo izay niandany tsikelikely tamin’ny fomba amam-panaon’izao tontolo izao, dia hiondrika eo anatrehan’ ny manam-pahefana fa tsy ho sahy hisedra ny fanesoana, ny fanevatevana, ny fandrahonana hampidirina am-ponja ary ny famonoana ho faty. Ary amin’izany fotoana izany, ny volamena dia hisaraka amin’ny fotaka nifonosany. Ny tena fitiavam-bavaka marina hiavaka mazava tsara amin’ny fitiavam-bavaka diso sy ivelambelany fotsiny Hihamaizina ireo kintana izay maha-talanjona antsika ny famirapiratany Ireo nitondra ny akanjom-pisoronana, fa tsy niakanjo ny fahamarinan’i Kristy, dia hiseho amin’ny henatra noho ny fitanjahany amin’izay fotoana izay. - MM, tt. 154, 155.FK 220.2

    Ampoizina mandrakariva fa manoloana antsika ny tolona mitohy izay mety hitarika antsika ho any an-tranomaizina, hahavery ny fananantsika, eny, fa na dia ny aintsika mihitsy aza, noho ny fiarovana ny lalàn’Andriamanitra, izay nataon’ny lalàn’olombelona tsinontsinona. - TFC, b. 5, t. 712.FK 221.1

    Ho tonga faingana ny fotoana rehefa ho fantatr’ireo izay mijoro amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanandramana ny hevitry ny hoe: mpiombona anjara amin’ny fijalian’i Kristy. Fantatr’ilay mpampahory lehibe fa kely sisa ny fotoam-piasany ka tsy hanana alalana amin’ny olona intsony izy, ary ny fahefany aza hesorina aminy, koa dia ampiasainy avokoa ny fitaky ny tsy fahamarinana rehetra ho an’izay ho very. Voahitsakitsaky ny finoanoam-poana sy ny fahadisoan-kevitra ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny. Mihamahazo laka ny fahefana rehetra manohitra ny fahamarinana. - SW, 31 Okt. 1905.FK 221.2

    Ny asa izay tsy nataon’ny fiangonana tamin’ny fotoampiadanana sy fandrosoana, dia tsy maintsy hotanterahiny amin’ny fotoantsarotra izaitsizy, sy anatin’ny toe-javatra mahakivy sy mahaketraka indrindra. Ny fampitandremana izay nampanginin’ny fitoviana amin’izao tontolo izao sy nosakanany, dia tsy maintsy hambara ao anatin’ny fanoherana masiaka dia masiaka indrindra ataon’ireo fahavalon’ny finoana. Amin’io fotoana io noho izany no handà ny finoana ireo sokajin’ny mpivavaka tsy tia fiovana sy ivelambelany fotsiny, izay nampitarazoka ny asa. Hirotsaka amin’ny laharan’ireo hita fa fahavalo izy, izay efa niraisany fo hatry ny ela. Hampiseho fankahalana mangidy indrindra araka izany ireo mpihemotra ireo, ka hataony araka izay tratry ny heriny izay hampahoriana sy hanara-tsiana ny rahalahiny teo aloha ary handranitana fahatezerana amin’ izy ireo. Manoloana antsika indrindra izany andro izany Hozahan-toetra sy hosedraina isam-batan’olona ny mambran’ny fiangonana. Hapetraka amin’ny toe-javatra izay tsy maintsy hijoroany ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izy ireo. Maro no hantsoina eo anatrehan’ny fivorian’ny mpitondra fivavahana hafa na manoloana ny fitsarana, mety handeha tsirairay no hanaovana izany Ao ireo nanao tsinontsinona ny fanandramana izay tokony ho azony kanefa mety hanampy azy amin’io hamehana io. Ho trapanenenana mivaivay ny ati-fanahin’izy ireo amin’izany noho ny tombontsoa sy fotoana nolanilaniany fotsiny teo aloha. - TFC, b. 5, t. 463.FK 221.3

    Môrdekay eo am-bavahadin’ny mpanjaka no fahitan’ny tontolo prôtestanta ankehitriny ity antoko kely mpitandrina ny Sabata ity. Mandatsa mandrakariva ireo izay tsy matahotra intsony an’Andriamanitra sy manitsakitsaka ny Sabatany ny toetrany sy ny fitondran-tenany, izay maneho fanajana ny lalàn’ Andriamanitra; tsy maintsy hesorina any, hoy izy, ny mpanelingelina. - TFC, b. 5, t. 450.FK 222.1

    Handranitra fahatezerana i Satana amin’ireo vitsy an’isa manetry tena sady mandà amin-kitsim-po ny hanaraka ny fomba amam-panao sy ny nentin-drazana mamy hoditra. Hiara-dalana amin’ireo tsy mpanara-dalàna sy ratsy fanahy ireo olona ambony sy malaza ka hanohitra ny vahoakan’Andriamanitra.FK 222.2

    Hampitombo ny toetrany mpanao tsinontsinona ny hareny sy ny fahaizany ary ny fanabeazana noraisiny. Hiray tsikombakomba aminy amin’izany fanoherana izany ireo mpanapaka sy mpitandrina ary mambry ny fiangonana mpanenjika. Hitady izay handravana ny finoany izy ireo amin’ny alalan’ny feo sy penina, ny fireharehana sy ny fandrahonana ary ny fanarabiana. Hanetsika ny fihetseham- po mahery vaika ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra izy amin’ny alalan’ny fanehoana sandoka sy antso feno hatezerana. Tsy eo amin’izy ireo ny “izao no voalazan’ny soratra masina” mba hanoherany ireto vavolombelon’ny Sabatan’ny Baiboly, hany ka didy aman-dalàna feno tsindry hazo lena no hampihariny. Hirona amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny Alahady ny mpanao lalàna mba hiarovana ny lazany sy toeram-boninahiny (...) Eo amin’io sahan’ady io no hisehoan’ny ady lehibe farany eo amin’ny fifanandrinan’ny marina sy ny diso. - TFC, b. 5, tt. 450, 451.FK 222.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents