Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanahy Masina Am-Perin’Asa Hatramin’ny Voalohany

    Hatramin’ny voalohany Andriamanitra dia niasa tamin’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny olombelona izay fitaovana nanatanterahany ny fikasany hamonjy ny tarakana lavo. Hita mazava izany teo amin’ny fiainan’ireo patriarka. Nomen’Andriamanitra “Fanahy tsara hampianatra azy” koa ny fiangonana tany an’efitra, tamin’ny andron’i Mosesy. Ary tamin’ny andron’ny Apôstôly dia niasa tamin’ny fomba mahery ho an’ny fiangonany Izy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Io hery io ihany no nanohana ny patriarka, nanome finoana sy herimpo an’i Kaleba sy Josoa, ary nahatonga ny asan’ny fiangonana apôstôlika ho nahomby. Io ihany koa no nanohana ny zanak’Andriamanitra mahatoky teo amin’ireo taona nifandimby. Tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no nanomanan’ireo kristiana “Vaudois” ny lalan’ny Fanavaozana ara-pivavahana nandritra ny taonjato nanjakan’ny fahamaizinana. Io hery io koa no nampahavokatra ny ezaka nataon’ireo lehilahy sy vehivavy ambony fisainana izay namaky lay teo amin’ny fanorenana ny misiona amin’izao tontolo izao, teo amin’ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny teny sy ny tenim-paritry ny firenena sy ny vahoaka rehetra. — VM, t. 48FK 359.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents