Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizahan-Toetra

    Amin’ny alalan’ireo toe-javatra mpitranga eo amin’ny fiainana no hitsapan’ Andriamanitra sy hizahany toetra antsika. Ny zavatra madinidinika no manambara ireo tantara voarakitra ao am-po. Ny fikarakarana madinidinika sy ny toe-javatra maromaro mandalo ary ny fiheverana tsotra indrindra eo amin’ny fiainana no mandrafitra ny fahasambarana eo aminy Ny fanaovana an-tsirambina ny teny mamy sy mampahery ary feno fitiavana, sy ireo fiheverana madinidinika eo amin’ny fiainana kosa no manampy handrafitra ny fahoriana eo aminy Ho hita anefa amin’ny farany fa ny fandavana ny tena ho an’ny soa sy ny fahasambaran’ireo manodidina antsika no mitana ny ampahany be indrindra amin’izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny fiainana ao an-danitra. - TFC, b. 2, t. 133.FK 269.3

    Hitako fa fitantanan’Andriamanitra mihitsy ny hananan’ny mpitondratena sy ny kamboty, ny jamba sy ny marenina, ny kilemaina sy ny olona tra-pahoriana amin’ny fomba maro samihafa, fifandraisana kristianina akaiky amin’ny fiangonany. Natao hizahan-toetra ny vahoakany sy hampitombo ny tena toetra marina ananan’ izy ireo izany Mandinika ny fomba fitondrantsika ireo olona mila ny firaisam-po sy ny fitiavantsika ary ny fikarakarantsika tsy mila valiny ny anjelin’Andriamanitra. Fizahan’Andriamanitra ny toetrantsika izany. Raha tena manana marina ny fivavahan’ny Baiboly isika, dia ho tsapantsika fa manan-trosam-pitiavana sy fahalemempanahy ary fiheverana amin’i Kristy isika ho an’ny rahalahiny.FK 270.1

    Afaka manao mihoatra noho ny fanehoana fankasitrahana isika, vokatry ny fitiavany antsika tsy hita fetra, fony mbola mpanota tsy mendrika ny fahasoavany aza isika. Amin’ny fiheverantsika lalina sy ny fitiavantsika tsy miaro fitiavan-tena an’ireo rahalahintsika sy ireo sahirana kokoa noho isika no hanatanterahantsika izany - TFC, b. 3, t. 511.FK 270.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents